Mahazo Fitiavana Maro Avy Any India Ny Filoha Tale Jeneralin'ny Google, Sundar Pichai

Sundar Pichai, the new CEO of Google, speaking at the Mobile World Congress 2015 in Barcelona as the senior vice president of Android, Chrome and Apps. Image by Charlie Pérez. Copyright Demotix (2/3/2015)

Sundar Pichai, Filoha Tale Jeneraly vaovao an'ny Google, niteny Tamin'ny Kongresy Manerantanin'ny Finday 2015, tany Barselona, amin'ny maha-filoha lefitra zokiny amin'ny Android, Chrome sy Apps azy. Sary avy tamin'i Charlie Pérez. Fizakàmanana Demotix (2/3/2015)

Mifantoka any amin'ilay Filoha Tale Jeneraly vaovaon'ny orinasa, Sundar Pichai, 43 taona, daholo ireo maso any India, satria manao fanovàna lehibe amin'ny fanokafana orinasa vaovao lehibebe kokoa atao hoe Alphabet ny Google.

Olona an-jatony sy an'arivony no nifaly tamin'ny media sosialy raha tafiakatra teo amin'ny toerana matanjaka indrindra, ao amin'ny orinasa lehibe indrindra manerantany, Google, ilay teratany Indiana Pichai.

Tsy andry ny hitafatafa an-kafaliana tamin'ireo mpifanila vodirindrina amin'i Sundar Pichai, sy fisehon'ny fizaràna zavamamy ao amin'ny tanàna nahaterahany.

Ao i Satya-m (Nadella). Ao i Sundar-am (Pichai). i Shiv-am sisa no ilaina hamenoana ny Desi Trinity! 😝 #SundarPicha

Lasa Filoha Tale Jeneraly Vaovaon'ny Google i Sundar Pichai, Ary Hanihany Tokana Ihany No Eritreretin'ny Aterineto Indiana

Pichai, teraka Pichai Sundararajan, nitombo tao aminà trano misy efitra roa, niaraka tamin'ireo ray aman-dreniny, Lakshmi sy Regunatha, tao Madras (Chennai ankehitriny) tao amin'ny fanjakàna Indiana, Tamilnadu.

Manana ny maripahaizana Bakalorea amin'ny Teknolojia avy tao amin'ny Ivon-toerana Indiana ho an'ny Teknolojia Kharagpur, “Maitrise” tao amin'ny Anjerimanontolon'i Stanford ary MBA tao amin'ny Anjerimanontolon'i Wharton School any Pennsylvania. Taorian'ny nahazoany ilay toerana ambony, nahazo fitiavana lehibe tokoa avy tamin'ny firenena nipoirany sy ny fanjakana i Pichai, izay tsy mba fanta-bahoaka loatra tany India.

Misy adinà fanoratana goavana tokoa ao amin'ny lahatsoratra Wikipedia momba azy– eo amin'ireo vondrona roa avy aminà sekoly roa samy hafa — milaza fa nahazo ny alma mater tao aminy izy talohan'ny nidirany tao amin'ny Ivon-toerana Indiana amin'ny Teknolojia, Kharagpur.

Ramose hajaina @sundarpichai, imbetsaka nisy nanova androany ny anaran'ny sekolinao ao amin'ny Wikipedia, samy tia hanana anao ho mpianatra tao aminy teo aloha daholo ny rehetra

Nisaotra ny rehetra tamim-panetren-tena sy feo malefaka i Pichai:

Tena maha-safononoka tokoa ny mahita valin-kafatra feno fitiavana sy mahafinaritra avy amin'ireo namana, mpiara-miasa ary olon-kafa maro avy any ivelany – fisaorana eram-po.

