Mihevitra Ho Maranitra Ve Ianao, Wikipedia? Drafitry Ny Rosiana Mpanivana Ny Hibahana Anao Na Izany Aza

Despite Wikipedia's attempts to circumvent Russian censorship, the Kremlin seems intent on blocking the website. Images mixed by Tetyana Lokot.

Na eo aza ny ezaky ny Wikipedia hialàna ny sivana Rosiana, toa miezaka ny hibahana ilay tranonkala ny ao Kremlin. Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.

Toa tsy maty lolo amin'izay ezaky ny Wikipedia hiady amin'ny sivana raha ny mpanaramaso ny aterineto ao Rosia. Ny Sabotsy 22 Aogositra, nanao hetsika feno fahasahiana ny Wikipedia mba hisorohana ny fanesorana ireo vontoaty araka ny fangatahan'ireo mpanivana — saingy ankehitriny, toa, tsy maintsy hiharan'ny fandraràna ihany ilay tranonkala na teo aza  ny fanarian-dia natao.

Ny 20 Aogositra dia nambaran'ny Roskomnadzor, mpanivana media ao Kremlin, fa nomeny baiko ny Wikipedia hanaisotra ny fahafahan'ireo Rosiana mpampiasa aterineto tsy ho afaka hiditra amin'ny lahatsoratra iray miresaka momba ny “rongony charas”, izay noraràn'ny fitsarana iray ao Astrakhan tamin'ny Jona lasa iny. Raha toa ny Wikipedia ka mandà tsy hanatanteraka ny baiko, dia mety ho izy manontolo no hobahanana, hoy ny manampahefana. Nandà tsy hanatanteraka ilay fangatahana ny Wikipedia ary ho solony dia nanisy fanovàna kely tamin'ny rohy mankany amin'ilay lahatsoratra momba ny rongony hashish, nanao azy io hifanaraka ara-teknika amin'ny lalàna Rosiana. Fampidirana hafa miisa fito no avoakan'ilay pejy teo aloha amin'izao fotoana izao momba ny dika samihafan'ny teny hoe “charas”, raha tsy nisy nokitihana mihitsy kosa ilay lahatsoratra manontolo niandohana, nefa azo idirana amin'ity rohy vaovao ity ao amin'ilay tranonkalan'ny raki-pahalalàna.

Ny Alatsinainy 24 Aogositra, Izvestia nitatitra fa mbola mihevitra ny hibahana ny Wikipedia ny Roscomnadzor (angamba mety hanomboka anio ny fibahanana) noho ny nandàvany tsy hanaraka ny lalàna Rosiana ary tsy namafàny ilay lahatsoratra amin'ny fiteny Rosiana momba ny rongony hashish.

Araka ny loharanon'ny Izvestia avy ao anatin'ilay masoivoho, misy sasantsasany amin'ireo manampahaizana momba ny aterineto, isan'ireny i Denis Davydov avy amin'ny Ligin'ny Aterineto Azo Antoka, mpomba ny ao Kremlin, niampanga ny biraon'ny Wikipedia amin'ny teny Rosiana ho miditra amin'ny “raharaha politika” fa tsy ny “fizaràna fahalalàna ho an'izao tontolo izao”, araka izay tokony hataon'ny “raki-pahalalàna maimaim-poana”. Nanisi-kevitra ny Roscomnadzor hoe mahatonga azy ireo tsy hanana safidy hafa ankoatry ny mibahana ny Wikipedia io, manao izany mifanaraka amin'ny didy navoakan'ny fitsarana tery aloha.

Ny tomponandraikitry ny serasera amin'ny gazety ao amin'ny Roscomnadzor koa dia niteny fa tsy nirian-dry zareo ny hibahana manontolo ilay tranonkala, ka mba ho afaka fotsiny mibahana izay pejy sy vontoaty manafintohina, amin'ny nanomezana ireo mpitantana ny Wikipedia ny “fifanomezan-tànana” ka hanàla ireo HTTPS fiarovana izay mametraka ilay tranonkala manontolo ho tandindonin-doza mety hiharan'ny fibahanana.

Tao amin'ny Twitter, nihetsika noho ilay vaovao ny birao Rosiana misahana ny Wikipedia, ny Alatsinainy vao maraina be.

Arahaba maraina, ry iray firenena! Ity no mety ho maraina farany iarahanay aminareo!

Nitazona ny fanapahankeviny ny Wikipedia tsy hanaisotra ilay lahatsoratra, izay lazainy fa efa imbetsaka no nasiany fandinihana ny fifandrifiany amin'ny fenitra anatin'ny tranonkala (manaraka ny hoe “miainga avy aminà loharanom-baovao azo antoka”). Tanisain'ny Izvestia koa ny Wikipedia hoe niteny fa tsy hoesorin-dry zareo ireo HTTPS fiarovana ao amin'ny tranonkalany, satria “tsy misy andrim-panjakana na FAI tokony hanana fitaovana hamantarana izay zavatra vakian'ny mpampiasa ny tranonkala.”

Vladimir Medeyko, lehiben'ny Wikimedia RU, nilaza tamin'ny Izvestia fa raha toa ka tsy maintsy  ho voabahana ilay tranonkala, mbola ho azon'ireo mpampiasa ny RuNet atao ny miditra amin'ilay raki-pahalalàna satria “misy fomba maro samihafa ahafahana mamaky tranonkala nobahanana.”

Если государство заблокирует «Википедию», то оно сделает хуже только себе.

Raha toa ny fanjakana [ao Rosia] misakana ny Wikipedia, dia vao mainka manaratsy ny teo-draharahany izy.

Lasa zavatra fahita isanandro izao ny vaovao momba ireo Rosiana mpanivana mampiditra pejy avy ao amin'ny Youtube sy Wikipedia ho ao anatin'ny lisitra maintin'ny aterineto, araka izany dia tsy olana ny milaza fa hitohy hahita hevitra mahaliana hatrany ireo tranonkala ireo hihodinana ny sivana sy hijanonana ho azon'ny Rosiana idirana—ary dia hikaroka antony vaovao hatrany ny Roscomnadzor mba hanakanana azy ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.