Tonga ny Fotoanan'ny Orana, Mitondra Hafaliana, Aretina an-Doha ary Sary Mahafinaritra

Bangladesh welcomes monsoon after a period of scorching heat wave. Images by Reza Suman. Copyright Demotix (15/06/2015)

Mandray ny orana i Bangladesh taorian'ny hafanana henjankenjana. Sarin'i Reza Suman. Copyright Demotix (15/06/2015)

Any ho any misy olona miroboka anaty rany halohalika, any ho any misy fiara tsy mahahetsika ampovoan-dalana fa tsy mamaly ny motera, any ho any lasa nofiratsin'ny mponina an-tanandehibe ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Tahaka izany no andraisan'i Bangladesh ny vanimpotoanan'ny tsiokan'orana tamin(ity taona ity rehefa namadika ny tatatra sy ny arabe ho lasa renirano ny oram-baventy.

Koa efa hifarana ny fotoanan'ny hafanana ao amin'ny firenena, dia maromaro ireo onjan-kafanana manao ny fiainana ho tsy tanty araka ny sata avoakan'ireo mpisera Facebook eo amin'ny randram-baovaony mamaly ny fiakaran'ny hafanana. Tonga avy eo ny fotoanan'ny tsiokan'orana ka lasa mivadika mahakotsa ny hafanana manempotra. Manome lalana ny fisentoana ny fihenjanana.

Tany ahitana vanim-potoana enina i Bangladesh. Iray amin'ireny ny Barsha (manorana). Tafiditra ao anatin'ny volana Bengali Ashar sy Shrabon (tapaky ny volana jona sy tapaky ny volana aogositra) izany. Ny tsiokan'orana atsimo andrefana avy amin'ny Oalan'i Bengal no mitarika orana matevina amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena. Mahatratra ny 80%-ny rotsak'orana azo anatin'ny taona no mitranga mandritra ny Barsha.

Miarahaba ny tsiokan'orana ny olona ao amin'ny media sosialy, raha mitsikera ny fotodrafitrasa fivoahan-drano ao Dhaka, tanàna faha-11 be mponina indrindra manerantany amin'ny olona manakaiky ny 17 tapitrisa araka ny tatitry ny Firenena Mikambana tamin'ny 2014.

Nanoratra ny mpanao gazety Probhash Amin :

বৃষ্টি আমার খুব প্রিয়। বিশেষ করে বৃষ্টি ভেজা সকালে ঘুরে বেড়াতে ভালো লাগে। বৃষ্টি ভেজা সকালটা সবুজের সাথে কাটাতে ভালো লাগে। আমি জানি বৃষ্টি হলে অনেক মানুষের অনেক অসুবিধা হয়, যেমন সকালে প্রসূনকে স্কুলে দিতে গিয়ে আমাকেও ভোগান্তিতে পড়তে হয়েছে। সকালের বৃষ্টি স্কুল আর অফিসগামী মানুষকে চরম দুর্ভোগে ফেলে। আর খোলা আকাশের নিচে যাদের বাস, তাদের দুর্ভোগের তো সীমা নেই।

Tiako ny orana. Tiako ny mandeha mandomando amin'ny maraina indrindra rehefa maitso ny zavatra andehanana. Fantatro fa manasarotra ny fiainana mahazatra antsika ny orana. Tamin'ity maraina ity dia niatrika fahasahiranana ihany koa aho raha nitondra ny zanakolahy Proshun tany an-tsekoly. Ny mpianatra sy ny mpandeha birao no tena mijaly indrindra amin'ny orana vao maraina. Ho an'ireo mitafo lanitra kosa, tsy misy fitsaharana ny fangirifirian'izy ireo.

Ny mpikatroka Akku Chowdhury nanoratra tao amin'ny Facebook:

What a beautiful monsoon day to start the morning with! Walked to work in the rain as the avenue is blocked for rain and the [Bangladeshi] PM's visit!

Endrey ny hatsaran'ny marainan'ny andro manorana! Mandeha mivoaka miasa ao anaty orana ary mikatso ny lalambe satria mandalo ny Praiminisitra!

