Hahazo Ny Rariny Ihany Ve Ireo Niharam-boina Tamin'ny Fitondrana Jadon'i Pinochet?

Este era el nicho en el cual fue sepultado Victor Jara, posteriormente a los estudios forenses en 2009, fue trasladado a la tumba definitiva. Photo taken from the Flickr account of Claudio Quezada under Creative Commons licence.

Ankany misy ny vatana mangatsiaka an'ilay Shiliana mpamoron-kira sady mpikatroka, Victor Jara. Sary nalaina tao amin'ny kaonty Flickr an'i Claudio Quezada. Creative Commons licence.

Tamin'ny herinandro lasa no niseho ny fisamborana ireo miaramila manampahefana Shiliana 17 teo aloha noho ireo heloka bevava malaza indrindra nitranga nandritra ny fitondran'i Augusto Pinochet: ny famonoana feno herisetra an'i Víctor Jara, mpiangaly mozika sy mpanohana ny kaominista, sy ny fandoroana ireo mpikatroka roa.

Olona voarohirohy folo no voampanga tamin'ny famonoana an'i Jara taorian'ny fijoroana vavolombelona nataona miaramila iray mpanao ampamoaka. Fito hafa koa voampanga ho nandoro ireo mpikatroka roa, izay namoy ny ainy ny iray ary naratra mafy ny iray hafa.

Tamin'ny 1973, naongan'i Pinochet ny filoha sosialista Shiliana  Salvador Allende, manamarika ny fiandohan'ny fitondrana jadona miaramila naharitra 17 taona izay olona maherin'ny 3.000 no namoy ny ainy ary an'aliny ireo nofonjaina sy nampijaliana.

Iray amin'ireo gadra niharam-boina nentina tao amin'ny Kianja Nasionaly ao Santiago i Jara, nampijaliana tao izy, notapahana ny rantsa-tanany ary notifirina tamin'ny bala 44 ny vatany. Mpikatroka ara-politika ihany koa ity poeta sady mpihira ity izay niandany tamin'ny antoko ankavia, sarangan'ny mpiasa. Nosamborina i Jara fotoana fohy taorian'ny  fanonganam-panjakana ary novonoina tamin'ny 16 Septambra.

Tamin'ny 1986, nodarohana sy notondrahana lasantsy ary nodoran'ireo miaramila manamboninahitra mbola velona i Carmen Gloria Quintana sy Rodrigo Rojas, 18 sy 19 taona. Namoy ny ainy i Rojas efatra andro taty aoriana ary simba tanteraka kosa ny tarehin'i Quintana ary mila atao fandidiana lehibe. Samy mpikatroka ara-politika ireo niharam-boina roa ireo ary teo am-panangonana tahirinkevitra momba ny fitokonana sy ny fihetsiketsehana manohitra ny jadon'i Pinochet. Nafenin'ny miaramila ny zava-nitranga ary nampangain'i Pinochet ho nandoro-tena tamin'ny fanaovana baomba tamin'ny solika izy roa ireo.

Nandritra ny telopolo taona teo ho eo, nampilamindamin-dratsy ireo nahavita heloka ho tsimatimanota ny dinam-pahanginana teo amin'ny miaramilan'ny tafik'i Pinochet. Na izany aza, nanitsakitsaka ny fifanarahana i Fernando Guzmán, miaramila 18 taona tamin'izany fotoana izany raha hiezaka hitondra ny rariny ho an'reo niharam-boina sy ny fianakaviany.

Quintana nilaza tamin'ny mpanangom-baovao hoe:

I think this pact of silence breaking apart after so many years is a milestone for our country. It's a before and after in the struggle for human rights. From now on many more soldiers who are burdened by their conscience, will talk because they know what they did. They murdered and forcibly disappeared people.

Mino aho fa zava-dehibe hoan'ny firenentsika ity fandrovitana ny dinam-pahanginana naharitra taona maro ity. Hanasaraka ny taloha sy ny taoriana eo amin'ny tolona hanandratana ny zon'olombelona izany. Manomboka izao dia hiha-maro ireo miaramila vesaran'ny  feon'ny fieritreretany hiloa-bava satria mahafantatra izay nataony izy ireo. Namono olona sy nampanjavona olona an-katerena izy ireo.

Niantso ny fivoaran'ny raharaha mikasika ny vadiny ho “hafatry ny fanantenana” i Joan Turner Jara, vadin'ilay mpihira:

Víctor’s case can serve as an example, so we’re pushing forward in demanding justice for Víctor with the hope that justice will follow for everyone.

Azo raisina ho ohatra ny raharaha Victor, koa mandroso hatrany isika amin'ny fitakiana ny rariny ho an'i Víctor ary manantena fa hanaraka ho azy hoan'ny tsirairay ny rariny.

Niditra media sosialy ny olona maneran-tany mba haneho hevitra amin'ny fiampangana.

Mpanao gazetin'ny Guardian, Jonathan Franklin manoratra hoe:

Miaramila Shiliana 10 Voampanga ho Namono ilay mpihira tiam-bahoaka, Victor Jara….. mety hoe miadam-pandeha ny fitsarana Shiliana, saingy hentitra.

Mpanao Politika Shiliana, María Antonieta Saa, naneho ny tahony momba ny zava-nitranga tamin'ny fotoana lasa :

Ny fahitana indray an'i Pinochet amin'ny fahitalavitra manome fisalasalana mikasika ny fahafatesan'i Rodrigo Rojas De Regri dia mahatonga antsika hahatsiaro ny tahotra niainana tamin'izany. Fahamarinana sy Rariny.

Araka ny fanamarihan'i Joan Turner Jara, azo antenaina fa pejy vaovao amin'ny ady hahazoan'ireo niharam-boina rariny an'i Pinochet ity. Mety hanampy hahitana ny marina momba ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny fitondran'i Pinochet ity famoaham-baovao eo anivon'ny miaramila ity.

Araka ny tarehimarika ofisialy, olona 40.018 no niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny fotoana nitondran'i Pinochet raha 3.065 kosa no nisy namono sy nanjavona.

Nifarana tamin'ny fandresena miezinezina tamin'ny 1988 ny fitondran'i Pinochet naharitra 17 taona, rehefa nahatratra 56% ny olona nandrotsa-bato nanohitra ny mbola hitondrany amin'ny mahafiloha azy ka nitarika nankany amin'ny fifidianana demaokratika ny Filoha vaovao sy ny Kongresy vaovao. Nosamborina tao Londra tamin'ny alalan'ny didy fampisamborana iraisampirenena ny filoha jadona teo aloha tamin'ny 10 Oktobra 1998 noho ireo lazaina ho fanitsakitsahana zon'olombelona maro. Niverina tany Chile izy tamin'ny Marsa 2000. Tamin'ny 2004 ny Shiliana mpitsara iray no namoaka didy fa afa-miatrika fitsarana sy azo apetraka hotazonina amin'ny trano manokana i Pinochet.

Maty tamin'ny 10 desambra 2006 i Pinochet — izay toy ny maneso ihany fa tamin'ny Andro Iraisampirenen'ny Zon'Olombelona — rehefa nampidirina hopitaly noho ny fijanonan'ny fitempon'ny fo. Tsy voaheloka mihitsy tamin'ireo raharaha manodidina ny 300 isa niampangana azy izy ka anisan'izany ny fanaovana hosoka amin'ny hetra, ny fanodikodinambola, ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.