Global Voices Miara-Miombon'Antoka amin'ny The Irrawaddy ao Myanmar

irrawaddy newsMisy ny fotoana mahaliana ho an'i Myanmar rehefa manohy fanitsiana izy mba ho lasa firenena demaokratika maoderina. Sarotra ny tetezamita ho an'ny firenena izay teo ambany ziogan'ny lalàna miaramila nihoatra ny dimampolo taona saingy tokony hanohy ny fanerena hanaovana ny fanitsiana hatrany ny fiarahamonina iraisampirenena.

Hadio sy hangarahara ve ny fifidianana amin'ny Novambra? Mbola handray tsara ny fampiasambola vahiny ihany ve ny governemanta tohanan'ny miaramila? Inona no paika hahatontosa ny firaisankina sy ny fandriampahalemana eo anivon'ny fifanandrinana ara-poko sy ara-pivavahana?

Ho fanatsarana ny fanangonam-baovao ataonay amin'izay mitranga ao Myanmar amin'izao fotoana izao, dia nandray fiaraha-miombon'antoka tamin'ny  The Irrawaddy, fikambanam-panaovan-gazety lohalaharana ao amin'ny firenena amin'ny famoahana vaovao tsy avoakan'ny hafa ny Global Voices.

irrawaddy magazineThe Irrawaddy dia natsangan'ireo Birmana mpanao gazety nanao sesintany ny tenany ao Thailandy tamin'ny 1993. Maro amin'izy ireo no nijoro vavolombelona, nanangon-tahiry ary nanatevin-daharana ny fitroarana ara-demaokratika nanantantara tamin'ny 1988.

Ny Gazetiboky The Irrawaddy no famoahan-gazety Birmana mahaleotena voalohany tsy miankina amin'ny vondrona mpisintaka ara-politika. Noho ny tati-baovao mitsikera ataony dia noraran'ny fitondrana miaramila ao Myanmar izy ary izay rehetra ahitana ny dika iray amin'ny gazety dia mety ho voasambotra sy ampidirina am-ponja.

Tamin'ny 2000 no nivoaka ny tranonkalan'ny The Irrawaddy ary voasakana avy hatrany tao Myanmar ka tsy mety takatra avy ao amin'ny firenena ny votoatiny tao anatin'ny 11 taona izao. Rehefa nihamaivana kokoa ny faneriterena ny media tamin'ny 2011 vao mba azon'ny mpiserasera aterineto ao Myanmar novakiana ny The Irrawaddy. Mandritra izany fotoana izany dia azo naely ami'ny fomba ara-dalàna manerana ny firenena ny gazetiboky tamin'ny 2013.

Hatramin'ny nananganana azy dia tsy nitsahatra ny namoaka vaovao tsy ambaran'ny hafa ho ao anatin'ny fijoroana ara-demaokratika ataony ny The Irrawaddy. Mino izy fa kitro ifaharan'ny demaokrasia ny fahalalahan'ny gazety :

We have a strong belief in democracy, and believe that without free media a democratic society is incomplete. It is our duty to protect and preserve press freedom and develop independent media free from bias and influences.

Manana finoana matanjaka izahay, ary mino fa raha tsy misy gazety afaka dia tsy feno ny fiarahamonina demaokratika iray. Adidinay ny miaro sy ny manolokolo ny fahalalahan'ny gazety sy ny mampivelatra ny gazety mahaleotena ho afaka amin'ny fitongilanana sy ireo tsindry isankarazany.

Aty amin'ny lafiny misy ny Global Voices dia faly izahay nanao ity fiaraha-miombo'antoka ity noho ny fitadiavanay tantara tsara sy mahaliana kokoa avy ao Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.