Afa-Mamaky ny Angano Malaza amin'ny Fiteny Koria Ankehitriny ny Mpamaky

Scan of a page of the Cree translation of Pilgrim’s Progress published in 1886. Courtesy - Kevin Brousseau.

Scan ny pejy amin'ny dikantsoratra koria ny Dian'ny Mpivahiny nivoaka tamin'ny 1886. Fahazoan-dalanaavy amin'i Kevin Brousseau.

Manana ny anjara toerana goavana eo amin'ny kolontsaina manerana izao tontolo izao ny filazan-tantara na fitantarana ho enti-mampita isan-taranaka ny fahalalana. Hita amin'ny alalan'ny fitovitovian'ireo lohahevitra fototra sy olona lalaovina ao anaty tantara hita hatrany amin'ireo kolontsaina sy fiteny samihafa ny fitovian'endrika manerantany izay fomba nentimpaharazana izany. Noho ny herin'ny fandikanteny, dia mitety ny tranon'ireo fianakaviana any amin'ny lafiny ilan'izao tontolo izao ny tantara avy any ambadika lavitra any.

Nanamarika ilay blaogera sy mpikatroka an-tserasera ho amin'ny fiteny koria Kevin Brousseau fa efa nisy namadika ho amin'ny fiteny anglisy ireo tantara Koria nentim-paharazana, saingy tsy nisy nanao kosa izany amin'ny setrin'izany rehefa tsy hita ho voavadika ho amin'ny fiteny koria ireo tantara hafa malaza [amin'ny fiteny anglisy]. Nolazainy nandritra ny antsafa nifanaovany tamin'ny Rising Voices izany :

After translating the Little Red Riding Hood and Hansel and Gretel, I realized that elderly monolingual speakers of Cree had never heard of these stories! As I read my stories to my elderly grandmother, I was struck by how much she enjoyed them, but also how closely these stories resembled Cree stories once they were read aloud in Cree.

Taorian'ny nandikako ny Ikely Misatromena sy ny Hansel sy Gretel, dia fantatro fa ireo tsy mahay afa-tsy fiteny tokana koria efa lehibe dia tsy mbola naheno mihitsy ireo tantara ireo! Tamin'ny namakiako ny tantara tamin'ny renibeko aho dia gaga tamin'ny fitiavany azy ireo sy fafa tamin'ny fifanakaikezan'ny tantara tamin'ireo tantara koria rehefa novakiana mafy tamin'ny fiteny koria izany.

Nanomboka tamin'izay fotoana izay ny faniriany hametraka ireny tantara malaza ireny ho vonona ho an'ny olona maro hafa ao amin'ny blaoginy Cree Language. Hatramin'izao i Brousseau dia nahadika angano malaza toy ny ‘kavina volamena’ sy ireo kisoakely telo, sy ny sasantsasany ao amin'ny Anganon'i Aesop amin'ny Koria Atsimo Atsinanana sy Koria Moose.

Screenshot of the first part of Little Red Riding Hood translated into Southern East Cree by Kevin Brousseau

Pikasarin'ny andiany voalohany amin'ny tantaran'Ikely Mpisatromena [petit chaperon rouge] nadika ho amin'ny fiteny koria atsimo atsinanana namboarin'i Kevin Brousseau

Cree [izay soratana ao amin'ny lahatsoratra hoe koria] no fiteny teratany mieli-patrana indrindra ao Canada, ary ahitana tenim-paritra isan-karazany ao aminy ao. Fiteny ofisialy izy ao amin'ny Zaratany Avaratra Andrefana, ary ankatoavina ho fitenin'ny vitsy an'isa any amin'ny faritany dimy. Araka ny fanisam-bahoaka Kanadiana tamin'ny taona 2006, dia tokotokony ho 120.000 eo ho eo ny mpiteny azy amin'ny fitenim-paritra isan-karazany.

Ao amin'ny blaoginy ihany koa izy dia manoratra tantara noforonina amin'ny fiteny koria, mandika ho amin'ny na avy amin'ny fiteny koria, ary mizara torohay momba ny fitsipi-pitenenana, tenim-paritra, laharanteny ary ny fomba fanoratana isankarazany. Rehefa tsy mibilaogy izy dia manao ny asany maha-Mpandrindra ny Fiteny Koria azy ao amin'ny Governemantan'ny Firenena Koria ao Quebec.

