Nofoanan'i Ekoatora Ny Vizà (fahazoan-dàlana) Ho An'ilay Frantsay-Breziliana Mpanao Gazety Niharan'ny Herisetra Nandritry Ny Fihetsiketsehana

Screen Shot 2015-08-15 at 4.18.55 PM

Pikantsary mampiseho ny fampiasàna hery nataon'ny polisy nisambotra an'i Manuela Picq, Frantsay-Breziliana mpanao gazety, 13 Aogositra.

Notazonina, nodarohana ary norahonana ny horoahana : niaina ny lafiny henjana tamin'ny rafitra politikan'i Ekoatora ilay Frantsay-Breziliana mpanao gazety, Manuela Picq, taorian'ny nanatrehany famoriam-bahoaka iray nanoherana ny governemanta tamin'ity volana ity, nataon'ireo mpitarika sendikà sy mpitarika indizena.

Tamin'ny herinandro lasa, na dia nandà ny fangatahan'ny manampahefana handroaka an'i Manuela Picq aza ny mpitsara iray, tamin'ny famerenana ilay fanapahankevitra ho averina dinihan'ny Minisiteran'ny Atitany, nifidy ny handao ilay firenena i Picq, tamin'ny fanomezana toky fa hiverina ary hiady ny adiny aoriana kely ao.

Tamin'ny fomba manafintohina, nambaran'ny governemanta fa efa ela no lany andro ny Vizà tany amin'i Picq, midika fa nipetraka tsy ara-dalàna tao amin'ny firenena izy :

La certificación de movimientos migratorios indica que Manuela Picq registra el ingreso al país, el 26 de febrero del 2012, con una visa 12 VIII, y un plazo de 180 días para su permanencia. La visa que la ciudadana extranjera mantenía actualmente se encuentra revocada por parte del Ministerio de Relaciones Exteriores.

Ny fanamarihana avy amin'ny fivezivezena eny an-tsisintany dia mampiseho fa tamin'ny 26 Febroary 2012 i Manuela Picq no niditra tao amin'ny firenena, tamin'ny alàlan'ny Visa 12 VIII manankery mandritry ny 180 andro. Ilay vizà ho an'ilay teratany vahiny izay efa nolavin'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany.

Ny tatitra ofisialy momba ny fisamborana an'i Manuela Picq tao amin'ny pejin'ny tranonkalan'ny Minisiteran'ny Atitany Ekoatoriana dia milaza fa niharan'ny herisetran'olona tsy fantatra ilay mpanao gazety tamin'ny fotoana nahatongavan'ny polisy teo aminy mba hamonjy sy hanome tohana medikaly sy ara-tsaina ho azy.

Nizara lahatsary iray ny gazety El Comercio ka ao anatiny no afaka ahitàna mazava tsara ny toerana fihazonana ao afovoan-tanànan'i Quito renivohi-pirenena :

Vokatr'izany dia nentina tany amin'ny Hopitaly Eugenio Espejo i Picq — mpandray anjara eny amin'ny anjerimanontolo ary mpiara-miasa tsy tapaka amin'ny Al Jazeera. Tamin'ny 11 ora alina, ora ao an-toerana, manamboninahitra dimampolo avy amin'ny polisy no tonga teo ivelan'ny efitrano fandraisana vonjy aina.

Tamin'ireo manamboninahitry ny polisy, nisy ny nirongo kibay sy ampinga fitondra rehefa mandrava korontana, hoy ny tatitry ny gazety El Comercio.

Ao anatin'ny lahatsary eto ambany, polisy no nandrakitra azy, hazavain'i Picq fa nahazo tohana avy tamin'ny Polisim-Pirenena sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-Bahoaka izy ary tsy niteny mihitsy momba ny fisian'ny resaka herisetra.

Ny andro manaraka anefa, nanoratra i Picq tao amin'ny pejiny Facebook hoe nofoanana ny vizà teny aminy.

Nilaza fisianà herisetra nataon'ny polisy ilay mpanao gazety, izay efa nipetraka nandritry ny valo taona tao Ekoatora, raha nitafa tamin'ny gazety El Comercio:

Mi visa caduca el 28 de este mes y es anual, que se renueva cada año. Es un documento totalmente legal, vigente que fue cancelado de forma arbitraria y abrupta esta mañana. Ayer, yo no estuve ilegal y me arrestaron sin ninguna razón, nunca me detuvieron con motivos… En lo humano, lo que siento es una mezcla de varias cosas. Me dieron un toletazo en la cara; perdí la visión del ojo izquierdo por varias horas ayer noche, por suerte estoy bien. Me golpearon duro, me trataron como criminal solo por caminar en las calles.

