VAOVAO MAFANA: Mpanao Gazety Ethiopiana Dimy Navotsotra, Saingy Mbola Am-ponja ny Ambiny

Asmamaw and Tesfalem, free. Photo by @BlenaShilu via Twitter.

Asmamaw sy Tesfalem, afaka, miaraka amin'i Blena Sahilu. Saripikan'i @BlenaSahilu amin'ny alalan'ny Twitter.

Mivoaka malalaka androany ao Addis Ababa, Ethiopia androany ny mpanoratra telo rehefa nandany 439 andro an-tranomaizina voampanga ho nanao fampihorohoroana. Nosamborina tamin'ny blaogera sy mpanao gazety enina hafa, izay niasa tao amin'ny famahanam-bilaogy iraisana Zone 9 ao Ethiopia ny ankamaroan'izy ireo ireto mpanao gazety Tesfalem Waldyes sy Asmamaw Hailegiorgis ary mpampianatra filozofia any amin'ny oniversite Zelalem Kiberet, izay mpandika lahatsoratra ato amin'ny Global Voices ihany koa izay navotsotra ireto. Nosintonina ny fiampangana rehetra novesarina tamin'ireto lehilahy telo ireto.

Zelalem Kiberet at 25. Photo from Zelalem's blog.

Zelalem Kiberet feno 25. Sary tao amin'ny blaogin'i Zelalem.

Radio FANA, fampitam-baovao fantatra amin'ny fanohanana ny antoko mitondra, no nitatitra fa nosintonin'ny manampahefana ihany koa ny fiampangana ireo blaogera Mahlet Fantahun sy Edom Kassaye ary havotsotra ny 9 jolay ireo vehivavy roa.

Mbola ao an-tranomaizina ny efatra amin'ireo bilaogera ary mbola miatrika ny fiampangana ao amin'ny fitsarana izay vao nanomboka mihitsy. Ao anatin'ireo tavela i Befeqadu Hailu, Natnael Feleke, Atnaf Berahane ary i Abel Wabella. Mpanoratra sy mpandika lahatsoratra ato amin'ny Global Voices izy rehetra ireo.

Tesfalem niteny tamin'ny Addis Standard fa nandre ny anarany nantsoina tamin'ny fanamafisam-peon'ny Fonjan'i Kilinto izy tamin'ny maraina, fonja nitazonana azy ireo mihoatra ny herintaona. Niantso ny anaran'i Zelalem sy Asmamaw ny tompon'andraikitra iray, nilaza fa nosintonina ny fiampangana azy ireo. Navotsotra izy ireo ora vitsy taoriana.

Niakatra kely tao amin'ny Twitter ny diezy #FreeZone9Bloggers taorian'ny fanamafisana nataon'ny namana izay niarahaba tamin'ny vaovao namotsorana ireo olona tao amin'ny Fonjan'i Kilinto. Blena Sahilu, namaka akaikin'ny vondrona, nisioka rehefa tafaraka indray amin'i Tesfalem, tsapa ao amin'ny hafatra ataony ny fifaliany sy ny tsi-finoany:

Mihinjaky ny hafaliana sy ny tsi-finoana aho!!! Dimy minitra miala an'i Tesfalem aho. Hahita azy aho Marina ve???

Maro ireo mpanohana namoaka ny sary mampihetsi-po tamin'ny fihaonan'i Zelalem sy ny sipany:

Nitehaka tamin'ny ezaka nataon'ireo niantso hijery ny raharaha ilay Ethiopiana mpanoratra Maaza Mengiste, izay mpanohana mavitrika tamin'ny fanentanana ny #FreeZone9Bloggers:

Nitokiana ihany koa izy ireo tamin'ny fampiraisana ny feo, fitondrana vatsy, fanoratana lahatsoratra, fampitazonana azy ireo ao am-po sy ao an-tsaintsika

Talohan'ny fisamborana tamin'ny 2014, dianiresaka ireo olona ara-piarahamonina sy ara-politika ao Ethiopia ny Zone9 ary nitaky zon'olombelona sy ny tamberin'andraikitry ny governemanta. Fantatra tamin'ny fijoroana feno fitsikerana ny politikan'ny governemanta sy ny fomba fanaony ireo mpandray anjara ao aminy ka niatrika fandrahonana maro isankarazany nialoha ny nisamborana azy ireo tamin'ny herintaona, saingy tsy mbola niatrika fitsarana ara-dalàna hatramin'ny avrilin'ny 2014. Rehefa nandany herinandro maromaro tao an-tranomaizina tamin'ny fiampangana tokana fantatra ho nandrisika korontana ara-tsosialy an-tserasera, dia noampangaina tamin'ny Fanambarana Fiadiana amin'ny Fampihorohoroana ry zareo.

