Fanadihadiana “Mainty Loatra Raha Frantsay” Te-Hahitsy Toraka Amin'ny Resaka Volonkoditra Ao Frantsa

Screen capture of the trailer of the documentary "Too black to be French"

Pikantsarin'ny sombin-dahatsary fanadihadiana “Mainty Loatra Raha Frantsay”

Too Black To be French” [Mainty Loatra Raha Frantsay] dia lahatsarim-panadihadiana notontosain'i Isabelle Boni-Claverie, Fantsay-Ivoariana mpanoratra sady mpanatontosa sarimihetsika. Ny tanjon'i Boni-Claverie dia ny hamboraka ireo hevitra tsy voatrandraka sy hanombo-dresaka amin'ny hantsana sy ny fifanavakavahana misy eo amin'ny fiaraha-monina frantsay. Hita ao amin'ity lahatsary fanadihadiana ity ny fanehoan-kevitra sy ny famakafakana avy amin'ireo olo-malaza mpisaina sy mpiteny frantsay toa an'i Eric Fassin, Pap Ndiaye, Achille Mbembe, Patrick Simon ary i Eric Chalaye, izay miara-dalana amin'ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo olona matroka volonkoditra tsy fantatra anarana.

Ny fandresen-dahatra maventy ao amin'ny lahatsarim-panadihadiana dia ny fihariharian'ny tsy fahampian'ireo vondron'olona avy amin'ny vitsy an'isa, ny tsy fahampian'ny fankatoavana ny fisian'ny tantaram-panjanahanatany teo amin'ny fananganana ny firenena ary ny fahabangan'ny antontanisan'ny fanavakavahana any amin'ny toeram-piasana. Narehitry ny lahatsarim-panadihadiana ny diezy malaza ankehitriny ao amin'ny media sosialy mpiteny frantsay hoe #TuSaisQueTesNoirEnFranceQuand (dikantsoratra: #Fantatrao fa mainty ianao ao Frantsa rehefa..).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.