Tanora Ao Myanmar Mikarakara Fitsidihana Hanampiana Ireo Mponina 120.000 Nafindra Toerana Noho Ny Ady

11403372_10206759552452220_2686990039008437485_n

Sary tao amin'ny Facebook Tambajotram-pilaminana Kachin nozarain'i Khon Ja

Mikarakara fitsidihana maha-olona ao an-tanànan'i Myitkyina ao avaratr'i Myanmar ny vondrona tanora nanangana ny pejy Facebook Rangoon Revealed, izay an'hetsiny mahery ankehitriny ireo Olona Nafindra Toerana Anatin'ny Firenena monina ao amin'ireo toby vonjimaika.

Ny fandraketana an-tantara ny fiainan'ireo olona monina ao amin'ny toby sy ny fanatsarana ny fanomezana fanampiana hoan'ireo vahoaka ao amin'ny toby no tanjon'ny fitsidihana. Manantena hanangona $ 2.000 alohan'ny fitsidihana ny vondrona.

Nanome fanazavana fanampiny momba ny fanentanana tao amin'ny Pejiny Indiegogo i Thaw Htet, 17 taona, mpanorina ny Rangoon Revealed:

When we heard that there were 120,000 people living as refugees in their own country, fighting for mere survival and living on less than 20 cents per day, we had to act.

Raha nandre izahay fa olona 120.000 no miaina toy ny mpitsoa-ponenana ao an-tanindrazany, miady mafy amin'ny fiainana amin'ny vola latsaky ny 20 cents isan'andro, tsy maintsy nandray fepetra izahay

Mizara ny tantaran'ireo olo-tsotra monina ao Yangoon (anarana vaovaon'i Rangoon, renivohitr'i Myanmar teo aloha) ny Rangoon Revealed, izay naka aingam-panahy avy amin'ny Humans of New York.

Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, manantena hahafantatra bebe kokoa momba ny toe-javatra iainan'ireo mponin'i Myanmar ivelan'i Yangoon ireo tanora tompon-kevitra tamin'ity pejy Facebook malaza ity.

Nanamarika izy ireo hoe:

[…] we aim to document the lives of people living in the camps in the same format as we do it in Rangoon Revealed. This will not only open the lives of the IDPs to the general Burmese public but also internationally as the governments around the world may try to pressure the government to kindle true peace in the region.

[…] Mikendry hanangona tahirinkevitra ny fiainan'ireo olona monina ao amin'ny toby tahaka ny nataonay tamin'ny Rangoon Revealed izahay. Tsy hanokatra ny fiainan'ireo Olona Nafindra Toerana eo amin'ny vahoaka Birmana amin'ny ankapobeny ihany izany fa eo amin'ny sehatra iraisampirenena koa satria mety hiezaka hanery ny governemanta hametraka fandriampahalemana tena izy ao amin'ny faritra ireo fitondram-panjakana manerana izao tontolo izao.

Vokatry ny fipoahan'ny ady indray tamin'ny Jiona 2011 teo amin'ny miaramilan'ny Fikambanana Fahaleovantena Kachin (KIO) sy ny miaramilan'ny governemanta, voatery nandositra ny tanindrazany ireo vahoaka Kachin marobe – avy amin'ireo vondrona ara-poko izay monina ao amin'ny Fanjakana Kachin avaratra ny ankamaroany.

Mandritra ny ady mitohy ankehitriny, olona manodidina ny 120.000 no nafindra toerana sy miaina fadiranovana ao amin'ireo toby 172 akaikin'ny sisintanin'i Shina. Araka ny filazan'ny Laphai Seng Raw avy ao amin'ny Fikambanam-Panaovantsoa ho amin'ny Fampandrosoana Metta, nihena ny fanampiana nomena ireo tra-boina ‘olona nafindra toerana ao anatin'ny firenena) ao avaratr'i Myanmar tao anatin'ny efa-taona.

Hoy izy:

As the war enters its fourth year, the fatigue factor is settling in with donors, social organizations and host communities who have been looking after them for so long. Currently, the threat of food shortage is very real in IDP camps, as their daily food ration of MMK 400 per person has been reduced to a mere MMK 200 (about US 20 cents).

Satria miditra amin'ny taona faha-efatra ny ady, hita ao amin'ny mpanome fanampiana, fikambanana ara-tsosialy sy fiarahamonina mpampiantrano izay nikarakara azy ireo nandritra ny fotoana ela ny zava-misy. Amin'izao fotoana izao, loza mitatao ao amin'ireo tobin'ny Olona Nafindra Toerana ny tsy fahampian-tsakafo, satria nahena ho MMK 200 (eo amin'ny 20 cents dolara) ny anjara sakafo MMK 400 isan'olona.

Noho ny fihenan'ny fanohanana iraisam-pirenena, miditra amin'ny fanentanana maro isan-karazany ireo vondrona sivika Kachin mba hanangona vola ho an'ireo Olona nafindra toerana. Ohatra, miantso ny hanoloran'ny olona fanomezana ny pejy Facebook Concern, Care and Contribute to the IDPs Now.

Mandritra izany, manasongadina ny toe-javatra mampiahiahy manodidina ny tobin'ireo Olona Nafindra Toerana ny Kachin Peace Network :

There are now over 120,000 living on under 40 cents a day, an amount soon to be halved. With continued fighting and only 17% of basic needs being met, the situation of Myanmar's IDPs is particularly worrying, and they are in desperate need of greater funding and financial support.

Mihoatra ny 120.000 ankehitriny ireo miaina latsaky ny 40 cents isan'andro, vola izay mbola hihena antsasany. Nanohy niady izahay ary 17% amin'ny filàna fototra ihany no azo, mampanahy tanteraka ny toe-javatra ianan'ireo Olona nafindra toerana ao Myanmar, ary mitady fanampiana ara-bola bebe kokoa sy fanohanana ara-bola fatratra ry zareo.

Rangoon Revealed

Sary Famantarana ny pejy Facebook Rangoon Revealed

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.