Maty Tamin'ny Faha-75 Taonany ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana Teo Aloha

Riyadh, Saudi Arabia. 5th March 2015 -- Saudi Arabia Foreign Minister Saud al-Faisal addresses reporters during a news conference with U.S. Secretary of State John Kerry in Riyadh, Saudi Arabia. State Department photo/Handout -- John Kerry, the US Secretary of State, travels to Saudi Arabia to discuss the latest developments on the Nuclear Talks and ISIS with the GCC and to meet with King Salman of Saudi Arabia to ease the fears of the Sunni country over Shia Iran. Photograph by Demotix Live News. Copyright: Demotix

Riyadh, Arabia Saodita. 5 Marsa 2015 — Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana miteny amin'ny mpanangom-baovao nandritra ny valandresaka niarahana tamin'ny Sekreteram-Panjakan'i Etazonia John Kerry tao Riyadh, Arabia Saodita. Sarin'ny Departemantam-panjakana — Nandeha tany Arabia Saodita ny Sekreteram-Panjakana Etazonia John Kerry hiresaka amin'ny mpikamban'ny Oala [Helodrano] ny fivoarana farany momba ny Fifampiraharahana ara-nokleary sy ny ISIS ary hihaona amin'ny Mpanjaka Salman avy ao Arabia Saodita hanalefahana ny tahotry ny firenena sonita amin'ny firenena shiita ao Iran. Saripika Demotix Live News. Nolazaina fa maty omaly i Al-Faisal. Copyright: Demotix

Maty omaly teo amin'ny faha-75 taonany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ny Printsy Saud al-Faisal rehefa nandany 40 taona tamin'ny fanaovana izany raharaha izany. Azony ny aranam-boninahitry ny fanompoana teo amin'ny minisitera ela indrindra teto ambonin'ny tany tamin'ny Avrily lasa teo rehefa nosoloin'i Adel al-Jubeir, izay ambasadaoro tao Washington DC tamin'izany fotoana, izy.

Nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny sehatra rezionaly sy olona nanankery teo amin'ny sehatry ny diplomasia tao Afovoany Atsinanana izay nanana fahefana goavana tamin'ny fampihodinana ny raharaham-panjakana tany ivelany i Al-Faisal.

Al-Faisal no komandy lehibe sy sefo nitondra ny firenena, araka izay nahariharin'ny telegrama niporitsaka antsoina hoe Saudi Cables. Maro dia maro ny telegrama navantana tany aminy hilaza fohy aminy hatramin'ny zavatra bitika, ary maro hafa koa ny nosoniaviny amin'ny fifanoratana tamin'ny governemanta manerantany. Izy indrindra no “mitantana hatramin'ny bitika ny departemantan'ny raharaha ivelany“.

Ny mpisolovava Mohammed BELLO izao dia mitazona an'i Al-Faisal ho manana andraikitra amin'ny Krizy Syriana :

Maty ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana teo aloha ny Printsy Saud Al-Faisal – mpanao ny maritranon'ny ady ao Syria.

Ny diezy amin'ny teny arabo natao ho an'i Saud Al-Faisal dia ahitana rojon-tsiokam-pisaonana azy sy fahatsiarovana ny zavabitany ao amin'ny Fanjakana.

Ary ny Irakiana Ali Hadi Al-Musawi mamelabelatra ny fitsabahan'i Al-Faisal tao Iràka ho “mpandravarava”:

Maty ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana teo aloha ny Printsy Saud Al-Faisal. Indro ny topimason'ny fitsabahana mandravarava nataony tao Iràka.

Kaonty Twitter iray malaza @heekmh, nisioka tamin'ny mpanjohy azy mihoatra ny 2 tapitrisa ny lahatsarin'ny kabary farany nataon'i Al-Faisal ampahibemaso:

Kabary farany nataon'i Saud Al Faisal nialoha ny nialany tao amin'ny minisitera. Tsy misolovava hisian'ny ady isika fa vonona isika raha vao maneno ny amponga maroanaka

Maro amin'ny mpiserasera no misioka lahatsoratra mitovy, milaza fa tsy mbola sitrana tamin'ny fahafatesan'ny mpanjaka Abdullah i Arabia Saodita.

Nanamarika i Nora Al Khalidi:

Tsy mbola tratran'ny ratra indroa tao anatin'ny herintaona isika. Mbola tsy sitrana ny ratran'i Arabia Saodita.

Mizara tambatamba-tsarin'i Al Fasal ilay Saodiana Tareq Wasmi :

Very lehilahy goavana iray izao tontolo izao. Mandria am-piadanana ry Printsy Saud Al Faisal

Ary ny Masoivohon'i Alemaina ao Riyadh namelabelatra an'i Al Faisal ho “olompanjakana nohajaina” tao amin'ny sioka iray :

Fiaraha-miory tamin'ny fahalasahan'ny Printsy Saud Al Faisal, niasa maharitra tao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny ary olompanjakana nohajaina

Saingy misy ireo Saodiana hafa tsy mamela mivalo amin'ny fahenohan-keviny. Tsy nilefitra ny mpiresaka sy mpanadihady momba ny Oala sady mpanao gazety fanadihadiana Ali AlAhmed. Tamin'ny sioka roano namelabelarany an'i Al Faisal ho “mpanavakavaka” sy “mpankahala Shiita”:

Mpanavakavaka tsy nanaiky hanendry diplaomaty mainty hoditra na dia iray monja aza ny Minisitry ny Raharahambahiny Saodiana teo aloha nodimandry

Vaovao farany: Nodimandry ny minisitry ny raharaham-bahiny saodiana teo aloha sady mpankahala shiita Saud Al Faisal. Tsy nanaiky hanendry diplaomaty shiita na dia iray monja aza izy nandritra ny 42 taona

Jereo ato ny tatitra momba ny telegrama saodiana : WikiLeaks Reveals the #SaudiCables

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.