Voahelingelin'ny Fitsidihan'ny Praiminisitra Pakistaney ny Fiainana ao Quetta

Courtesy: Demotix.com

Fitohanan'ny fiara ao amin'ny araben'i Zarghoon ao Quetta, Pakistana. Sary avy amin'ny PPIimages tamin'ny 1 Aogositra 2011. Copyright Demotix.

Nosoratan'i Adnan Aamir ho an'ny The Balochistan Point ity lahatsoratra ity. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Niato ny fiainan'ireo mponina maro, mpianatra, marary sy ny mpivezivezy ao an-tanànan'i Quetta raha tonga tao an-drenivohi-paritanin'i Balochistan ny Praiminisitr'i Pakistan tamin'ny herinandro lasa.

Araka ny vinavina sasany, an-hetsiny ireo voakasika mivantana sy ankolaka isaky ny fanapahana ny arabe ho fiarovana olona tena manan-danja na VIP ao Quetta, tanàna ahitana mponina 1 tapitrisa. Fanindiminy izao ny fiarovana VIP no niteraka fitohanana tao an-tanàna tao anatin'ny taona.

Tonga tao Quetta vao maraina ny Praiminisitra Nawaz Sharif mba handray anjara amin'ny fivoriana ara-politika eo amin'ny samy antoko All Parties Conference (Kaonferansa hoan'ny Antoko Rehetra). Notontosaina ny fivoriana taorian'ny vono olona tamin'ny bus Mastung tao Balochistan, izay mpandeha Pasthun 22 no novonoin'ireo mpitolona mitam-piadiana tao anatin'ny fanafihana ara-poko.

Tapaka avokoa ny arabe lehibe rehetra tao Quetta manodidina ny Tranon'ny Governora, toerana nanaovana ny fivoriana noho ny antony ara-piarovana. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, rehefa misy mpanao politika goavana na olona manan-danja mitsidika an'i Quetta, tapaka avokoa ny arabe lehibe rehetra ary tsy azo andehanana.

Voatery mandeha tongotra 3 kilaometatra ireo mpivezivezy miainga manodidina ny tanàna hihazo ny afovoan-tanàna noho ny lalana tapaka. Tsy mahazo miditra ao afovoan-tanàna ireo fitateram-bahoaka ary ajanona eo amin'ny fanapahan-dalana tapaka ireo mpandeha.

Voatery tsy maintsy miandry mandritra ny ora marobe ireo marary sy olona hihazo ny iray amin'ireo hopitaly lehibe ao an-tanàna alohan'ny hidirana ao amin'ny toerana, izay eo akaiky ny Tranon'ny Governora.

“Niala tao an-tanànako ao amin'ny distrikan'i Kalat aho mba hihazo an'i Quetta noho ny zavatra maika tsy maintsy vonjeko saingy noho ny fanakatonana ny arabe, tsy ho afaka ho tonga ara-potoana any amin'ny toerana tokony alehako aho,” hoy i Murtaza Baloch tamin'ny Balochistan Point. Hoy koa izy: “Tsy maintsy hiverina ao Quetta aho indray andro ary mahatonga rarintsaina (fahasorenana) ho ahy izany.”

Noteren'ny mpitantana ny tanàna hikatona ireo sekoly telo lehibe ao an-tanàna, ny Sekoly Saint François Grammar, ny Sekoly St. Joseph Convent  ary ny Sekoly Fo Masin'i Jesoa. Manamorona ny lalana ampiasain'ny praiminisitra ireo sekoly ireo.

“Isaky ny mitsidika ny tanàna ny Praiminisitray, tsy mianatra ny zanako vavy satria mikatona ny sekolin'izy ireo,” hoy i Saleem Haider, mponin'i Quetta.

Tamin'ny andro nitsidihan'ny praiminisitra, Muhammad Siddique, nilaza ny tompona fiara iray nihitsoka tao anatin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana fa tokony ho ferana ao an- tanàna misy ny faritra miaramila tsara aro ireo fivoriana lehibe sy fivezivezen'ny VIP. “Raha miahiahy ireo mponin'i Quetta ny praiminisitra sy ny governemanta Balochistan,” hoy i Siddique “dia tokony hanatontosa ny fivorian'izy ireo ao amin'ny Faritra tsara aro ao Quetta mba hialàna amin'ny rarintsaina.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.