Zone9 members together in Addis Ababa, 2012. From left: Natnael, Abel, Befeqadu, Mahlet, Zelalem and Atnaf. Photo courtesy of Endalk Chala.

Zone9 members together in Addis Ababa, 2012. From left: Natnael, Abel, Befeqadu, Mahlet, Zelalem and Atnaf. Photo courtesy of Endalk Chala.

Miaraka amin'ny fipongapongatry ny hafaliana sy ny tsi-finoana amin'ny vaovaon'ny famotsorana ireo bilaogera, maro ireo ao amin'ny media sosialy no mandrisika ny mpanohana hitandrina amin'ny fankalazana ataon-dry zareo. Ao amin'ny Facebook i Simegnish Yekoye Or Lily no nanoratra:

As much as we are happy and celebrating the release of our colleagues and friends Tesfalem, Asmamaw and Zelalem, and wait for release of Edom and Mahlet tomorrow … we still need to push for the charges against the remaining bloggers Befekadu, Abel, Atinaf and Nati to be dropped. They are only bloggers and not terrorists.

Na dia be aza ny fifalianay sy ny fankalazanay amin'ny famotsorana ireo namana sady mpiara-miasa Tesfalem, Asmamaw ary Zelalem, mbamin'ny fiandrasana ny famotsorana an'i Edom sy i Mahlet rahampitso … Dia mbola mila manosika isika amin'ny fisintonana ny fiampangana ireo bilaogera ambiny Befekadu, Abel, Atinaf ary Nati. Bilagera fotsiny ireo fa tsy mpampihorohoro

Fa inona no nampiova lalana tampoka ny manampahefana Ethiopiana? Efa ambolana maro ny mpanohana izay ahitana any Global Voices sy ireo fikambanam-pahalalahan'ny fampitam-baovao tahaka ny Komitim-Piarovana ny Mpanao Gazety fa tsy nisy vokany. Mpanohana iray no nitsatoka fa izao famotsorana izao dia mety nipongatra ankatoky ny fitsidihan'i Barack Obama an'i Ethiopia :

Aoka hazava. Satria ho avy i Obama dia andao avotsotra ny sasantsasany amin'ny #FreeZone9Bloggers

Mpisera Twitter Abiye Megenta nanolo-kevitra ny amin'ny tokony hanaovan'i Obama fanerena ny manampahefana Ethiopiana hamotsotra ireo bilaogera mbola tavela:

Namotsotra ny gadra politika fanta-daza indrindra mialoha ny dian'i Obama ny governemanta Ethiopiana. Tokony hanery azy ireo hanafaka ny gadra politika rehetra izy.

Manerana ny glaoby, mbola miangavy ny hanohizana ny ezaka ireo mpanohana ny bilaogera mandrapanafahana ireo mpanao gazety sy blaogera rehetra ao Ethiopia :

Mbola hiady hatrany isika mandrapaha-afaka ny bilaogeran'ny Zone 9 sy ireo mpanao gazety hafa. #FreeZone9Bloggers #FreeEskender #FreeReyot

Hotazonintsika hatrany ny tantrumin mandrapivoaka ny voafonja rehetra

Ary mampahatsiahy antsika i Amanuel Tesfaye fa mbolamitoetra hatrany ny diezy #FreeZone9Bloggers mandrapahatongan'izay fotozana izay.

Ho fampahafantarana anao, mbola mandeha ny diezy #FreeZone9Bloggers mandrapivoakan'izy rehetra. Aza adinoina ny mampiasa azy raha milaza ny famotsorana androany.

Tsidiho ny pejy fanentanana Famotsorana ireo Bilaogeran'ny Zone9 raha hamaky ny tatitra manontolo momba ity tranga ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.