Britanika Mpivarotra Kiraro Nikarakara ‘Fitia Tsy Mba Hetra’ Hamonjena an'i Gresy Efa Nahangona Vola An-Tapitrisany Euros

Screenshot of the Indiegogo campaign page for "Greek Bailout Fund."

Pikantsarin'ny fanentanan'ny pejy Indiegogo ho an'ny “Vatsy Hamonjena ny Grika.”

An'aliny ireo nanokatra ny poketrany ho setrin'ny fanentanana iray ao amin'ny Indiegogo hanangonam-bola 1,6 miliara euros (tokotokony ho 1,8 miliara dôlara US) ho an'i Gresy ritra ravim-bola.

Tao anatin'ny telo andro, mihoatra ny 76.000 ny olona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao nanolotra vola 1,3 tapitrisa euros ary mbola mitohy ny “Greek Bailout Fund” [Vatsy Hamonjena ny Grika]. Tsy afaka nidirana nandritra ny ora maromaro ilay pejy fanentanana tamin'ny Talata teo “noho ny lazany izay nahatalanjona,” araka ny nolazain'ny Indiegogo, saingy efa miasa indray amin'izao fotoana izao.

Araka ny fanao amin'ny fanentanana fitia tsy mba hetra [nandikana ny crowdfunding], dia manome loka araka ny habetsaky ny vola omeny ny mpikarakara. Ny ankamaroan'ireo mpanolotra dia nanome 3 euros (ka nahazoan-dry zareo karatra paositra misy ny sarin'ny Praiminisitra Grika Alex Tsipras), 6 euros (salady grikan'ny feta sy oliva), 10 euros (Ouzo iray tavoahangy) na 25 euros (Divay grika iray tavoahangy). Dimy ireo nampanantena hanome 5000 euros (vakansy ho an'olondroa any Gresy).

Efa nandray bolongam-bola ho famonjena indroa miantoana tamin'ny 2010 sy 2011 i Gresy bokan-trosa. Fanampiana avy amin'ilay lazaina hoe troika—Famatsiam-bola Iraisampirenena FMI, Ny Banky Foibe Eoropeana ary ny Vaomiera Eoropeana—ary nikotringatringa tsy nisy toy izany i Gresy nanomboka hatreo noho ny fepetram-pifehezan-kibo henjana notakiana vao nahazo ireo famonjena ireo. Tokony namerina vola 1,6 miliara euros tamin'ny FMI i Gresy, saingy tsy nanaja ny fe-potoana farany ka tsy nahaloa trosa.

Efa am-bolana izao ny governemanta grika sy ireo mpampitrosa no tsy nifankahazo resaka amin'ny hanitarana ny fandaharam-pamonjena. Niantso ny hanaovana referandaoma amin'ny 5 jolay ny Praiminisitra Tsipras hanapahana raha ekena ny hampakarana ny hetra sy ny hampihenana ny fisotroan-dronono anerena azy, fepetra izay lazainy fa “manitsakitsaka an-kitsirano ny lalàna eoropeana sy ny zo fototra hiasa, hitovy ary ho hanam-pahamendrehana.”

Mandritra izany fotoana izany anefa ny ampahaefatry ny mponina dia tsy manana asa, ary niakatra ny isan'ny Grika tandindonin'ny fahantrana. “Miantraika amin'ny tena vahoaka izany,” hoy i Thom Feeney, izay nanangana ny ezaka fitia tsy mba hetra tao amin'ny pejy fanentanana. Ity mpiasan'ny fivarotana kiraro 29 taona avy ao Angletera ity no nanombana fa raha samy manome mihoatra ny 3 euros avokoa ny Eoropeana tsirairay, dia hahaefa ny trosany i Gresy :

All this dithering over Greece is getting boring. European ministers flexing their muscles and posturing over whether they can help the Greek people or not. Why don't we the people just sort it instead?

The European Union is home to 503 million people, if we all just chip in a few Euro then we can get Greece sorted and hopefully get them back on track soon. Easy.

Mankaleo ity fisalasalana manoloana an'i Gresy ity. Ny Minisitra Eoropeana mamoritra ny hozany ary mikaon-doha raha afa-mamonjy ny vahoaka grika ry zareo na tsia. Maninona raha isika vahoaka no mandray an-tanana azy?
Fonenan'olona 503 tapitrisa ny Vondrona Eoropeana, raha mba samy manolotra volaeuro kely isika rehetra dia mety afa-misintona an'i Gresy ary manantena fa hamerina azy tsy ho ela amin'ny lalan[ny fandrosoana]. Tsotra.

Niakatra tampoka ny isan'ny fanampiana tao amin'ilay fanentanana tamin'ny talara, ka niteraka lohateny tamin'ny gazety manerana izao tontolo izao, ary mbola nitohy ny fanomezam-bola tamin'ny alarobia.

Raha nahatalanjona ny zava-bitan'ilay fanentanana tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy, dia mbola lavitra kosa ny lalana ao anatin'ny dimy andro sisa tavela. Ny vola 1.309.112 euros voaangona tamin'ny fotoana nanoratana dia mbola latsaky ny iray isanjaton'ny 1,6 miliara tratrarina. Saingy hoy ny Vulpine Capital, orinasam-pampiasambola tsy miankina iray miorina ao New York tamin'ny siokany, “Raha samy manome 25 dolara avy ny mpanankarena 25% avy ao amin'ny Vondrona Eoropeana sy i Etazonia dia ho feno ny vola.”

Eo ambanin'ny lalànan'ny “Famatsiambola manatratra tanjona” araka ny fanaon'ny Indiegogo, dia hotohanana ny fanentanan'i Feeney rehefa mahatratra tanjona ambonimbony, saingy manontany ny mpandray anjara sasantsasany raha ho ampiasaina any Gresy tokoa ny vola na izany aza. Naneho hevitra i Hellmut Blumenthal avy ao Alemaina :

That felt much better than shaking my head over all the heartless comments on the web. Thanks for the idea, Thom, and let’s keep our fingers crossed …

Oh, and I agree with recent posts: the money should go to Greece no matter what.

Izany no mitontona tsara kokoa noho ny manifikifika ny lohako amin'ireo fanehoan-kevitra tsy misy indrafo ato amin'ny internety. Misaotra amin'ny hevitra ry Thom ary miandry ny tohiny amim-panantenana isika …

Ary mitovy hevitra amin'ireo lahatsoratra faramparany aho: Tokony handeha any Gresy ny vola na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana.

Raha nanoratra toy izao i Arwen Curley-Panteleakis :

This is incredible! Thanks so much to Thom Feeney and all you wonderful people from all over the world!!!

Big Big Hugs and Kisses From Greece!

Tsy mampino! Mankasitraka indrindra an'i Thom Feeney sy ianareo olona mahafinaritra rehetra avy amin'izao tontolo izao!!!

Oroka sy Fihina be avy aty Gresy!

Araho ny fifanakalozan-kevitra hita ao amin'ny fanentanana ao amin'ny Twitter amin'ny fanarahana ny diezy #crowdfundgreece.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.