Mitondra An-Tapitrisa Ho An'ireo Mpamboly Any Afovoan'i Nepal Ny Vakan'i Bouddha

Monk's prayer beads, Sera Monastery. Image by Flickr user Swetha R. Used under a CC license BY-ND 2.0

Vakam-pivavahan'ny mpitondra fivavahana, Monasteran'i Sera. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Swetha  R. CC 2.0.

Tanaty vaovao iray azo antoka fa hahafaly ny Bodista sy ireo mpandinika zavamaniry maneran-tany, karazan-kazo iray ao afovoan'i Nepal nofaritana ho kazarany vaovao ny Ziziphus budhensis, izay ny voa avy aminy no ampiasain'ny Bodista hanaovana vakam-pivavahana.

Izao no ambaran'ny lahatsoram-pikarohana  iray nosoratan'i Khem Raj Bhattarai sy Mitra Lal Pathak ao amin'ny Journal of Plant Sciences Indiana :

Sarobidy ireo voa ary ampiasaina hanaovana girlandy.  Ampiasain'ny Bodista amin'ny fanompoam-pivavahana mba ‘ hahafaly ny Tompo Bouddah’ sy ho fiadanan'ny fanahy ary antsoin'ny ao an-toerana hoe Bodhichita ilay girlandy vita amin'ny voa madinika. Lafo vidy kokoa noho ny voa  lehibe ny voa madinika, ary misanda hatramin'ny 8 alina ropia nepale ( eo ho eo amin'ny 800 dolara) ny girlandy misy voa madinika 108.

Hatramin'izao dia any amin'ny faritra kelin'i Kavreplanchok ihany no ahitana ilay hazo antsoin'ny Bodista hoe Bodhichitta, Buddhachitta no ahafantaran'ny any an-toerana azy. Any Nepal irery ihany no ahitana io hazo io, tsy hita na aiza na aiza.

Ankoatra izany, ambaran'ny fikarohana fa tena samy hafa amin'ireo karazana Ziziphus maniry efa fantatra any Nepal ny Buddhachitta, ary tsy mitovy amin'ireo karazana Ziziphus hita any India, Bhutan, Bangladesh ary any Shina.

Noho ny finoan'ny olona ny momba ilay vakana dia betsaka no mitady ny hazo sy ireo voa vokatra, miaraka amin'ny fidangan'ny vidin'ny voa mandra-pihevitra azy ho zava-poana tsy ela akory izay. Rakitra sarobidy any India, Shina, Singapore, Japana ary Korea izy ireny amin'izao fotoana izao.

Naondrana tany amin'ireo firenena ireo ny vakam-pivavahana araka ny tatitra farany :

25 lakhs no sandan'ny iray pathi (3.2 – 3.6 Kgs) amin'ny Buddhachitta maniry any Kavre.

Araka ny lovan-tsofina, tamin'ireo zavamaniry telo navelan'ny Tompo Bouddah nandritra ny fivavahany, dia maty ny tany Lumbani sy Namobudhha any Kavre fa ilay hany tokana any amin'ny faritr'i Timal, ao Nepal, no velona—navela ho an'ny olona amin'izao fotoana izao.

Amin'ny tantara iray hafa, namela hazonà Bodhichitta iray ilay Guru Tibetana Padma Sambhav tamin'ny fotoana nivavahany tany Kavre

Nanomboka tamin'ny nilazan'ny Dalai Lama efa-taona lasa izay fa tsara kalitao ny Budhhachitta avy any Nepal, no nampiakatra be ny fampisana, ny fitadiavana, ny laza ary ny vidin'ny vakam-pivavahana araka ny notaterin'ny Setopati.

Mirehareha amin'ny varotra Buddhachitta misanda iray lavitrisa ropia Nepale (9,8 tapitrisa dolara) ny faritr'i Timal. Indraindray mahazo ropia an'hetsiny maro amin'ny hazo iray lafo ny mpamboly Buddhachitta any an-toerana.

Arakaraky ny fitombon'ny varotra no mampitombo ny loza mananontanona. Noho ny tahotra ny halatra dia nanomboka nanofa angidimby hanangonana ny voanà Budhhachitta avy any amin'ny mpamboly ny mpivarotra, araka ny tatitra nataon'ny vavahadin-tserasera malaza amin'ny aterineto Onlinekhabar:

Angidimby hofaina hividianana Buddhachitta!

Nanomboka natory teny ambanin'ny hazo mba hiarovana ny voa amin'ny halatra ireo mpamboly Buddhachitta sasany araka ny tatitry ny  Nagariknews.

Mandany ny alina eny ambanin'ny hazo Budhhachitta

Nanomboka namboly hazo betsaka kokoa amin'ny taniny ireo mpamboly noho ny tombony azo amin'ny Buddhachitta. Lazain'ireo mpikaroka anankiroa, i Bhattarai sy i Pathak, fa malalaka ny fahafahana mampiroborobo ny fambolena ara-barotr'ity karazana ity, miteraka  loharanom-bola mitosatosaka.

Raha mbola variana amin'ny momba io hazo mahagaga io ny olona, dia efa vonona hanazava ny lafiny ara-pivavahana,  ara-kolontsaina,  ara-tsiansan'ny Budhhachitta ilay fanadihadiana ho avy “Beads of Meditation” na ‘vakam-pivavahana

Fanadihadiana momba ny Buddhachitta

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.