Lehiben'ny voanjo taloha tao Morondrano Andrefana no notendren'i Isiraely ho ambasadaorony vaovao ao Brezila

Daniel Dayan, former chairman of the West Bank settlement council. Photo: Wikimedia Commons

Daniel Dayan, filoha teo aloha tao amin'ny vaomieran'ny fanomezan-tany ny voanjo ao Morondrano Andrefana (Cisjordanie). Saripika: Wikimedia Commons

Nanendry mpisolovavan'ny voanjo manana ny lazany antsoina hoe Dani Dayan ho masoivohony vaovao ao Brezila i Isiraely. Nanohitra ampahibemaso ny vahaolana fametrahana firenena roa i Dayan ary efa nilaza tamin'ny gazety fa ‘izay manao izany dia na tsontsa fisainana na mpandainga’.

Nankato tamin'ny fomba ofisialy ny fijoroan'ny fanjakana Palestiniana i Brezila tamin'ny 2010. Na izany aza dia tsy nifandray feno ara-diplaomatika tamin'ny Palestiniana i Brezila.

Taorian'ny fampiasana hery tafahoatra nandritra ny fanafihana israeliana tao Gaza tamin'ny jolay 2014, dia nampiantso ny masoivohony tao Tel Aviv ho anontaniana i Brezila. Nahatonga ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Isiraeliana Yigal Palmor halahelo tamin'ny fanapahan-kevitr'i Brezila izany ary nantsoiny ho “hakelezana diplaomatika” sy “mpiara-miombon'antoka diplaomatika diso toerana”.

Nohamafisin'ny praiminisitr'i Isiraely Benjamin Netanyahu tao amin'ny Twitter ny fanendrena an'i Dayan :

Notendreko ho ambasadaoro any Brezila i @dandayan. Matoky aho fa ho afa-manamafy ny fifandraisana eo amin'i Brezila sy i Isiraely izy.

Fiaviana Arzantina i Dani Dayan, 59 taona, ary mijoro ho iraka vahiny ao amin'ny Vaomiera Yesha, fikambanana iray mampiroborobo ny fametrahana voanjo ao amin'ny Morondrano Andrefana [Jordana] ary talohan'ny 2005 dia tao amin'ny Tetezantanin'i Gaza ihany koa. Niasa ho filohan'ny fikambanana izy tanelanelan'ny taona 2007 ka hatramin'ny taona 2013.

Tamin'ny 2012 izy dia nanasonia matoandahatsoratra iray tao amin'ny New York Times nitondra ny lohateny hoe “Settlers are here to stay” [tonga eto honina ny voanjo], ka ao no nandreseny lahatra amin'ny “handrombahany ara-drariny” ny Morondrano Andrefana (Cisjordanie) sy ny Tetezatanin'i Gaza tamin'ny 1967 sy ny “fitakiana ara-maoraly” ananany amin'ireo toerana ireo:

Giving up this land in the name of a hallowed two-state solution would mean rewarding those who’ve historically sought to destroy Israel, a manifestly immoral outcome.[…] The insertion of an independent Palestinian state between Israel and Jordan would be a recipe for disaster. The influx of hundreds of thousands of Palestinian refugees from Syria, Lebanon, Jordan and elsewhere would convert the new state into a hotbed of extremism. […] The American government and its European allies should abandon this failed formula once and for all and accept that the Jewish residents of Judea and Samaria are not going anywhere.

Ny mitolo-batana amin'ny fanamasinana ny vahaolan'ny fampijoroana fanjakana roa dia ho fanomezam-balisoa izay efa nitady ara-tantara ny hanapotehana an'i Isiraely, vokatra tsy ara-maoraly velively […] Ny fanasisihana fanjakana palestiniana mahaleo tena anelanelan'i isiraely sy i Jordania dia fitolorana mankany amin'ny loza. Ny fironan'ny mpialokaloka avy any Syria, Libanona, Jordania ary ny toeran-kafa dia hanova ny fanjakana vaovao ho fandria-mafanan'ny extremisma. […] Tokony handao indray mandeha tsy miverina io raikipohy tsy mamely io ny governemanta Amerikana sy ny Eoropeana mpiara-dia aminy ary hanaiky fa ny jiosy mpoina ao Jodia sy Samaria dia tsy handeha amin'ny toeran-kafa.

Manohitra ampahibemaso ny fanafihana mahery vaika ataon'ireo Isiraeliana voanjo hiringiriny i Dayan, tahaka ny fanafihana tamin'ny herinandro teo izay nahafatesana zaza Palestiniana 18 volana sy nandratra ny fianakaviany. Nilaza izy fa ireny fanafihana ireny dia handratsy endrika ny fiaraha-mientan'ny voanjo.

Ho an'ny fikambanana Isiraeliana tsy mikatsaka tombombarotra Peace Now, manana ny taleny ho i Yariv Oppenheimer, izay manohana ny vahaolan'ny fampijoroana fanjakana roa, dia lasa karazana ‘endrika misaina’ ao amin'ny fiaraha-mientan'ny voanjo i Dayan. Hoy izy tao amin'ny Forward.com tamin'ny herintaona:

“He has the same agenda as the most fanatic, right wing settlers. But he has this ability to hide it and to speak with the public with a much more sensible argument and a much more moderate image”

Manana programan'asa mitovy amin'ny an'ireo fanatika indrindra amin'ny elatra havanan'ny voanjo izy. Saingy mahay manafina izany ary miresaka amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fandresen-dahatra avo fisainana sy manana endrika tony kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.