Olona 100.000 Isan-Taona no Ampijalian'ny Aretina Raboka sy VIH

TB patients at Sewri Hospital, Ward 3. Image by George Butler. Used with permission from MSF.

Mararin'ny raboka ao amin'ny hopitaly Sewri, Kartie 3. Sary avy amin'i George Butler. Nahazoana alalana avy amin'ny MSF.

Olona 1,1 tapitrisa manerantany no mila fikarakarana amin'ny raboka (TB) sy ny VIH miaraka tamin'ny 2013. Amin'ireo 1,1 tapitrisa ireo dia maty ny 360.000, ary mbola mipetraka ho iray amin'ny fanamby manerantany mihatra amin'izao fotoana izao ity olana ity. Afa-manimba ny sela CD4 anao ny VIH ka mahatonga ny vatanao tsy afa-miady amin'ny fivontosana sy ny aretina intsony.

Tsy tratran'ny bakterian'ny raboka ny mararin'ny VIH raha tsy hoe mifandray amin'ny olona mitondra ny bakterian'ny raboka. Saingy raha monina amin'ny firenena ahitana raboka betsaka ry zareo dia betsaka ny herijika hahatratra an-dry zareo.

Olana ara-pahasalamam-bahoaka goavana ny TB-VIH ao India, araka ny nosoratan'i Shobha Shukla ao amin'ny Citizen News Service :

According to WHO estimates, India has the highest burden of TB in the world with 2.3 million cases (out of a global incidence of 8.7 million) and about 320,000 deaths occurring annually. 5% or 0.11 million of the TB patients in India are HIV positive too. India thus accounts for about 10% of the global burden of HIV-associated TB with 100,000 patients co-infected with the two diseases annually. Without timely diagnosis and treatment, a large number of these doubly sick people are likely to die.

Araka ny fanombanan'ny OMS, India no mizaka betsaka indrindra ny raboka eto ambonin'ny tany amin'ny fahitana tranga 2,3 tapitrisa (amin'ny tranga 8,7 tapitrisa manerantany) ary tokotokony ho 320.000 ny matin'izany isan-taona. 5% na 0,11 tapitrisa ao India no mitondra ny VIH ihany koa. Manana ny 10%-n'ny mitondra VIH miaraka amin'ny raboka manerantany i India amin'izany amin'ireo marary 100.000 mifamindra ireo aretina roa ireo isan-taona. Raha tsy hita sy voatsabo ara-potoana ny mararin'ireo aretina roa ireo indray miaraka dia mety hitmbo avy roa heny ny isan'ny maty.

Tombanana ho 42.000 no matin'ny VIH-TB ao India, araka ny Fikambanana Manerantany misahana ny Fahasalamana (OMS). Ny fiakaran'ny VIH no ahiana indrindra ho mitarika aretina hafa toy ny raboka. Olana lehibe ny VIH/TB noho ny tsy fahampian'ny toerana, rivotra madio, efitra fidiovana, masoandro ary fanabeazana.

Ny fitsaboaka amin'ny Anti-retroviral sy ny fikarakarana iadiana amin'ny raboka (tiberkilaozy) ihany no fomba fitsaboana tokana misy amin'izao fotoana izao. Tsy misy amin'izao fotoana izao ny fanasitranana amin'ny VIH, na dia afa-mamono ny viriosin'ny VIH aza ny fitsaboana amin'ny anti-retroviral.

Ny dokoteran'ny Médecins Sans Frontières (MSF) no iray amin'ny fikambanana mitsabo ara-pahasalamana ireo olona mitondra ny VIH/SIDA sy ny TB ao India, indrindra amin'ireo olona voahilikilika tahaka ny vondrom-piarahamonina nanova ny fitaovam-pananahany.

Avy amin'ny lahatsary etsy ambony navoakan'ny MSF India, Iqbal, avy ao Mumbai, Maharashtra, tafavoaka velona tamin'ny raboka tsy levon'ny fanafody ny fomba nahafahany nandresy ny aretina. “Mila miaritra fotsiny, aza manaiky resy,” hoy izy. Taorian'ny niadiany ny raboka nandritra ny roa taona dia niteny izy ny farany fa efa mahatsapa tena ho mihatsara izy. Manolo-kevitra i Iqbal fa “mety hisy ny fihatsaràna, azo tsaboina ny raboka tsy sitra-panafody, afa-miaina fiainana tsotra tahaka ny rehetra ianao.”

Araka ny OMS:

TB is the most common presenting illness among people living with HIV, including among those taking antiretroviral treatment and it is the major cause of HIV-related death.

Ny raboka no aretina fahita indrindra amin'ny olona mitondra ny VIH, ary ao anatin'izany ireo olona tsaboina amin'ny antiretroviral ary io no miteraka fahafatesana misy ifandraisany amin'ny VIH.

A TB Patient.

Mararin'ny Raboka (TB). Sarin'i George Butler. Nahazoana alalana avy amin'ny MSF.

Manoratra ao amin'ny tranonkalany ny mpandravaka an-tsary George Butler, izay niasa niaraka tamin'ny MSF tamin'ny 2013 hamoaka resaka momba ny mararin'ny raboka tsy sitra-panafody:

Until now tuberculosis has been continually overlooked but is a worsening problem, especially in the major capitals of the world and particularly London.

Hatramin'izao dia mbola tsy raharahiana loatra ny raboka nefa miharatsy ny olana aterany,indrindra fa any amin'ireo renivohitra lehibe amin'izao tontolo izao indrindra fa ao Londres

Misy takaitra lalina miraikitra amin'ny VIH sy ny raboka, ary maro ny marary very asa noho io. Ankoatra ny fikarakarana ara-pitsaboana, dia fomba hafa hanampiana ny marary ny torohevitra.

Mararin'ny Raboka tsy sitra-panafody sy ny VIH miandry ny fizahana ara-potoana ao amin'ny toera-pitsaboan'ny MSF, India.

Araka ny OMS, nahavita ezaka lehibe ny governemanta Indiana hampihenana ny tahan'ny VIH/SIDA sy ny TB, amin'ny fandaniam-bola mahatratra 252 tapitrisa dolara US tamin'ny 2014 tao amin'ny programan'asa manoloana ny raboka, izay tohana avy ao anatiny ny 66 isanjaton'izany ary fanohanana iraisampirenena ny 34 isanjato.

Saingy mbola tsy ampy ny fifantohan'ny manampahefana amin'ireo aretina ireo ho an'i Shakti Garg avy ao India :

Afaka nanafoana ny lefakozatra i India tamin'ny alalan'ny misionany manokana. Fa maninona no tsy atao amin'ny programa miady amin'ny TB/VIH ny fahamehana tahaka izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.