Tao Anatin'ny Horonan-dahatsary, Misaotra An'i Brezila Noho Ny Fandraisan'azy Ireo Ny Mpitsoa-ponenana

Screenshot from YouTube.

Pikantsary tao amin'ny YouTube.

Namoron-kira sy namoaka izany tao anatin'ny horonan-dahatsary ireo andia-mpitsoa-ponenana monina ao São Paulo mba hisaotra an'i Brezila noho ny fanokafam-baravarana natao azy ireo – sy hisarihana ny sain'ireo mponina ao an-toerana ny olan'ny mpitsoa-ponenana.

Mpitsoa-ponenana maherin'ny 30 avy amin'ny firenena samihafa no nandray anjara tamin'ny famokarana ilay lahatsary mozika nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Global Youth Initiative Fund, fandaharan'asan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) izay manohana ireo tetikasa ataon'ireo tanora mpitsoa-ponenana.

Mandehandeha manerana ireo toerana malaza ao São Paulo ireo mpihira amin'ny horonan-tsary ary mihira ny antony nandaozana ny tanindrazana sy ny fitsarana an-tendrony mbola atrehin'izy ireo ao Brezila – ahitana olona avy ao Nizeria, Syria sy Bangladesh, ankoatra ireo firenena hafa. Jereo ny lahatsary eto ambany misy dikantsoratra amin'ny teny Anglisy:

Niakatra 1,200% tao anatin'ny efa-taona ny isan'ireo mpitsoa-ponenana monina ao Brezila amin'izao fotoana izao, izay niteraka ahiahy sy fanavakavahana teo amin'ny vahoaka Breziliana. Araka ny tatitry ny Komitim-pirenena Breziliana misahana ny Mpitsoa-ponenana (CONARE), olona 7.700 avy amin'ny firenena 81 no manana ny sata maha-mpitsoa-ponenana ara-dalàna azy ireo, ka avy ao Syria, Kolombia, Angola sy ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny ankamaroan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.