Mitondra sary marevaka hatrany ny fiavian'ny tsiokan'orana:

Water logging is very common scenerio in rainy season in Dhaka, Bangladesh. Images by SK Hasan Ali. Copyright Demotix (11/06/2015)

Efa zava-pahita mandritra ny fotoanan'ny orana ao Dhaka, Bangladesh ny tondradrano. Sarin'i SK Hasan Ali. Copyright Demotix (11/06/2015)

A passenger and rickshaw puller caught in an accident on the stagnant water at the capital’s Rajarbag intersection.

Noho ny fihandronan'ny rano, dia mitranga matetika eny an'arabe ny lozam-pifamoivoizana. Sarin'i SK Hasan Ali. Copyright Demotix (11/06/2015).

People cannot go out in the rain. The whole economy comes to a standstill. Images by SK Hasan Ali. Copyright Demotix (11/06/2015).

Tsy afa-mihetsika avokoa ny toekarena iray manontolo. Sarin'i SK Hasan Ali. Copyright Demotix (11/06/2015).

But life does not stop. People goes to destination their own way. Images by SK Hasan Ali. Copyright Demotix (14/08/2014).

Saingy tsy mijanona ny fiainana. Mandeha any amin'ny alehany araka izay eo ampelantanany avy ny tsirairay. Sarin'i SK Hasan Ali. Copyright Demotix (14/08/2014).

Na dia miharihary aza ny lesoka ateraky ny fotoanan'ny orana, dia mitondra fahatsarana miavaka sy tso-drano tsy mahazatra ihany koa izany. Mankalaza ny fotoana araka ny fombany avy ny olona.

As part of welcoming rainy season each year Barsha utsab held on Fine arts institute in Dhaka university. Images by rezasuman. Copyright Demotix (15/06/2015).

Misy fetiben'ny tsiokan'orana tontosaina isan-taona ao amin'ny Fakiolten'ny zavakanto ao amin'ny Oniversiten(i Dhaka. Sarin'i Reza Suman. Copyright Demotix (15/06/2015).

People welcomed the rain that engulfed Dhaka city after the period of hot and humid weather. Image by Bayejid Akter. Copyright Demotix (28/08/2010).

Avia avia raorana o! mivoaka eny an'arabe ihany ny olona na avy aza ny orana. Sarin'i Bayejid Akter. Copyright Demotix (28/08/2010).

Rainy days are the source of endless fun for kid! Images by Mohammad Asad. Copyright Demotix (23/08/2014).

Tsy lany lalao sy hafaliana ny ankizy rehefa andro manorana! Sary avy amin'i Mohammad Asad. Copyright Demotix (23/08/2014).

In rainy season rivers are full to the brim. People arranged boat races competition. Images by Indrajeet Ghosh. Copyright Demotix (28/09/2013).

Amin'ny fotoanan'ny orana rehefa feno hatreny imolony ny renirano, dia manao fifaninanana hazakazaka an-dakana ny olona. Sary avy amin'i Indrajeet Ghosh. Copyright Demotix (28/09/2013).

Kadam, a rainy day flower. There are many poems and lyrics in Bengali literature where mentioned Kadam flower. Image by Zakir Hossain Chowdhuy. Copyright Demotix (18/05/2013).

Kadam, voninkazo amin'ny andro manorana. Maro ny poema sy tononkira aoamin'ny haisoratra Bengali no manonona ny voninkazo Kadam ao aminy. Sarin'i Zakir Hossain Chowdhuy. Copyright Demotix (18/05/2013).

Special food of rainy days. Khichuri, Hilsa and Egg bhuna. Images by Mohammad Asad. Copyright Demotix (14/08/2014).

Nahandro Bengali manokana rehefa andro manorana. Khichuri, trondro Hilsa ary atodiakoho nendasina. Sarin'i Mohammad Asad. Copyright Demotix (14/08/2014).

Monsoon tourism in Bangladesh gives you a magnificent experience. Bisnakandi, Syhlet. Images by Anawar Shamim. Copyright Demotix (06/08/2014).

Mahafinaritra aoka izany ny manao fizahantany mandritra ny fotoan'ny orana ao Bangladesh. Bisnakandi, Sylhet. Sarin'i Anawar Shamim. Copyright Demotix (06/08/2014).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.