Mianatra Momba ny Lantern Fitaovana Miady amin'ny Fanampenam-Bava

Fitaovana maimaimpoana an-tserasera mety manampy amin'ny famakiana ny fanapenam-bava amin'ny endrika aro-afo izay miasa any amin'ny firenena tahaka an'i Shina sy Iran ny Lantern. Amin'ireo fitaovana amin'ity sokajy ity dia manana fomba fiasa vaovao ny Lantern tsy hahavoasakana anao na dia any amin'ny faritra anjakan'ny fanampenam-bava eto amin'izao tontolo izao aza, miditra any amin'ny teknika hafa indray raha voatampina ireo teknika efa niasa. Mifototra amin'ny firafitra tantan-droa (peer to peer) voapetraka amin'ny toerana iray sady efa avo lenta ireo teknika ireo. Raha matetika mora ho an'ny governemanta ny manakana ireny rindrambaiko ireny, ny firafitra manokan'ny tantan-droa ananan'ny Lantern kosa no hahasarotra ny fanakanana azy.

Mba hahafantarana tsara kokoa ity fitaovana ity dia nifampikarajia tamin'i Adam Fisk, mpanorina sy mpandrafitra ny rindrambaiko ambadiky ny Lantern ny ekipan'ny “GV Advox” Mahsa Alimardani sy Ellery Biddle, sy nifampikarajia ihany koa tamin'i Maryam Abolfazli, tompon'andraikitra Lehiben'ny Fampiasana azy [Chief Operating Officer] ao amin'ny Lantern. Noresahanay miaraka nandritra izany fotoana izany ny resaka fiarovana, ny vondrom-piarahamonina kinendry ary ny rindrambaiko mamelona ny Lantern.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.