Raha jerena indray ny fisiany eo amin'ny Internety, dia voamarik'i Kevin fa niaka-danja an-tserasera ny fiteny koria tao anatin'ny taona vitsivitsy, saingy mbola “ao anatin'ny fahazazany” kosa ny fifampitam-baovaon'olontsotra Koria. Ankoatra ny blaoginy dia tanisainy ihany koa ireo tetikasa an-tserasera izay miasa ho fampiroboroboana ny fiteny, tahaka ny Cree Literacy, tambajotra iray mampiroborobo ny fiteny sy ny kolontsaim-pamakianteny koria. Misy blaogy iray antsoina hoe âpihtawikosisân soratan'ny vehivavy metisy Koria avy eny amin'ny lemaka monina ao Montreal. Ny Little Cree Books dia tetikasa an-tserasera iray mikendry ny hamoaka lahatsoratra maimaimpoana amin'ny fitenim-paritry ny Lemak'i Koria, ary ireo rehetra ireo dia eo ambany lisansa Creative Commons.

Ao amin'ny media sosialy, maroireo vondrona Facebook mizara fitaovana, fampianarana voambolana na fehezanteny fototra, na miasa ho sehatra ahafahan'ny olona mifandray amin'ny fiteny koria. Ary ao amin'ny Twitter, dia hita tsindraindray eny ny diezy #speakcree sy #nêhiyawêtân. Na i Kevin tenany aza ao amin'ny @_Kepin_ dia mizara teny fampaherezana ny hafa te-hizara ny ilay fiteny :

Aza adinoina ny #SpeakCree (miteny koria) amin'ny manodidina sy amin'ny zanakao anio. Velomy imaso ny fitenintsika!

Na dia mihabetsaka aza ny vontoaty amin'ny fitenim-paritra maro ao amin'ny fiteny koria, dia mbola maro ireo fanamby miandry ny vondrom-piarahamonina indrindra rehefa tonga eo amin'ny fomba fanoratra tsy manampaharoa, antsoina ihany koa hoe manara-baninteny, ao amin'ny fiteny ao amin'ny web. Hoy izy :

There are whole sets of characters that simply do not display properly if the website does not support the appropriate fonts. That is definitely a problem for bloggers such as myself. Although the proper fonts are selected as I draft my posts, another person’s computer may lack the fonts and as a result my blog will simply not display properly on his or her computer. This is a nuisance that often keeps people from even attempting to write in Cree online.

Misimisy ihany ireo tarehintsoratra izay tsy hiseho araka ny tokony ho izy raha tsy mahazaka ireo endriny araka ny tokony ho izy ny tranonkala. Lasa olana ho an'ny blaogera tahaka ahy izany. Na dia voafantinaaraka ny nandrafetako ny lahatsoratra aza ireo endrika sahaza azyu ireo, dia mety tsy manana ireo endrika ireo ny solosain'olona hafa ka tsy hiseho araka ny tokony ho izy ao amin'ny solosainy ny blaogiko. Fahasorenana matetika mahatonga ny olona tsy hikasa hanoratra amin'ny fiteny koria an-tserasera izany toe-javatra izany.

Ny fahavitsian'ny isan'ny olona afa-mamaky sy manoratra amin'ny fiteny koria no iray amin'ny fanamby lehibe indrindra, saingy ny fitomboan'ny fitaovana sy ny vontoaty an-tserasera ny handrisika olona maro hitrandraka ny fifandraisana amin'ny fiteny koria.

I love seeing things like this in my schools #nēhiyawe #SpeakCree

A photo posted by Skye (@ndnspeechmom) on

Tiako ny mahita zavatra tahaka izao any an-tsekoliko

Amin'ny ankapobeny dia miabo [tsara] ny setriny tamin'ny nivoahan'ny blaogy tao anatin'ny herintaona. Ny nifantohan'ny blaogy voalohany indrindra dia ilay fiteny voasoratra, ary raha oharina amin'ireo tranonkala hafa amin'ny fiteny koria dia tamin'ny fiteny koria no tena nanoratan'i Kevin fa tsy momba ilay fiteny koria. Vokatr'izany dia mbola ambany ihany tahan'ny mpamaky amin'ny fiteny koria voasoratra noho ny fahavitsian'ny mpisera Internet mahavaky teny koria. Na izany aza dia manantena izy ny hanampy fampitam-baovao marolafy kokoa amin'ny tetikasa amin'ny alalan'ireo rakipeo. Notononiny ny ohatra iray fa vonona ampiasaina ho amin'ny fanabeazana avy hatrany ireo dikanteny hita ao amin'ny blaoginy:

A lady from a neighbouring community was pretty excited about my Cree translation of the 3 Little Pigs and asked if she could use it in her community as a teaching resource. My hope is that more people take an interest in learning how to read our language – in the meantime, my blog will keep growing.

Nientanentana tamin'ny fandikanteny nataoko momba ireo kisoakely telo ny vehivavy iray amin'ny fiarahamonina mifanakaiky aminay ary nanontany raha azony atao ny mampiasa azy amin'ny fiarahamoniny ho ataony fitaovam-piasana hampianarana. Ny fanantenako dia ny hahaliana ny olona hianatra ny fomba famaky ny fiteninay. Mandritra izany fotoana izany dia tsy hitsaha-mitombo ny blaogiko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.