Lahatsary Vaovao Mampiseho Ny Fananerana Ny Nosy Urato Taorian'ny Tsunami

View of Matsushima Japan

Matsushima ao avaratra atsinanan'i Japana. Sary avy amin'ilay mpisera Wikimedia Kumamushi.

Fantatra amin'ny hatsarany nandritra ny arivo taona mahery ny Nosy Urato. Miorina ao amin'ny Helodranon'i Matsushima ny nosy, voatondro ho iray amin'ireo  “toerana telo mahafinaritra indrindra” ao Japana, ary miankina amin'ny ranomasina ity faritra ambanivohitra amin'ny ankapobeny ity hatramin'ny nisiany nanomboka tamin'ny vanim-potoana Neolitika.

Niova ny zava-drehetra tamin'ny 11 Martsa 2011 raha nanafo-drano ireo fiarahamonina kely mpanjono tao ny tsunami mpandravarava, nateraky ny horohorontany goavana. Tao anatin'ny adiny iray mahery, ringana avokoa ny zava-drehetra manomboka amin'ny trano hatramin'ny dobo-masajy (huitrière), ary nandrava ny satoyama marefo izay nahafahan'ny olombelona miara-belona miaraka amin'ny tontolo iainana ao amin'ny Helodrano Matsushima mandritra ny 2000 taona farafahakeliny.

Mandrakitra an-tantara ny fomba niarenan'ireo fiarahamonina isan-karazan'ny nosy ao Urato tao anatin'ny taona maro taorian'ny loza sy ny fomba niasany mba hamelomana indray ny indostria nentim-paharazana tahaka ny fiompiana masajy (huitre) ny lahatsary vaovao izay ampahany novokarin'ny Ivon-toerana Oniversiten'ny Firenena Mikambana hoan'ny Fianarana Ambony momba ny Fampandrosoana maharitra (UNU-IAS).

Ao anatin'ny Tetikasa Satoyama, miara-miasa amin'ny Anjerimanontolon'i UNU-IAS ny Oniversite Tohoku ao Japana mba hanampy hamelona indray ny rafi-piainana ao Matsushima, anisan'izany ireoy fiarahamonin'ny nosy Urato.

Ny Tetikasa Satoyama tantanin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana ao Japana sy ny UNU-IAS dia mikendry hamerina indray ny endriky ny tanàna amin'ny laoniny izay mampifandanjalanja ny asan'ny olombelona tahaka ny fambolena, ny fitrandrahana ny ala sy ny jono ary ny toeram-ponenana voajanahary. Fantatra amin'ny anarana hoe satoyama amin'ny teny Japoney izany endriky ny tanàna izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.