Asehon'ny Tahirin-kevitra Fa Efa Maty Paika Ireo Fanafihana Ny Biraon'ny Fampielezankevitry Ny Antoko Tiorka Mpanohitra

slider__ZB74E

Nahomby hatrany ny fampielezankevitry ny HDP mpomba ny Kiorda (Antoko Demaokratikam-Bahoaka) aty alohan'ny fifidianana izay ho solombavambahoaka ao Tiorkia hatao ny 6 Jona, sady ety anaty aterineto no any anaty biraom-pifidianana. Ho an'ny sasany dia misy fifandraisana tsy dia milamina loatra ao amin'io zava-misy io sy ireo andiam-panafihana ny biraon'izy ireo manerana ny firenena.

Tamin'ireo kabarin'ny fampielezankeviny i Selahattin Demirtaş, filoha mpiara-mitantana ny antoko dia nanome vàhana ny teny tsara lahatra mahasarika ho amin'ny fampiraisam-pirenena, ahatsiarovana, hoy ny sasany, ilay tanora Recep Tayyip Erdoğan, filohan'i Tiorkia amin'izao fotoana izao. Efa ho ampolo taona izao ny AKP an'i Erdoğan (Antokon'ny Rariny sy ny Fandrosoana) no nanjaka tokana tamin'ny resaka politika teo amin'ny firenena, ary nanao ny fanamby goavana avy tamin'ny HDP ho tena zava-dehibe.

Iray amin'ireo fepetra faran'izay henjana amin'ny rafi-pifidianana ao Tiorkia ny fetra kely indrindra ny 10% manerana ny firenena ho an'ireo antoko. Na eo aza ny fanipihana ny maha-zava-dehibe ny fifidianana sy ny fampivangongoana azy ireny ho ao anaty rafitra iray demaokratika, tsy voatosika mihitsy hampidina io fetra io ny AKP mba hampisy ny fandraisana anjara bebe kokoa.

HDP no iray amin'ìreo tena voa mafy amin'ilay fetra. Mba hahazoany seza tao amin'ny parlemanta, mba handinganana io fetra io dia nila nisoratra tamin'ny anaran'ny tsy miankina ireo solombavambahoakan-dry zareo tamin'ireo fifidianana teny aloha.

Na izany aza, ny fomba nandrafetana ilay rafi-pifidianana dia midika fa mitondra mankany amin'ny fahavitsian'ny seza ho an'ireo tanàna Kiorda ilay izy, hahazoan'ny AKP ny seza sisa tavela.

Amin'ity indray mitoraka ity, ezahan'ny HDP toherina ilay fetra, ao anatin'ny hetsika iray izay mety hanorotoro ireo maro an'isan'ny AKP ao amin'ny parlemanta.

Eto ny fitaovana iray faoavana sarintsarim-pifidianana dia mampiseho fa tsy hisy fiantraikany amin'ireo antoko heverina fa toa ho tafiditra ao amin'ny parlemanta ny fandinganan'ny HDP ny fetra 10% — MHP (Antokon'ny Hetsika Nasionalista) sy ny CHP (Antokom-Bahoaka Repoblikana) — saingy ho kapoka mirivorivo ho an'ny AKP ny fisian'ny antoko faha-efatra ao amin'ny parlemanta. Na ny fitaovana iray tsotsotra kokoa fanaovana sarintsarim-pifidianana koa aza dia mampiseho vokatra tahaka io.

Ny kajikajy ara-tarehimarika momba ny fifidianana aloha hatreto dia manome tombony betsaka ho an'ny HDP ho an'ny fifidianana ho fitsipahana ataon'ireo izay mikatsaka ny hibahanana ny AKP tsy hifehy ny rantsana mpanao lalàna. Ny HDP ihany koa dia tahàka ny niofo ho aminà olana tokana, antokom-paritra amin'ny fanaovana fampielezankevitra momba ny sehatr'olana efa voafaritra ho zava-dehibeho an'ny olom-pirenena manerana ny firenena, fa tsy ny an'ireo Kiorda vitsy an'isa irery ihany.

Mandritra izany fotoana izany, misy ireo tatitra miresaka fanafihana atao amin'ireo biraon'ny fampielezankevitry ny HDP maneraka an'i Tiorkia, ny sasany amin'ireny nampiasàna zava-mipoaka ka niteraka faharatràna ho an'ireo mpiasa ao amin'ny antoko. Nanameloka mafy ireny fanafihana ireny ireo solontenan'ny antoko AKP eo amin'ny fitondràna.

Nampiasa ny Google Map ny vondrona iray misy ireo mpanohana ny HDP mba hamoronana sarintany iray maneho ny toerana nisy ireny fanafihana ireny.

Taty aoriana, Efe Kerem Sözeri namorona tahirin-kevitra fototra izay misokatra ho an'ny rehetra amin'ny fampiasàna ny Google Spreadsheets, ametrahana ao anaty sarintany ireo fanafihana manjo ny HDP sy ireo antoko politika hafa.

143190370178d2e1

Niainga avy amin'ireo tahirin-kevitra voaomana, ny sary eto ambony dia mampiseho ireo fanafihana ny biraon'ireo antoko politika, teo anelanelan'ny 1 Febroary sy ny 17 May, miaraka amin'ireo an'ny HDP (volomparasy) miakatra be tsy misy toy izany aty amin'ny vanim-potoana akaikin'ny fifidianana.

Tahaka ny hita hoe efa tetika maty paika ny an'ireo izay mikendry ny hampiasa ny karatra ‘joker’ amin'ity fifidianana ity.

Ity lahatsoratra ity dia faharoa amin'ireo andiany ijerena ny fomba andraisana anjaran'ny fitaovana ety anaty serasera amin'ny dingam-pifidianana ao Tiorkia. Raha hamaky misimisy kokoa, jereo  azafady ny: Fandrakofana ny Fifidianana Solombavambahoaka ao Tiorkia, Fitaovana Iray Ho anà Fotoana Iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.