#Iam76 Manome Voninahitra Ireo Mpianatra Afrikana Tatsimo Maty Nandritra ny Fitroarana tao Soweto

A photo of Soweto where the protests began before they spread in other parts of the country. Photo released under Creative Commons by Flickr user Michael Denne.

Sarin'i Soweto toerana nanombohan'ny fihetsiketseham-panoherana nialoha ny nielezany tany amin'ny faritra hafa tao amin'ny firenena. Sary navoaka ao ambany lisansa Creative Commons avy amin'ny mpisera Flickr Michael Denne.

Nalaza tao Afrika Atsimo tamin'iny herinandro iny ny diezy #Iam76 sy #June16 noho ny fahatsiarovan'ny Afrikana Tatsimo maro ny fitroarana tao Soweto tamin'ny 16 jona 1976.

The iconic image taken by South African photojournalist Sam Nzima of Antoinette Sithole and Mbuyisa Makhubo carrying and 12-year-old Hector Pieterson  after he was shot by South African police.

Sary nitoetra ho tantara nopihan'ilay Afrikana Tatsimo mpakasary fanao an-gazety Sam Nzima ahitana an'i Antoinette Sithole sy i Mbuyisa Makhubo mitondra zaza 12 taona antsoina hoe Hector Pieterson taorian'ny nitifiran'ny polisy Afrikana Tatsimo azy.

Tamin'izany andro izany, nanomboka nanao fihetsiketsehana ho fanoherana ny fampidirana ny teny Afrikaans ho teny enti-mampianatra ao amin'ny sekoly ao an-toerana, tanatin'ny didy hitsivolana mametraka ny teny Afrikaans ho teny ifandraisana nivoaka tamin'ny 1974, ny mpianatra tao Soweto.

Nahatratra hatramin'ny 700 ny tomban'ny isan'ny matin'ny bala tena izy avy amin'ny polisin'ny governemantan'ny apartheid.

Ny fitroarana sy ny famonoana ny mpianatra no nitarika ny fitokonan'ny mpiasa mainty hoditra sy ny rotaka tany amin'ny tanàna hafa tao Afrika Atsimo ary nandrisihana ny hanamafisana ny fanasaziana iraisampirenena.

Niditra tao amin'ny Twitter hahatsiahy ilay andro, Levi Kabwato, mpikatroka Zimbabweana monina ao Afrika Atsimo, nizara ny poezia nosoratan'ny mpanoratra Zimbabweana Dambudzo Marechera momba ilay fitroarana:

Ny helony : nahasahy niatrika bala mahafaty fijoroana vavolombelona tsy mety maty ataon'ny voatsindrihazolena – Dambudzo Marechera

Nanolokevitra toy izao i Ndzavi Derrick amin'ny hanaovana izay hahazakan'ny tanora tena:

Tokony hahazaka tena, arovan'ny tanora amin'ny fanambin'ny tanora fa tsy tokony hananganana Minisiteran'ny Tanora izay zaza navelan'ny Prezidansa. #Iam76

Niady ho amin'ny fanafahana ny tanoran'ny 76. ANKEHITRINY ny tanora miady hanao raharahan'irakiraka ary miady mafy hisian'ny sakafo eo ambony latabatra, tsy tokony ho #Iam76 loatra izany

Eo amin'ny fampanaovana ny tanora hahazaka tena ihany dia nanoratra toy izao i Qhuba Gumbi-Dlamini :

Raha manamarika ny faha-39 taonan'ny fitroarana tao Soweto i Afrika Atsimo dia andao avelantsika ny tanorantsika handrafitra ny politika hahatonga azy ireo ho be fanambinana

Zenaida Machado nizara ny sariitatra iray mampiseho ny fahasamihafana eo amin'ny ‘selfless generation’ (taranaka be fandavantena) tamin'ny taompolon'ny 1970 sy ny ‘selfie generation’ ankehitriny :

Ampitahain'ny mpanao sariitatra amin'ny fandavantenan'ny (selfless) tanora tamin'ny 1976 ny taranaka mpanao selfie amin'izao fotoana.

Tsy tokony hanadino ny sandan'ny fahafahany ny Afrikana Tatsimo araka ny nosoratan'i Alex Jay:

16/6/1976 Fitroaran'i Soweto: 176 no maty, an'arivony no naratra. Ankalazao ny fahafahantsika saingy aza hadinoina mihitsy ny sandany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.