Hanihany, Loko sy Photoshop Hanovan'ny Hongroà Ireo Hafatra an-Takelaby Tsy Tia Fifindramonina Ataon'ny Governemanta

Budapest, Hungary. 19 May 2015 -- A sign reads "My best friend is a migrant" during a protest against the immigration policies of Viktor Orban, Hungary's prime minister, organized by the Migrant Solidarity Group (MigSzol) in downtown Budapest. Photo by janoskisphotographer. Copyright Demotix

Budapest, Hongria. 19 May 2015 — Sora-baventy iray mivaky hoe “Ny Namako akaiky indrindra dia mpifindramonina” nandritra ny fihetsiketsehana iray manohitra ny politikam-pifindra-monin'i Viktor Orban, Praiminisitra Hongroà, nokarakarain'ny Vondrona Firaisankina amin'ny Mpifindramonina (MigSzol) tao afovoan-tanànan'i Budapest. Saripikan'i janoskisphotographer. Copyright Demotix

Vao namoaka takelaby goavana manerana ny firenena handefasana hafatra ho an'ireo mpifindramonina sy ireo mieritreritra ny hifindra monina ny governemanta hongroà: “Raha mankaty Hongria ianao dia tsy mahazo maka ny asan'ny Hongroà”, “Raha mankaty Hongria ianao dia tsy maintsy manaja ny kolontsainay” ary “Tsy maintsy mankato ny lalànanay ianareo”.

Ity fanentanana amin'ny takelaby ity dia tohin'ny fitsapan-kevitra nasionaly momba ny fifindramonina sy ny fampihorohoroana, izay nampiasan'ny Praiminisitra Viktor Orban sy ny antoko mitondra ny volan'ny mpandoa hetra hampiroboroboana fijoroana vinitra manoloana ireo tsy Hongroà.

Saingy raha vitsy ny mpifindramonina mahay teny hongroà, dia nasongadin'ny mpitsikera fa natao hampiakatra ny tahotra sy hahazoana fanohanana avy amin'ny olom-pirenena amin'ny fikasana hametraka lalàna sy fepetra miady amin'ny fifindramonina ireny fampitandremana ireny.

Tsy niraviravy tanana ireo Hongroà manohitra io fomba fijerin'ny governemanta amin'ny elatra havanana io. Nisy nanimba endrika, nandrovitra sy nandoko ambonin'ireo afisy, ary mifaninana ireo mpikatroka hanao izay fihetsika izany voalohany. Nisy fanangonam-bola iray nahomby tamin'ny fahazoana vola mihoatra ny 100.000 dolara amerikana tao anatin'ny andro vitsy monja mba hananganana afisy hifaninana amin'ilay fanentanana, ary amin'ny teny anglisy kosa amin'ity indray mitoraka ity. Feno ireo teny mananihany maka tahaka ireo afisy ireo ihany koa ny media sosialy. Ireto voaangona eto ambany ireto ny sasantsasany amin'ireo ankafizina.

‘Asa Inona?’

"If you come to Hungary, you can't take away the jobs of Hungarians!" "What jobs?"

Afisy voalohany: “Raha mankaty Hongria ianao dia tsy mahazo maka ny asan'ny Hongroà!”
Nahitsy tamin'ny hoe: “Asa inona?”
Sary niely fatratra an-tserasera.

‘Atikena’

"You can't gobble up Hungarians' liver [paté]"

Afisy Orizinaly: “Raha mankaty Hongria ianao, dia tsy mahazo maka ny asan'ny Hongroà!”
Voahitsy ho: “Tsy afa-mihinana atikena hongroà!”
Sary niely fatratra an-tserasera.

‘Ianao Mpamosavy!’

"Hungary, you bitch - Hungarian Insultation"

Niova ho: “Hongria, ianao mpamosavy – ompa nasionaly.”
Sary niely fatratra an-tserasera.

