Nitsahatra Tampoka ny Fanangonam-Bola Hanavotana ny Grika Rehefa Tsy Nahomby ny Hetsika

A screenshot of the new Indiegogo campaign "Greek Crowdfund."

Pikantsary avy amin'ny fanentanana Indiegogo “Greek Crowdfund.”

Vaovao farany tamin'ny 13:20 hariva, ora GMT, 7 Jolay.

Latsaka 1,598 miliara euro amin'ny tanjony 1,6 lavitrisa (eo amin'ny 1,8 lavitrisa dolara amerikana) ny “drafi-panarenana” fitia tsy mba hetra ho an'i Gresy, rehefa nifarana omaly ny fe-potoana faran'ny fanentanana.

Nahavita nanangom-bola 1.930.366 euro avy amin'ny olona 108 654 manerana izao tontolo izao tao anatin'ny valo andro ny”Greek Bailout Fund (Famatsiam-bola Ho Fanavotana an'i Gresy)”, saingy tsy nahatratra ny tanjony izy, haloa amin'ny alalan'ny fitsipiky ny sehatra fitia tsy mba hetra Indiegogo “Vatsy Manatratra Fetra” ny vola rehetra narotsaka.

Saingy tsy farany amin'ny ezaka fanangonam-bola ifarimbonana hoan'i Gresy ataon'ny  Thom Feeney ity. Nanambara ity  mpiasan'ny fivarotana kiraro, 29 taona avy ao Angletera ity izay tompon-kevitra tamin'ity tetikasa orizinaly ity fa nanangana fanentanana vaovao izy, ka ho an'ny fikambanana mpanao asa soa Grika Desmos izany, mba ahafahan'ny olona maro 16-24 taona araka izay tratra handeha hiasa” :

I want young people to have hope, to learn skills, to drive forward their economy and invest their wages back into Greece. These young people will work in charities, technology and other worthy causes to help the situation in their country.

Tiako ny tanora mba hanana fanantenana, hianatra fahaiza-manao, hampandroso ny toe-kareny sy hampanajary ny karamany ho an'i Gresy. Hiasa eo amin'ny sehatry ny asa soa, teknolojia sy anton-javatra hafa lehibe ireo tanora ireo mba hanavotana ny zava-misy ao amin'ny fireneny.

Tsy an'asa ny ampahefatry ny Grika, saingy miakatra manakaiky ny 50 isanjato izany ho an'ny olona latsaky ny 25 taona.

Ity fanentanana faharoa antsoina hoe “Greece Crowdfund” ity dia tsy mitovy fe-potoana noho ny tamin'ny voalohany – handray ny vola angonina rehetra ao anatin'ny 14 andro izy na dia tsy mahatratra ny tanjony izay napetraka ho 1 tapitrisa euros aza tamin'ny indray mitoraka ity. Tamin'ny fotoana nanoratana, olona 1.101 no efa nanome 21.365 euro tao anatin'ny enina ora namelomana ny fanentanana.

“Antenaina fa hahatratra ny tanjony ity faharoa ity!” hoy i Kjersti Waterloo, izay nandray anjara tamin'ny fanentanana  voalohany sy ny vaovao. “Fotoana hoan'ny Eoropa izao hanampiana ny Grika :)”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.