Tambanivohitra Lasa Tompon-daka Manerantany Amin'ny Hazakazaka: Tantaran'i Mira Rai Avy Ao Nepal

Mira Rai, Trail Runner from Nepal. Image by Flickr user rpb1001. CC BY-NC-ND 2.0

Mira Rai, mpihazakazaka lavitr'ezaka avy ao Nepal. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr rpb1001. CC BY-NC-ND 2.0

Tsy sahaza hoan'ny rehetra ny hazakaza-davitra anatin'ny natiora (trail running), iray amin'ireo  fanatanjahan-tena sarotra sy mandreraka. Na izany aza, toa mandeha hoazy izany hoan'i Mira Rai avy ao Nepal. Nandresy vao haingana tamin'ny fifaninanana hazakazaka 80 kilaometatra tao Mont-Blanc, iray amin'ireo sokajiana ho hazakazaka sarotra sy ara-teknika indrindra any Frantsa izy, nahavita ny halaviran-dalana tao anatin'ny 12 ora sy 32 minitra.

Niarahaba an'i Mira tao amin'ny Twitter ny praiminisitra teo aloha Baburam Bhattarai :

Arahabaina i Mira Rai tamin'ny fandresena tamin'ny hazakazaka iraisampirenena.Tsy nahafeno fepetra tamin'ny fidirana tao amin'ny tafika, teo aloha…

Raha nanatevin-daharana ny tafika mpioko Maoista tamin'ny fotoana naha-zatovo azy, dia tsy nahafeno fepetra izy nandritra ny dingana fidirana ao amin'ny tafika.

Vao nahafantatra ny hazakaza-davitra herintaona sy volana vitsivitsy lasa izay, vonona ny ho tonga iray amin'ireo atleta mendrika indrindra amin'ny hazakaza-davitra izy. Nanomboka tamin'ny hazakazaka Fetibe Ivelan'ny Trano Himalayana 50-km tao Kathmandu tamin'ny Martsa 2014 ny dia ara-panatanjahantenany. Nandresy izy na dia tsy nisy fiomanana betsaka aza ary mbola nandresy tamin'ny Fifaninanana Hazakazaka Mustang ny volana Aprily manaraka.

Ivelan'i Nepal, nanomboka ny fandreseny miezinezina tamin'ny Hazakaza-davitra Sellaronda (57 km) sy Trail Degli Eroi (83 km) tao Italia tamin'ny Septambra 2014 izy.

Tamin'ny volana Oktobra, nandresy tamin'ny Fifaninanana Hazakazaka An-tendrombohitra 50 kilaometatra tany Hong Kong izy. Tsy nitoditodika tany aoriana intsony izy nanomboka teo.

Lloyd Belcher, mpaka sary sy mpamokatra horonantsary monina any Hong Kong, nisioka hoe:

Miatrika ireo fakantsary miandry azy i Mira Rai @TrailRunNepal  taorian'ny fandreseny tamin'ny hazakazaka @Skyrunning_com HK 50km

Avy amin'ny tanàna kely iray ao amin'ny distrikan'i Bhojpur atsinanan'i Nepal i Mira. Nitondra fahombiazana ho azy ny zava-tsarotra nolalovany fony izy mbola zaza.

Hoy izy tamin'ny iray tamin'ireo antsafa nifanaovana:

As a young girl I was not very interested in doing household chores, which is why my mother gave me the physical tasks like bringing water from the river, which is two hours down and three hours back home. I also used to carry a bag of rice to the market to sell and bring money home. I grew up running.

Amin'ny maha-tovovavy ahy, tsy dia liana tamin'ny fanaovana raharaha ao an-trano aho, izany no mahatonga ny reniko nanome asa mila tanjaka toy ny matsaka avy eny an-drenirano, izay lalana adiny roa ny midina ary adiny telo ny mody any an-trano. Efa zatra nibata gonim-bary any an-tsena ihany koa aho mba hivarotra izany sy hitondra vola mody any an-trano. Lehibe tao anatin'ny hazakazaka aho.

Manao fanazaran-tena mafy izy izay mahatonga azy ho salama sy matanjaka. Anisan'ny mahazatra azy ny mifoha maraina be, mihazakazaka 10-12 kilometatra amin'ny maraina ary 10-12 kilometatra amin'ny hariva. Mihanika vatolampy sy mitondra bisikileta ihany koa izy.

Manome aingam-panahy hoan'ireo te-ho mpihazakazaka lavitr'ezaka hiringiriny i Mira, nametraka ny anarany tamin'ny sehatry ny hazakazaka lavitr'ezaka. Ary tsy adino ireo ankizilahy sy ankizivavy an-tapitrisany ao Nepal izay voajanahary ho azy ireo ny miaka-midina amin'ny lalana mideza amin'ny havoana mibaby entana.

Manana torohevitra kely sarobidy ho azy ireo izy:

‘Tahaka ny ravin-kazo eny an-drenirano ny zavatra iray mandalo tokony araraotina, raha tsy maka izany haingana ianao dia ho very mandrakizay iny!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.