Ao Bangladesh, Zavatra Taloha ny Cyber Cafés

Now internet access is more easy through cell phones. So users doesn’t want to go to distant cafés. Image by Sony Ramany. Copyright Demotix (21/10/2014)

Tsotra kokoa amin'izao fotoana izao ny fidirana Internety amin'ny alalan'ny finday, ka tsy mankany amin'ny cyber cafés ny mpiserasera. Saripikan'i Sony Ramany. Copyright Demotix (21/10/2014)

Mikatona tsirairay noho ny fahazoana miditra internet mora amin'ny alalan'ny finday ny cyber cafés ao Bangladesh izay fantatra ihany koa hoe Ivo Internety. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Fikambanan'ny Tompon'ny Cyber Café ao Bangladesh (CCOAB), tao anatin'ny dimy taona dia mihoatra ny 40 isanjaton'ny cyber cafés ao an-toerana no nikatona, taorian'ny fihenan'ny isan'ny mpanjifa tampoka.

Dimy taona lasa izay, 2000 ny isan'ny cyber cafés nanerana ny firenena. Amin'izao fotoana izao, nidina ho 800 izany isa izany. Nahafahana namoronana asa maro ny indostria taloha ary ny totalin'ny fampiasam-bola tao anatin'ny 15 taona dia 1,5 miliara Tk ($19 tapitrisa).

Inona ny niova? Mora kokoa ny finday raitra amin'izao fotoana izao, taka-bidin'ny karaza-mpiserasera rehetra. Manolotra Internety haingam-pisosa (tonga hatramin'ny 3.5G) amin'ny sanda ahafahan'ny olona mampiasa azy na ao an-trano na aiza na aiza ireo orinasa mpanao raharaham-pinday.

Nisonga ny indostrian'ny cyber-café tao Bangladesh tamin'ny 2006, raha nitosaka tamin'ny alalan'ny hosina iray avy any ambanin'ny ranomasina ny fidirana internety tao amin'ny firenena. Niroborobo haingana ny fandraharahana—tany amin'ny faritra maro tao an-drenivohitra tamin'ny voalohany aru manerana ny firenena avy eo. Miezaka ny miavo-tena amin'izao fotoana izao ireo cafés ireo amin'ny alalan'ny fanaovana raharaha hafa tahaka ny fotokopia, fanaovana printy, fametrahana fangatahan'asa, fianarana ny fotopototry ny solosaina, fitrohana hira sy sarimihetsika, ary maro hafa.

Araka ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh (BTRC), manana mpiserasera internet 44,6 tapitrisa ny firenena tamin'ny Marsa 2015 ka ny 43,2 tapitrisa amin'ireo dia misoratra anarana amin'ny Internety finday.

Efa manolotra karazan-tolotra isan-karazany amin'izao fotoana izao ny mpanao raharahan'antso am-pinday katafiditra amin'izany ny serasera ahafahan'ny mpanjifa miditra mora amin'ny Habaka amin'ny fitaovana finday na solosaina. Vokatr'izany dia tsy mila loatra ny cyber cafés ny olona, ankoatra ny fanaovana printy na noho ny hamehana.

Saingy Taona vitsy lasa izay, hafa ny toe-draharaha. Ny Cyber cafes ihany no safidy tokana ahafahana miditra amin'ny internety haingam-pisosa hanovan-javatra maro samihafa.

Raha mahatsiaro ireny fotoana mbola tsy dia lavitra loatra ireny akory, raha fomba tokana ahafana miditra amin'ny Internety hiangam-pisosa any Bangladesh ny cyber café, no manoratra i Sanat Paul Chawdhury :

ছাত্র ছিলাম যখন, তখনও দেশে আজকালকার মত মোবাইল ইন্টারনেটের চল ছিলনা, ডায়াল আপের সুযোগ সীমিত থাকায় বিশ্ববিদ্যালয়ের ল্যাব আর সাইবার ক্যাফেই ছিল ভরসা।

Tamin'ny fotoana naha-mpianatra ahy, tsy mbola nisy tahaka ny amin'izao fotoana izao ny Internety Finday. Voafetra ihany koa ny fifampiantsoana an-tserasera, ka dia tamin'ny laboratoaran'ny Oniversite sy ny cyber cafés ihany no niankinanay.

