Ireo Lalànan'Aterineto Rosiana ‘Henjana dia Henjana’ Tsy Raharahian'ny Manampahaizan'ny Indostria ao An-toerana

Russian online industry seems to largely ignore the country's Internet legislation. Image by Peter on Flickr. CC BY-SA 2.0.

Toa minia tsy mijery ny lalàna misahana ny aterineto ao amin'ny firenena ny indostria an-tserasera rosiana. Sary nataon'i Peter ao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0.

Lohahevitra mampiahiahy indrindra ireo mpisolovavan'ny fahalalaham-pitenenana, mpandrafitra ny politika ary ny ankamaroan'ny mpiserasera aterineto ny lalàna rosiana misahana ny aterineto. Nitatitra matevina ny sasantsasany amin'ireo lalàna vaovao ifehezana ny fandraharahana sy ny fifandraisana an-tserasera izay efa manankery na efa akaiky dia akaiky ny mampanakery azy ny akon'ny RuNet. Tao ny lalànan'ny blaogera, ny lalàna iadiana amin'ny extremisma an-tserasera, ny lalànan'ny fametraham-pangitra ny tahirinkevitra, ny lalànan'ny “zo hohadinoina“—ary mbola mitovana hatrany izany lisitra izany.

Eo amin'ny vohony dia ratsy ny fijery ireo lalàna ireo: mametra ny fahalalaham-pitenenana, mangataka ny mpisera hamoaka fampahafantarana manokana momba ny tena, ary mametra fatratra ny toerana ahafahan'ny orinasan'aterineto mitahiry ny mombamomba ireo mpiserasera. Saingy misy ireo manampahaizana manokana miantso ireo lalàna ireo ho misavoritaka sy feno banga, raha milaza kosa ny hafa, fa amin'ny tranga sasantsasany dia tsy azo tanterahina fotsiny izao ny takian'ny lalàna.

Ny mpandray ny fitarainan'ny olompirenena amin'ny resaka aterineto ao Rosia nanendrena an'i Dmitry Marinichev dia tsy mitsahatra ny mitsikera ny lalànan'ny fametraham-pangitra ny tahirinkevitra, raha etsy ankilany lazain'ny orinasan'ny mili-pitadiavana votoaty goavana indrinda ao Rosia, Yandex, ho “tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana” ny “zo hohadinoina.” Tamin'ny voalohany volana aogositra, tsingerintaona voalohany ny lalànan'ny blaogera, dia nitatitra ny rantsana mpanaramaso ny fifandraisana ao Rosia, ny Roscomnadzor, fa ny rejisitry ny blaogera malaza (izay natao hanangonana ireo blaogy sy pejy media sosialy manana mpijery mihoatra ny 3000 isan'andro) dia tsy nahangona afa-tsy iditra 640 monja.

Saingy mba tahaka ny ahoana moa izany ny fahafantaran'ny fikambanana an-tserasera ireo fepetra “henjana dia henjana” ireo? Fitsapan-kevitra iray natao vao haingana tamin'ireo manampahaizan'ny indostria an-tserasera ao Rosia, notarihan'ny Fikambanana Rosiana misahana ny Fifandraisana Elektronika (RAEC), no nampiseho fa maro amin'ireo manampahaizana ireo no tsy nandre mihitsy ny sasantsasany ami'ireo lalàna ireo. Olona iray monja amin'ny matihanin'ny aterineto enina no efa nahavaky ny lalàna iray manontolo, araka ny hita tao amin'ny fitsapan-kevitry ny RAEC. “Tsy gaga aho raha tsy mihazakazaka hahalala hatramin'ny fakany momba ny fitsipika arahina amin'ny aterineto ny olona,” hoy i Karen Kazaryan, mpamakafaka iray miaraka amin'ny RAEC, tamin'ny sampana mpanangom-baovao RBC. “Ny ampahany maro amin'ireo indostrian'ny aterineto no miezaka ny hijoro tahaka ireny hoe tsy mihatra amin'izy ireo ny lalàna.”

RAEC survey

Araka ny hita, tsy maro ireo manampahaizana ao amin'ny indostria no tena nahavaky ireo lalàna mifehy ny RuNet. Fira nataon'i Tetyana Lokot.

RAEC, fikambanana iray tsy miankina amin'ny governemanta mampivondrona orinasan'aterineto sy fifandraisana mihoatra ny zato miasa ao Rosia, no namoaka ny valin'ny fitsapan-kevitra ho ao anatin'ny tatitry ny “Internety ao Rosia” fanao isan-taona. Araka ny valin'ny fitsapan-kevitra, fantatr'ireo manampahaizan'ny indostria ny kely indrindra mametra ny fandoavam-bola an-tserasera : 10,7 isanjato no tsy mahalala ny fisian'ilay lalàna akory. Namelona lakolosy ny lalàna momba ny extremisma (izay ampiasaina matetika amin'ny votoaty an-tserasera), saingy 51,8 isanjato monja amin'ireo manampahaizana no tsy namaky manontolo na tamin'ny ampahany ny lahatsoratra. Ny mampanahy be indrindra Ireo manampahaizana nanontanian'ny RAEC dia teo amin'ny lalànan'ny fametraham-pangitra ny tahirinkevitra, izay 28,5 isanjato tamin'ny manampahaizana no nahavaky azy manontolo.

Raha miteraka olana sy mitaky fanerena tsy mitsahatra avy amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy mpiaro ny mpanjifa ireo lalàna, ary voatosi-bohontanan'ny indostria ihany koa, dia mbola mila fantarina ny hoe ahoana no mbola ahafahan'ireo matihanina sy manampahaizan'ny an-tserasera ao Rosia tsy miraharaha ireo fepetra ireo. Raha jerena amin'ny tombontsoa ara-pandraharahana sy ny fanirian'i Rosia hanatsara ny toekarena, dia azo atao ihany ny miteny tsy voantohintohina fa manana vahoho kokoa ny fandraharahan'ny aterineto noho ireo mpiserasera aterineto tsotra, izay tsy voaaro, raha ny amin'izao fotoana, amin'ny fiantraikany ara-pitsarana amin'izay nosafidian-dry zareo atao an-tserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.