‘Raha mankany amin'ny firenen'ny fanihy ianao…’

"If you come to bat country you have to abide by our laws!" - homage to Hunter S. Thompson and his novel Fear and Loathing in Las Vegas

Afisy Orizinaly: “Raha mankaty Hongria ianao, tsy maintsy mankatò ny lalànanay!”
NIova ho: “Raha mankaty amin'ny firenen'ny fanihy ianao, tsy maintsy mankatò ny lalànanay!” (ho fanatsiarovanaan'i Hunter S. Thompson “Fear and Loathing in Las Vegas”[tahotra sy rikoriko tany Las Vegas]).
Sary niely fatratra an-tserasera.

‘Mila kolontsaina i Hongria’

"Hungary needs culture"

Niova ho: “Mila kolontsaina i Hongria, fa tsy fitsapan-kevitra.”
Sary niely fatratra an-tserasera.

…'Tsy mety mahita ny tranony ao an-tanindrazany izy.’

"The fugitive hid, and towards him The sword reached into his cave Looking everywhere he could not find His home in his homeland" Excerpt from the Hungarian national anthem. (trans. Laszlo Korossy, 2003)

Ny fivakin'ny takelaby orizinaly dia hoe: “Miafina ny mpandositra, ary hahatratra azy ao amin'ny lavaka iafenany ny sabatra
Miherikerika mijery fa tsy mahita
Ny tranony ao an-tanindrazany.”
Avy amin'ny hiram-pirenena Hongroà (nadikan'i Laszlo Korossy, 2003).
Sary niely fatratra an-tserasera.

‘Tonga Soa’

"WELCOME!"

Nivadika ho: “Tonga soa!”
Sary miely fatratra an-tserasera.

‘Ampio ET!’

"HELP ET!"

Nanjary: “Help ET!” na “Ampio ry Extra-Terrestre”
Sary niely fatratra an-tserasera.

‘Mahafinaritra’

"If you come to Hungary … It's cool."

Nanjary: “Raha mankaty Hongria ianao … Mahafinaritra.”
Sary miely fatratra an-tserasera.

‘Mankanesa aty Hongria, efa miasa any Londra izahay!’

Niditra an-tsehatra ihany koa ireo mpifehy ny Photoshop vitsivitsy, namorona lahatsoratra vaovao mihitsy ho an'ireo takelaby fanentanan'ny governemanta. Eto ambany ny sasany amin'ireo sangan'asa nisy aingam-panahy.

"Immigrants don't work and they are taking our jobs!"

“Tsy miasa ny mpifindramonina ka [noho izany dia efa] maka ny asantsika!”
Sary miely fatratra an-tserasera.

"We hate everyone"

“Ankahalaintsika ny rehetra.”
Sary miely fatratra an-tserasera.

"If you come to Hungary, don't steal! The government will not allow competition!"

“Raha mankaty Hongria ianao dia aza mangalatra! Tsy manaiky fifaninanana ny governemanta!”
Sary miely fatratra an-tserasera.

"Come to Hungary, we are already working in London!"

“Mankanesa aty Hongria, efa miasa any Lonbdra izahay!”
Sary miely fatratra an-tserasera.

‘Nankany Shily aho, naka ny asan-dry zareo…’

Ary tsy diso anjara tamin'ny fanaovana fanandrinam-panentanana ihany koa ireo vondrom-piarahamonina Hongroà monina any ivelany ka “naka” ny asan'ireo olona monina ao amin'ny firenena itoerany:

"We came to Germany and we took their jobs, one spot at the nursery, and now we are going after all the beer and pretzels!"

“Nankany Alemaina isika, naka ny asan-dry zareo, pi-maso ao amin'ny fikarakarana zaza, ary ankehitriny isika dia tonga noho ny labiera sy ny pretzels!” Loharano: http://kommentne.tumblr.com

"I came to Chile, took their jobs and in a couple years we will also take vows. Orban can be grateful that I am not provoking at home."