Amin'ny faha-28 amin'ity volana ity no tapitra ny vizà ananako ary azo havaozina herintaona. Azo antoka fa antontan-taratasy araka ny lalàna sy manan-kery no nofoanana tamin'ny fanampàrana fahefana sy tampoka tamin'ity maraina ity. Omaly, tsy nipetraka tamin'ny fomba tsy ara-dalàna izany aho ary dia nosamborina tsy amin'antony, tsy nisy antony tokony ho nihazonana ahy…Amin'ny maha-olombelona, zavatra maro mifangaroharo no tsapako; tratry ny vely basy teny amin'ny tavako aho, ny alina ny masoko havia dia tsy nahita nandritry ora maromaro, soa ihany fa tsy maninona aho. Ratsiratsy ihany ny daroka nanjo ahy, nentina toy ny fitondra olo-meloka ny nanaovana ahy, noho ny fandehanana fotsiny teny an'arabe.

Avy hatrany dia tonga tany amin'ny fanangonan-tsonia tao amin'ny Change.org ny raharahany, teo ambanin'ny lohateny hoe Atsaharo ny Fandroahana an'i Manuela Picq.

Nalefa ho an'ny Filoha Rafael Correa ilay taratasy, izay fampanenoana lakolosy fanairana momba ireo herisetra natao an'i Picq, ary efa nahazo sonia maherin'ny 8.000.

Ao aminn'y bilaogy Periodismo de las Américas, nanoratra i Natalia Mazotte hoe :

La hostilidad hacia los periodistas, medios de comunicación y activistas se ha incrementado en Ecuador, y los ataques a la libertad de expresión son cada vez más frecuentes. La ONG Fundamedios en su informe ‘Víctimas del clima de hostilidad en Ecuador’ mostró un aumento en los ataques contra la prensa y activistas”.

Nitombo ny habibiana atao amin'ireo mpanao gazety, ny media sy ireo mafàna fo  ao Ekoatora, ary lasa mateti-pitranga ny famelezana ny fahalalahana maneho hevitra. Ny ONG Fundamedios, ao anatin'ny tatitra nataony Ireo Nianjadian'ny Vanimpotoan'ny Habibiana tao Ekoatora dia mampiseho ny fitomboan'ny famelezana ny media.

Mety ho noho ny fifandraisany amin'i Carlos Pérez Guartambel, ilay indizena mpitarika malaza be hita teny amin'ny hetsi-panoherana no anton'ny olana mahazo an'i Picq.

Guartambel no mitarika ny Kaonfederasionan'ny Vahoaka Kichwa ao Ekoatora (Ecuarunari) sady koa mpiara-dia amin'i Picq eo amin'ny fiainana. Ecuarunari dia mifandray aminà hetsika indizeana goavana be, ny (Conaie) Kaonfederasionan'ireo Indizena ao Ekoatora no misolo tena azy, izay manohana ny antson'ireo mpiasa hanao hetsi-panoherana.

Ilay mpitarika ireo indizena, izay nandranitra ny governemanta ihany koa tamin'ny nitarihany ny fanoherana ireo tetikasa maro fitrandrahana harena ankibon'ny tany, dia niteny tamin'ny mpanao gazety fa tafiditra anatin'ny fampielezankevitra noketrehan'ny governemanta ho fampitahorana sy fandemena azy sy ny fikambanana misy azy ny zavatra manjo an'i Picq amin'izao fotoana izao.

Olona maherin'ny 70 manerana ny firenena no voasambotra noho ilay famoriam-bahoaka.

Nanambara i Manuela Picq hatreto fa hiezaka ny haka vizà hiverenana any Ekoatora ary hametraka fitoriana hanenjehana ny governemanta eo anoloan'ny Fitsaràna momba ny Zon'Olombelona Iraisan'ireo Ao Amerika, mba hanaovana fanadihadiana ny heloka bevava fanitsakitsahana ny zo omen'ny lalàm-panorenana sy ny fifindrà-monina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.