Mety Hahazo Tombontsoa Amin'ny Vakisinin'ny Homamiadan'ny Havokavoaka Vita Tao Kiobà i Etazonia Atsy ho Atsy

Plaza de la Revolución, Havana. Photo by Martin Abegglen, used under a CC License from Wikimedia Commons.

Plaza de la Revolución, Havana. Sary avy amin'i Martin Abegglen, zon'ny mpamorona CC License, nalaina tao amin'ny Wikimedia Commons.

Ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i Shirin Jaafari hoan'ny The World ity dia navoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 12 Mey 2015 ary navoaka ato indray ato noho ny fifanekena fifampizarana votoaty.

Nitsidika an'i Kiobà ny Governoran'i New York, Andrew Cuomo, vao haingana ary nandritra ny fitsidihany, nanao sonia fifanarahana mety hanova ny fiainan'ny Amerikana maro izy.

Hanandrana ny vakIsiny tena ilaina indrindra iadiana amin'ny homamiadan'ny havokavoaka antsoina hoe Cimavax, namboarina tao Kiobà ny Ivontoerana momba ny Homamiadana Roswell Park ao New York, izay miara-miasa amin'ny Foibe Kiobàna momba ny fiarovana amin'ny aretina. Satria efa mihatsara ankehitriny ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy ny Kiobà, dia te-hahita i Etazonia raha afaka misitraka ny vakisiny izy.

Vakisiny fitsaboana izany“, hoy i Neel V. Patel, namana tonian-dahatsoratra ao amin'ny Wired, nanazava momba ilay vakisiny. Amin'ny ankapobeny, mihevitra isika fa ny vakisiny dia hanakanana aretina tsy hitranga. Miasa izy ity amin'ny fanairana ny rafi-piarovana aoanaty hiady tsara kokoa amin'ny homamiadana ary hanafika ny fivontosana amin'ny fomba mahomby kokoa.”

Amin'ny alalan'ny fifanarahana, ho afaka mijery ireo antontan-taratasy momba ny fanandramana ara-pitsaboana sy ny valin'ny toxicité ireo mpikaroka ao Etazonia, izay azo ampiasaina hamolavolana ny fangatahana amin'ny FDA [Andripanjakana Federaly misahana ny Fanafody]. Raha azo ny fankatoavana dia afaka manomboka ny andrana ara-pitsaboana ny Roswell.

Miandry fotoana elaela ny vakisiny vao ho vonona ao Etazonia; mety tsy ho tafavoaka mihitsy aza. Na dia izany aza dia mampanontany tena ny fikarohana nahavitan'i Kiobà voalohany ny vakisiny.

Niharan'ny fahirano henjana nandritra ny taona maro i Kiobà ary toa sarotra ny mahavita mamorona vakisinin'ny homamiadan'ny havokavoka. Nanontanian'i Patel tamin'i Paul Drain ao amin'ny Sekolim-Pitsaboana ao Harvard izay nanao fikarohana ara-pitsaboana sy bio-teknolojia tao Kiobà izany.

“Mia
hiahy izy satria noho ny nanakatonana tao anaty karazana boaty fasika an’i Kiobà no tsy maintsy niasan'izy ireo tao anaty boaty fasika,” hoy i Patel.

Amin'ny teny hafa
, matetika miafara amin'ny fahaiza-mamoron-javatra bebe kokoa ny fameperana.
Nampivoitra zavatra roa hatrany ireo mpitarika Kiobàna Fidel sy Raul Castro: ny fanabeazana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana. Ohatra, nilaza izy fa raha namely an'i Kiobà tamin'ny taona 1980 ny otrik'aretina dengy, nisy ny fifantohana goavana tamin'ny vakisiny. Iray amin'ireo manana taha ambony indrindra amin'ny fahavitana vakisiny i Kiobà ankehitriny - ary nanamboatra maro ho azy manokana.

Amin'ny maha-mpanao gazety momba ny siansa, manontany tena mikasika izay fandrosoana ara-pitsaboana hafa mety ananan'i Kiobà ka ahazoan'i Etazonia misitraka i Patel .

Iray amin'ireo olana nitranga ampolotaonany vitsy izany. Tsy misy tena mahafantatra amintsika,” hoy izy.

Saingy manantena izy fa hitondra fifanakalozana ara-pitsaboana sy ara-tsiansa bebe kokoa hahazoan'ny firenena roa tonta tombontsoa ny fifandraisana eo amin'i Kiobà sy Etazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.