Tamin'izany fotoana izany anefa dia dia miadam-pisosa loatra ny Internety ary nitaraina matetika ny olona. Nanampy i Chawdhury:

তখন সাইবার ক্যাফেতেও ছিলো স্পীডের হাহাকার, এখনকার মোবাইল ইন্টারনেট এর চেয়েও অন্তত: ৪/৫ গুন কম স্পীডেই ব্যবহার করতে হতো।

Tamin'izany fotoana izany, niadam-pisosa loatra ny Internety tao amin'ny cyber cafés. Miadana in-4/5 miohatra amin'ny halakin'ny Internety finday amin'izao fotoana.

Izany fotoana izany, maro ny olona nankany amin'ny cyber cafés hikarajia an-tserasera fotsiny:

২০০৬ বা ০৭ সালের কথা। আমি তখন সাইবার ক্যাফেতে গিয়ে নেটে বসতাম। তখন ফেসবুক খুব একটা জনপ্রিয় ছিলনা। চ্যাট করার জন্য ইয়াহু মেসেঞ্জার ছিল দারুন আকর্ষণীয় প্লাটফর্ম। ইয়াহু চ্যাটরুমে ঢুকে অচেনা মানুষের সাথে চ্যাট করাটা ছিল দারুন এক্সাইটিং একটা কাজ।

Nizatra nankany amin'ny cyber cafés hitety ny habaka aho tamin'ny 2006-7. Tsy nalaza ny Facebook tamin'izany fotoana izany, saingy nalaza tokoa hikarajiana ny Yahoo Messenger. Zatra miditra efitra fikarajiana aho hifosafosa amin'olon-tsy fantatra aho. Nahahendrahendratra tokoa izany fotoana izany.

Mifototra amin'ny fandoavan-tsara isan'ora ny Cyber cafés. Manina ireny fotoana ireny i Vagabondreal:

খুলনাতে তখন খুব বেশি সাইবার ক্যাফে ছিল না, দৌলতপুর এ বিএল কলেজের কাছে যেতাম অথবা নিউ মার্কেটে, ঘণ্টা ২০ টাকা, ঠাস করে শেষ হয়ে যেত এক ঘণ্টা, মনে হত, দোকানদার কি ঘড়ি কাটা জোরে ঘুরানোর সিস্টেম করছে নাকি! বসলাম আর শেষ!

Tsy mbola maro ny cyber cafés tao Khulna tamin'izany fotoana izanyn. Nandeha nankao Doulatpur, akaikin'ny kolejy BL na tao amn'ny Tsena Vaovao izahay. Nahazatra azy ireo ny mampandoa 20 tk. (25 cents) isan'ora. Minoa ahy fa mora misidina kely io ora io. Zatra nifananihany izahay tamin'izany fotoana izany fa tahaka ny mampandroso ny ora hahahaingana ny fotoana ny mpikarakara ny cyber café. Tahaka ny mipetraka fotsiny izahay dia tapitra sahady ny ora.

Blaogera iray mitondra ny anarana Adimpurush nilaza ny ningitrihany handehanana any amin'ny cyber cafés:

সাইবার ক্যাফেতে স্কুল পালিয়ে ঘন্টার পর ঘন্টা কানে হেডফোন লাগিয়ে ইয়াহু চ্যাট রুমে ভয়েস আড্ডা দিতাম। কোথায় হারিয়ে গেল সেই সব দিন।

Mpingitrika aho, nankany amin'ny cyber café, ary nandany ora maro tany; ilaozana mikarajia am-bava ao amin'ny Yahoo Chat Rooms. Ah, manina ireny andro ireny indrindra aho.

Ho faly anefa ireo mpiserasera sasany mahatsiahy ny “fahiny” raha mahare ny fanambaran'ny fanjakana Bangladeshi hitondra ny cyber café any amin'ny tanànakely rehetra manerana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.