Mianàra Fomba 40 Firesaka Amin'ny Tànana Ampiasain'ireo Aborizena Hifandraisany Manerana Ny Tany Efitra Andrefan'i Aostralia

Manoloana ny toetaniny henjana sy ny toetrandro tsy mivalo, mety ho toerana sarotra iainana ny Great Sandy Desert (Efitra Torapasika Midadasika) any Andrefan'i Aostralia. Ho an'ireo mifofotra miaina ao amin'ity faritra vitsy mponina ity, ny elanelana midadasika manasaraka azy amin'ny tany efitra faharoa lehibe indrindra ao Aostralia dia afaka manaporofo ihany koa ny maha-fanamby goavana ny fifandraisana amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy, ho an'izay maniry hifandray.

Balgo, Western Australia

Fomba iray fifandraisana nentim-paharazana teo amin'ireo vahoaka Aborizena ny firesaka amin'ny tànana, vahoaka izay efa tao amin'ity tany ity nandritry ny anjatony taona maro, efa ela be talohan'ny nahatongavan'ny finday sy ny teknolojia dizitaly.

Mba hanekena ny fisian'ity fitaovana azo ampiharina ity, niaraka niasa tamin'ny vondron'ireo vehivavy zokiolona mafàna fo avy amin'ny vondrom-piarahamonina Balgo ilay mpamokatra ao an-toerana, Willi Lempert. Niarahan'izy ireo nanantontosa ny lahatsary iray izay mitantara ny tantaran'ireo fomba 40 firesaka amin'ny tànana.

Efa niasa tao amin'ilay faritra i Lempert, fony hevitra hamokatra lahatsary fanazavana no nitsiry. Nohazavainy ny maha-zava-dehibe ireny fomba firesaka amin'ny tànana ireny:

Raha mianatra haingana ny fenitra “dia ahoana indray?” firesaka amin'ny tànana ireo mpitsidika, dia ho mora ny miala amin'ireo fomba samihafa ampolony firesaka amin'ny tànana izay nanoloana miandàlana ny fifampiresahana. Toy ny amin'ny fiteny rehetra, ny singa sasany dia nentin-drazana ary ny hafa dia vao noforonina taty aoriana… ny fomba firesaka amin'ny tànana tsy hoe fotsiny fomba fampitàna torohay, fa koa ampiasaina ho toy ny fomba fihetsiky ny vatana manontolo ho entina maneho fahasamihafàna, vazivazy, ary ny toetra maha-izy ny tsirairay.

Ilay lahatsary koa, izay ampahany amin'ny tetikasa “Mother Tongue” (Tenindreny) nokarakarain'ny “ABC Open and First Languages Australia” (ABC Fiteny Misokatra sy Voalohany – Aostralia), dia ampisaina hanandratana ny Kukatja fiteny ao an-toerana, teny iray tandindonin-doza tsy misy afa-tsy 1.000 sisa no mpiteny azy ankehitriny. Ao anatin'ilay lahatsary, ho an'ny tsirairay amin'ireo fomba firesaka amin'ny tànana asehon'ireo vehivavy, dia misy teny iray mifandray aminy amin'ny fiteny Kukatja arahan'ny dikany amin'ny fiteny Anglisy.

Nosoratan'i Lamprey tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny bilaogy ny fahafinaretany sy ireo vehivavy niaraka taminy nandritry ny namokarana ilay lahatsary.

Ireo vehivavy zokiolona, toa an'i Payi Payi sy Manaya izay asongadin'ilay lahatsary, dia mitàna toerana fototra amin'ny fiainan'ilay vondrom-piarahamonina. Amin'ny maha-mpikambana azy ireo ao amin'ny Foibe momba ny Lalàna sy ny Kolontsaina ho an'ny Vehivavy Kapululangu, izy ireo no fitaovana hamaritana ny làlana mankany amin'ilay vondrom-piarahamonina. Lazain'ny tranonkala natao ho an'ilay foibe hoe, “Tsy misy izay mitranga ao amin'ny Kapululangu ka tsy hidiran'ny Zokiolona.”

Teraka tany an-tany efitra ireo Zokiolona, ary nitombo sy nofanina tamin'ny alàlan'ireo fomba tranainy talohan'ny nahatongavan'ny vahoaka Kartiya/tsy indizena tao amin'ny tanin'ny ràzan-dry zareo. Mahatonga an-dry zareo ho lasa mpiambina/mpitahiry ny harena midadasiky ny tantara sy ny fahaizamanao ary ny fahalalàna ara-kolontsaina izany. Te-hizara io harena io ry zareo […]  Tian'ireo Zokiolona ny tanora ao aminy mba hitombo matanjaka sy mahari-pery, feno rehareha amin'izany ary amin'ny fahalalàna ny fomban'ny vahoakany, tsara aro ao anatin'ny ‘fahalalàna ara-Kolontsaina sy Lalàn'ny vahoakany”, ka mba ho afaka ny hiatrika araka izay fomba tsara indrindra ny fiovaovàn'ny tontolo. Ny Lalàna sy Kolontsaina manokana/mampiavaka ny vahoaka no dity mihazona ny fiainana hitambatra.

Tamin'ny fidirany ho anaty tarika iray miaraka amin'ireo mpamokatra eo an-toerana nanaiky hanampy azy ireo tamin'ny filazàna ny tantarany tamin'ny teniny, dia azon'izy ireo antoka fa hifampizaràna amin'ny taranaka ho avy ity haren'ny fahalalàna ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.