Mampidi-Doza ny Demaokrasia ao Ekoatera ny Fifanenjanana eo amin'ny Governemanta sy ny Mpanohitra

"So you pretty well understand Correa...I am going to tell you in your own English...We don't like you. Get out." Photo by Twitter user @beadomenech95

Olom-pirenena Ekoaterianamitana sora-baventy maneso ny filoha Correa amin'ny teny anglisy hoe: “Mba hahatakaranao azy, dia holazaiko amin'ny teny anglisinao hoe…'We don't like you. Get out’ [tsy tia anao izahay.Mialà tany]”. Saripikan'ny mpisera Twitter @beadomenech95

Na dia eo aza ny fandokafana azon'i Ekoatera amin'ny fampihenana ny fahantranay tao anatin'ny taona faramparany dia miatrika fanamby ity firenena Amerikana Tatsimo ity hahafeno ny tetibola ara-ketra vokatry ny lavaka [fidinana] eo amin'ny vidin'ny vokatra fanondrany betsaka indrindra eo amin'ny sehatra manerantany dia ny solika izany.

Raha mifampitolona eo amin'ny sehatra ara-bola ny politisiana, dia nisy hetsika niainga avy amin'ny internety nankeny an-dalambe notontosaina tamin'ny tanàndehibe maro tao amin'ny firenena.

Ireo hetsi-panoherana ireo dia ho setrin'ny lalàna izaràna indray ny harena azo izay ametrahana haba vaovao eo amin'ny lova na renivola azo. Vao nahemotry filoha Rafael Correa [ny fampiharana] ity lalàna ity hifaranan'ny diabe sy hametrahana rivotra “mahafinaritra sy milamina” amin'ny fahatongavan'ny Papa Fransoà, izay ho tonga ao an-drenivohitra Quito amin'ny Alahady.

Na izany aza dia mbola mitohy manerana ny tenàna maro ao Ekoatera ny hetsi-panoherana malefaka kokoa sy ny tohitra fanoherana, indrindra fa izay tarihan'ny Ben'ny tanànan'i Guayaquil (tanàna faharoa lehibe indrindra), Jaime Nebot, ary Paul Carrasco, prefen'ny faritanin'i Azuay.

Ao amin'ny lahatsorany hoan'ny GKillCity mitondra ny lohateny hoe, ‘Inona no hitranga raha mahomby ny #FueraCorreaFuera (#MialaCorreaMiala) ?’, no  amelabelaran'i analyst Matthew Carpenter-Arévalo (Teraka Kanadiana, saingy Ekoateriana ara-panahy), mpanadihady, fandresen-dahatra fa tafiditra ao anatin'ny tolona heverina ho toy ny tsy natao ny Ekoateriana an-tapitrisany :

 

Los gobiernos de turno seguirán profundizando la división ciudadana, porque su capacidad de mantenerse en el poder no dependerá de un diálogo abierto entre diferentes sectores, sino en su habilidad de mostrar la prevalencia del músculo de su militancia sobre otras. Si seguimos con golpes de Estado, no habrá fortalecimiento de las instituciones públicas, ya que ceder el control de cualquier institución significará generar debilidad y vulnerabilidad para sostener el poder. La inversión extranjera — que tanta falta nos hace para desarrollar nuevas industrias nativas— tampoco llegará, porque es justamente la inestabilidad política continúa que disuade cualquier inversión grande que genere beneficios en el largo plazo.

Mbola ampandavahana ny hatsana mampisaraka ny olom-pirenena ny governemanta amin'izao fotoana fa ny fahafahany mitoetra eo amin'ny fahefana dia tsy miankina amin'ny fifampiresahana malalaka amin'ireo sokajin'olona isan-karazany misy ao amin'ny fiarahamonina, fa eo amin'ny fahafahany mampiseho ny herim-pitolomany mandavo ny hafa. Raha mbola manohy ny fanonganam-panjakana isika dia tsy hisy ny fanamafisana ny andrim-panjakana, rehefa hidika fampandemena sy famparefoana fitazonana maharitra ny fahefana ny famoizana ny fifehezana ny andrim-panjakana. Tsy ho tonga ihany koa noho ny tsy mety ifaranan'ny fahamarinan-toerana ara-politika ny fampiasam-bola vahiny — izay ilaintsika indrindra hampivelarana ny indostria anatiny.

Raha ny momba ny fitondran'i Correa indray dia izao no soratany: “Olona na antoko politika mipetraka eo amin'ny fitondrana tsy manontany ny vahoaka ka mampidi-doza ny lamina demaokratika. Na izany aza dia tsy manamarina hanaovana fanonganam-panjakana ho solon'ny safidim-bahoaka izany.”

Ampahatsiahiviny ho an'ny Ekoateriana ihany koa fa ny demaokrasia dia tsy midika hoe manolo vondrona tsy demaokratika iray amin'ny vondrona tsy demaokratika hafa:

Cuándo el Presidente dice que solo quiere hablar con oposición “de buena fe” —seguramente definida por él—, y cuándo el experiodista/excandidato Carlos Vera dice que “con la dictadura no se debate: se combate,” están manifestando una misma cultura política antidemocrática, en la que el diálogo no se da porque la descalificación (unilateral) del otro. En una cultura democrática el diálogo es una puerta que nunca se cierra a nadie. No es un aditivo secundario a la democracia: es su esencia sagrada.

Rehefa miteny ny filoham-pirenena fa ny fanoherana ‘tsara tarigetra’ —  izay araka ny famaritany azy — ihany no ifampiresahany ary rehefa miteny ihany koa ny mpanao gazety teo aloha sady kandidà Carlos Vera fa “tsy iadian-kevitra ny jadona fa iadiana”, dia samy mampiseho kolontsaina tsy demaokratika izy roa ireo noho ny tsy fahafahana mametraka fifampiresahana noho ny fanintsanana avy hatrany ny mpifanandrina aminy. Aoamin'ny kolontsaina demaokratika ny fifampiresahana dia varavarambe tsy azon'ny na iza na iza akatona. Tsy ambinambin'ny demaokrasia izany fa io mihitsy no votoatiny manankasina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.