Tantara Iray Miresaka SIDA, Fitiavana ary Fiavotan-tena ao Kiobà

Yohandra, sentada, y Gerson son de las pocas personas que conservan memorias del sanatorio de Pinar del Río. Entre ambos lograron rescatar los expedientes médicos de varios pacientes que murieron, muchos de ellos sus amigos.

Yohandra (mipetraka) sy Gerson no anisan'ny vitsy mitana fahatsiarovana ny Pinar del Río Sanitarium ao Kiobà. Izy roa dia samy afaka naka ny antotan-taratasim-pitsaboan'ireo marary maro maty tao, ka ny maro tamin'ireo dia namany. Saripika: Radio Ambulante.

Ao Kiobà i Gerson sy i Yohandra dia fantatra amin'ny maha- “freaks” (frikis amin'ny teny espaniola izay azo adika hoe hafahafa na tsy mahazatra), vondron'olona nirona tanteraka tamin'ny rock sy ny metaly mavesatra nandritra ny taompolo 1980 sy 1990. Mihoatra noho ny fialamboly ny rock raha hi-“freaks”; fomba fiaina iray tahaka ny fivavahana izy io. Anisan'ireo tena vitsy sisa tavela amin'ireo taranaka indray nihira taminy i Gerson sy i Yohandra. Miaina ao amin'ny faritany kiobàna ao Pinar del Río, izay efa nijoroan'ny sanitarium – tobim-pitsaboana na hopitaly – iray natao isorohana ny fielezan'ny valan'aretina VIH/SIDA nandritra ny taompolo 80s sy 90s ry zareo. Rehefa nirodana izany toerana izany dia ny antontan-taratasim-pahasalamana izay nezahin-dry zareo hotehirizina sy ny fahatsiarovan-dry zareo sisa no tavela

Ary amin'izany no anombohanay ny fiaraha-miasa vaovao eo amin'ny Global Voices sy ny Radio Ambulante, mpamokatra tantara amin'ny fampielezam-peo any amin'ny firenena rehetra misy vahoaka miteny espaniola, ka tafiditra amin'izany i Etazonia.

Ilay mpanoratra ato amin'ny Global Voices sady mpanangom-baovaon'ny Radio Ambulante Luis Trelles (@cu_bata) no mitondra antsika ny “The Survivors” (Ireo Sisa Velona), tantara iray momba ny “freaks” avy ao amin'ny Hôpitalin'i Pinar del Río. Nandritra ny Fotoana Manokana [Vanim-potoana naharavan'ny vondrona komonista ka lasa manirery i Kiobà] tao Kiobà, nitsindrona SIDA ireo mpankasitraka ny rock sy ny metaly mavesatra “freaks” mba hananana fari-piainana tsara kokoa :

Gerson: La gente prefería antes de estar viviendo en la calle, estar enfermo y venir para acá, para tenerlo todo, y de gratis que era lo que más influía, que era gratis, regalado.

Gerson: Talohan'ny nonenana an-dalambe, dia naleon'ny olona marary dia tonga teto hananana ny zava-drehetra —maimaimpoana– ary izao no singa navesa-danja indrindra: notoloram-potsiny izany, fanomezana.

Saingy ny tsy fahalalàna momba ny SIDA nandritra izany fotoana izany no nahatonga fahafatesan'olona maro :

Narrador: Pero había tanto que no sabían acerca del virus. Aún no se hablaba públicamente de la epidemia, ni de la forma en que se contagiaba. Los frikis que se inyectaban eran casi todos hombres y no sabían que podían infectar a otra gente a través del contacto sexual.

Mpitantara: Saingy mbola kely loatra ny torohay momba ny tsimok'aretina. Mbola tsy niresaka miharihary momba ilay valan'aretina ny olona, sy ny fomba fifindràny. Lehilahy ny ankamaroan'ireo “freaks” nitsindrona ny aretina tao aminy; tsy fantatr'izy ireo fa mety hamindra ny hafa amin'ny alalan'ny firaisam-batana izy ireo.

Henoy eto ny tantara manontolo amin'ny teny espaniol:

Ary jereo ny tantara amin'ny teny espaniola misy dikantsoratra amin'ny teny anglisy ao amin'ny YouTube:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.