Fanehoan-Kevitra Grika Mirehidrehetra Tamin'ny Fanisana Sisam-Potoana Nataon'ny CNN

Screenshot από το ρολόι αντίστροφης μέτρησης του CNN

Pikantsary amin'ilay famataranandro manisa ny sisam-potoana hita ao amin'ny CNN

Ora vitsy monja mialoha ny fiposahan'ny masoandro tamin'ny 1 Jolay, andro amin'ny fomba ofisialy tsy nandoavan'i Gresy ny volan'ny Famatsiambola Iraisampirenena sy hiatrahana ny mahabankirompitra vokatr'izany, dia nanan-kevitra mampiady hevitra ny CNN tamin'ny fampidirana ny famataranandro manisa ny sisa-minitra mandrapahatonga ny fe-potoana farany.

Tsy mahagaga raha nisy ny fanehoan-kevitra eo noho eo avy amin'ny Grika mpiserasera manerana izao tontolo izao, mahita ny fanapahan-kevitra ho na manopa na mampihomehy mamparikivy.

Manontany tena ny mpisera :

Hisy baomba vonona hipoaka ve ka manisa ny sisam-potoana ny CNN?

Raha nanambara i :

Ry Rahalahy, na ny CNN aza dia vonona ny “hankalaza” miaraka amintsika amin'ny fialantsika amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Memorandums.

Mpisera @drinucci nanondro ny CNN ho “mpanararaotra”, ho valin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpisera teo aloha:

CNN mpanararaotra! @Maria_Tajero: Marina? fanisana sisam-potoana? Aoka ry Gresy FMI CNN

 nitezitra:

CNN, ZAZASARY! MANISA SISAM-POTOANA NY MAHA-BANKIROMPITRA ANAY?

Mpisera Keep Talking Greece mampitaha an'eso ny fankalazana ny taombaovao :

Mampiseho mivantana arahin-tsisampotoana avy ao Athena ny CNN – mikarakara afomanga ny Grika – Miarahaba nahatratra ny taona vaovao ry Vanuatu

Asongadin'i Vassiliki ny zavatra mifangarika ahitana ny fanahian'ny Etazonia mahatonga ny Grika hahara-baovao:

Araka ny fanavaozam-baovaon'i Etazonia dia bankirompitra amin'ny fomba ofisialy isika.

Nasongadin'i Helena Descou ny tsy fisian'ny fanajana sy ny fahamendrehana:

Manisa ny fotoana sisa mankany amin'ny bankirompitra farany aoamin'ny CNN. Tsy misy olona manaja ny vahoaka grika.

Mananihany amin'ny toe-draharaha ny mpisera , manaporofo fa tsy very fahaiza-mampihomehy ny Grika:

Mihaino ny “The Final Countdown” ary miantry ny fotoana hahabankirompitra!

Na dia eo aza ny fanehoan-kevitra mahiratra rehetra dia toa tsy mety ihany ny fampidiran-kevitra hanisa sisam-potoana anaty vaovao amin'ny toe-javatra matotra dia matotra sy iankinan'ny ain-dehibe tahaka itony.

Saingy nahavita fahadisoana lehibe vitsy dia vitsy ny CNN raha itamberenana ny vao haingana.

Iray volana lasa izay, ohatra, dia nolazainy fa sainan'ny ISIS ny sainan'ny filahiana kilalao iray hita nandritra ny diaben'ny pelaka:

Ity ny zavatra tsara indrindra hitako nandritra ny faran'ny herinandro! fanevan'ny filahiana kilalao raisina diso ho sainan'ny ISIS nandritra ny diaben'ny pelaka

Andao tsy hohadinointsika ny fahalalàna ara-jeografia mampitokelaka ataon'ny fantsona, araka ny efa voamarika tao amin'ny lahatsoratry ny Global Voices Ry CNN, Ogandà anie ka tsy Tanzania.

Ny takarivan'ny 29 jona, mihantona ny hoavin'i Gresy. An'aliny ny Grika mivondrona hanohana ny fitsipahana ny fanampiana mafaitra ataon'ny iraisampirenena taorian'ny fifandonana nifanaovana tamin'ny vahiny mpampindram-bola. Mandritra izany fotoana izany, Niteraka korontana ara-bola nanerana ny firenena ny fikatonan'ireo Banky Grika raha mifampiampanga andraikitra ara-politika ireo antoko politika ao an-toerana.

Saingy hoan'ny Grika sasantsasany dia mety mitondra fankasitrahana ny hafatra ankapoben'ny CNN noho izy mitondra fampihomehezana ao anatin'ny andro sarotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.