“Nankany Shily aho, naka ny asan-dry zareo ary ao anatin'ny toa taona dia hanao voady izahay. Afaka ny hankasitraka i Orban fa tsy manao fiantsiana any an-trano aho.” Loharano: Gyuri Fampahafantarana hafa: http://444.hu/2015/06/14/gyuri-kivandorolt-elvette-egy-chilei-munkajat-es-most-meg-egy-chilei-fiut-is-elvenne/

Efa nimenomenona tamin'ny fitombon'ny fepetra noraisina tao Hongria ny Vondrona Eoropeana sy ny Fianakaviambe Iraisampirenena. Ny mpandala ny nentin-drazana Antokom-Bahoaka Eoropeana EPP avy ao amin'ny elatra afovoany ankavanana no antoko lehibe indrindra ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ka tafiditra ao anatin'izany koa ny Fidesz. Tamin'ny 10 Jona, nandray ny fanapahan-kevitra notohanan'ny EPP ny Parlemanta Eoropeana, mitsikera ny hetsika ataon'ny governemanta Hongroa amin'ny fifindramonina. Nanamarika ny fanapahan-kevitra :

[…] that these recent developments have led to concerns regarding the principles of the rule of law, democracy and fundamental rights in Hungary over the past year, which, taken together, could represent an emerging systemic threat to the rule of law in this Member State […]

[…] fa ny fivoaran-draharaha vao haingana tao anatin'ny herintaona no mitarika fanahiana eo amin'ny fampanajana ny fanjakana tan-dalàna, ny demaokrasia ary ny zo fototra ao Hongria, izay, raha raisina miaraka dia mety mampipongatra fandrahonan-drafitra amin'ny fampanjakana ny tany tan-dalàna aoamin'io Fanjakana Mpikambana io […]

Nifanandrify tamin'ny Andro Manerantany ho an'ny Mpifindramonina tamin'ny 20 jona ihany koa ny fanentanana tamin'ny takelaby nataon'ny governemanta, daty natokana hanairana ny manjò ireo mpifindramonina manerantany. Ho fanamarihana ny andro dia nampiseho mpifindramonina, tafiditra soa amantsara tao amin'ny fiarahamonina hongroà, ny birao rezionalin'ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpifindramonina (UNHCR) ao Budapest. Nifangarika tamin'ny sary mampatahotra avy amin'ny governemanta ireo sary ireo.

“Ny olako dia manembona ny fianakaviako aho ary maharary izany indraindray. Malahelo ny ray amandreniko aho; ny zandriko lahy sy vavy” hoy ilay 19 taona Zeeshant, izay milalao ao amin'ny ekipam-pirenena hongroà amin'ny cricket tsy dia fantatra, tao amin'ny fanentanan'ny UNHCR. Noterena handao an'i Pakistan izy noho ny tahotra Taliban ary nandeha sivy volana tanaty konteneran'ny kamiao lehibe vao tonga tao Hongria.

"I want to play well for this country"

“Ity ny firenena no tiako ilalaovana tsara.” Sary nindramina tamin'ny UNHCR

Sophie, izay avy any Togo, Afrika Andrefana, dia miasa amin'ny akanin-jaza miankina amin'ny fanjakana. Nandositra didim-poitra atao amin'ny vehivavy izy ary te-ho olom-pirenena Hongroà, araka ny fanentanan'ny UNHCR, saingy efa indroa nolavina ny fangatahany. “Manana fandraisana anjara amin'ny Hongria aho satria miasa sy mandoa hetra. Manampy ny ankizy hianatra sy hisokatra amin'ny vahiiny ary amin'ny olona izay samy hafa,” hoy izy.

"Children are full of trust, they are not prejudiced."

“Feno fahatokiana ny ankizy ary tsy mitsaratsara foana.” Sary nindramina avy amin'ny UNHCR

Na dia eo aza ny fanamelohana iraisampirenena sy ny fihetsika feno fikomiana ataon'ny maro amin'ny Hongroà, dia mbola mizotra mankany amin'ny fametrahana drafitra mamely ny fifindramonina ihany ny governemanta. Tamin'ny 17 Jona, nanambara ny hanangana fefy avo efatra metatra amin'ny sisintany manasaraka aminy amin'i Serbia ny governemanta hongroà. Araka ny fahita dia nisy ireo sary fanalan'andro nivoaka haingana hampahatsiahy antsika:

"There is always further down"

“Mbola hisy hatrany ny fanampiny hianjera!”
Sary niely fatratra an-tserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.