Nisy mihitsy aza ny mpampiasa Twitter nizara sarin'i Pichai nasiam-panovàna, mba hifalifaliana fotsiny:

Pic 1: Sundar Pichai (afaka manambara ihany koa hoe “sary tsara” amin'ny fiteny Indiana maro), Pic 2: Sary ratsy

Mpampiasa Twitter iray, Gabbar, nandefa hanihany momba ny fahombiazana goavan'i Pichai, nanisy teny ny “Rajnigandha” izay milaza fa hitondra fahombiazana ny fitsakotsakoany ny siligaoma manome hanitra ao am-bavany :

Gaga aho hoe Indiana maro no tafiakatra ho filohan'ireo fikambanana Manerantany maro kanefa tsy mitsakotsako Rajnigandha Paan Masala akory.

Ny vinan'i Pichai

Haingana, taorian'ny nidirany tao amin'ny Google ny taona 2004, lasa hery ao ambadik‘ilay fivoriana isan-taona Google I/O fanaon'ireo mpanoratra rindrambaiko i Pichai, ary izy no nitantana ny fisahanana ny vokatra Google Chrome, Chrome OS ary Google Drive.

Namaly izao i Pichai, taminà lahatsary tafatafa momba ny “Verge” ny volana Jona, raha nanontany azy ny mpanontany hoe ahoana ny fihetseham-pony amin'ny hoe “miezaka ny manome ny olona rehetra solosaina matanjaka any am-paosiny i Google”:

[..] Ny zavatra tena manintona ahy amin'ny Google sy amin'ny Aterineto amin'ny lafiny rehetra, dia izy mpampitovy lenta lehibe, ary amiko, tena variana tamin'ny fomba fiasan'ny Google search foana aho hatrizay hoe mitovy foana ny tolotra omeny rehefa tafiditra amin'ny solosaina misy Aterineto ianao, na ankizy any ambanivohitra rehetra any ianao, na mpampianatra ao amin'ny Stanford na Harvard [..]

Namaly izao indray i Pichai raha nanontaniana momba ny “sampana samihafa ao anatin'ny Google izay manao zavatra tsy eritreretina”:

Ataonay izy ireny, satria mino izahay fa manana andraikitra lehibe izay mitombo lalandava amin'ny famahàna oloana ny rindrambaiko, izay zavatra tsy nataony teo aloha. Noho izany, amiko, rehefa mijery fiara aho, mandany fotoana tena betsaka tokoa amin'ny fiara ny olona, fitaovana tena tsy mba ampiasaina tsara ireny[…] Latsaky ny 10 isan-jato amin'ny tokony hampiasan'ny olona azy. Itanay ireny olana ireny ary hoy izahay hoe afaka mamaha io olana io amin'ny sehatra midadasika ve izahay, ary misy anjaran'ny rindrambaiko sy ny fahalalàna ara-informatika ve amin'io ? Raha toa ka toy ny mikendry ambony loatra na adaladala ilay ezaka, dia mandray fomba fiasa voarindra tsara izahay, eritreretina toy ny asa rehetra izy ireo fa mijery ny tena lavitra ezaka izahay, amin'ny fomba tena voarindra tsara. Mety ho lavitra ezaka be ny fikarohanay ary ataonay indrindra izany ao anatin'ny fikarohana[..] tsy fantatray mihitsy raha ho tanteraka ho lasa fampiasa azo ampiharina ny sasany amin'izy ireny, nefa tinay ny hanosika ny teknolojia.

Larry Page, Filoha Tale Jeneralin'ny Google teo aloha, ary Filoha Tale Jeneralin'ny Alphabet ankehitriny, nanambara momba io fiovàna lehibe io tao amin'ny bilaogin'i Google, toa milaza fa hiompana amin'ireo tetikasa goavana miaraka amin'ny Google ny Alphabet, amin'ny fanohizana hatrany ny fitaovam-pikarohany sy ireo vokatra hafa:

Tena nientanentana be tamin'ny fivoarany sy ny fanokanan-tenany ato amin'ny orinasa izaho sy i Sergey. Ary mazava ho anay sy ny ekipanay hoe efa fotoanan'ny hiakaran'i Sundar ho Filoha Tale Jeneralin'i Google izao. Tena mahatsapa ho manam-bitana aho manana olona manan-talenta toa azy, hampandeha ny Google izay somary nitsotsorika kely ihany, ary manome ahy fotoana malalaka hanohizana hatrany ireo zava-kinasanay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.