Mailaka Tafaporitsaka Mamoaka ireo Teny Nolazain'i Vladimir Putin Tamin'ireo Mpitondra any Ivelany

Edited by Kevin Rothrock.

Namboarin'i Kevin Rothrock.

Namoaka angona mailaka vaovao voalaza fa avy amin'ireo manampahefana ao Kremlin ny vondrona misitery mpamoaka tahirin-kevitra fantatra amin'ny anarana ho Anonymous International, izay miresaka mikasika ireo fihaonana maromaro nandritra ny sakafo atoandro sy hariva teo amin'i Vladimir Putin sy mpitarika isan-karazany any ivelany.

Anonymous International, izay lazaina matetika ho Shaltai Boltai (“Humpty Dumpty”), no namoaka andiana mailaka maromaro tao anatin'ny roa taona mikasika ny sivana amin'ny media, ny adin'i Kremlin amin'ny Rosiana mpanohitra ary ny ady ao Okraina.

Tsy dia misy dikany ity vaovao tafaporitsaka farany ity (tsy ahitana afa-tsy mailaka 36 ihany) na angamba adaladala (noho ireo vazivazy sasany an'i Putin), saingy manome fijery mikasika ny fifandraisan'i Putin an-taonany maro amin'ireo mpitarika tahaka ny Praiminisitra Italiana teo aloha Silvio Berlusconi, ny Filoha Finlandey teo aloha Tarja Halonen ary ny Filoha Kazakh, Nursultan Nazarbayev.

Azo alahatra ao anatin'ny tatitra karazany telo ireo mailaka tafaporitsaka: safidin-tsakafo tamin'ny fivoriana natrehin'i Putin, famintinana ny sakafo nokarakaraina nandritra ny fivorian'i Putin tamin'ireo mpitarika any ivelany, ary ny tena mahaliana dia ny resak'i Putin tamin'ireo olona nasainy. Nalefa tany amin'ny Concord Catering, orinasa naorin'i Evgeny Prigozhin, lehilahy iray voalaza fa “tompon'ny toeram-pisakafoanana ankafizin'i Vladimir Putin”, ny mailaka rehetra.

(Raha hijery torohay bebe kokoa momba ny Concord Catering, jereo ny akon'ny tantara navoakan'ny RuNet Echo tamin'ny Jona 2013 momba ny “The Kremlin's Kitchen.”na ny Nahandron'i Kremlin)

Mampihomehy ny ankamaroan'ireo mailaka, saingy tsy dia miavaka loatra raha jerena amin'ny lafin-tsarintany ara-politika. Ohatra, tatitra efa tamin'ny 28 Desambra 2010 avy ao amin'ny sambokely natao efitra fihinanana  River Palace, milazalaza ny fisotroana tequila alindalina tamin'ny fahatongavan'i D.S Peskov, izay toa manondro ilay mpitondratenin'i Putin be volombava, Dmitry Peskov Sergeyevich.

Гораздо позже, приблизительно в 23.00, приехал Песков Д.С. Все сразу оживились, и активно начали пить текилу. Хочу заметить, что к концу вечера все были изрядно пьяны, в том числе и Песков Д.С. Мероприятие должно было закончиться в 00.00, а закончилось в 02.00. Все гости были довольны и уходили в хорошем настроении.

Efa somary taratara, manodidina ny amin'ny 11:00 alina vao tonga i D.S Peskov. Velombelona avokoa ny rehetra ary nanomboka nisotro tequila am-pahavitrihana. Tiako ny manamarika fa somary mamo avokoa ny rehetra, anisan'izany i Peskov. Tokony hifarana sasakalina ny fety saingy tsy tapitra raha tsy tamin'ny 2:00 maraina. Faly avokoa ireo olona nasaina rehetra ary nody tamim-pifaliana.

Maro ny mahatsiaro ny fihiran'i Putin ny “Blueberry Hill” (ratsy) laza ankehitriny, nankalazain'ilay mpitendry piano sady mpihira-mpamoronkira Amerikana, Fats Domino.

Araka ny hita amin'ireo mailaka tafaporitsaka, roa andro taorian'ny fampisehoan'i Putin tamin'ny 10 Desambra nandritra ny hetsika asa soa iray, nikarakara ny fitsidihan'ny delegasiona Finlandey, izay ahitana ny Filoha Tarja Halonen tamina fihaonana manokana indray izy :

В Лобби баре Владимир Владимирович попросил музыкантов уступить пианино и исполнил для финской делегации «Blueberry Hill». После чего поблагодарив персонал, музыкантов и всех присутствующих, гости покинули ресторан.

Tao amin'ny Lobby Bar, nangataka tamin'ireo mpihira mba hamela azy hitendry piano i Putin, ary nihira ny “Blueberry Hill” ho an'ny delegasiona Finlandey izy. Nisaotra ireo mpiasa, mpiangaly mozika sy ny rehetra tao i Putin, ary nandao ny trano fisakafoanana avy eo ny vahiny.

Feno tantara fohy momba ireo resadresaka manokana sy fisakafoanana mahazatra an'ireo mpiasam-panjakana ambony Rosiana ny mailaka tafaporitsaka, anisan'izany ny Praiminisitra (Filoha tamin'izany fotoana izany) Dmitry Medvedev, ny Lehiben'ny ny Fiadidian'ny Filoha Sergey Ivanov sy ny Minisitry ny Fiarovana Sergey Shoigu.

Misy ihany koa ny fanazavana mahaliana mikasika ny fijerin'i Putin ny andraikitry ny haino aman-jery rehefa hanapa-kevitra izy. Tamin'ny 10 Septambra 2010 ohatra, niresaka ny fomba fifaneraseran'izy ireo amin'ny gazety i Putin sy i Berlusconi:

СБ поинтересовался, читает ли ВВ прессу перед сном. Оказалось, что нет. Чтение прессы является одной из причин по которой СБ ложиться спать столь поздно, так как около 01:30 ночи становятся известны «шапки» и содержание основных печатных изданий. ВВ возразил, что прессу не читает не только перед сном, но и вообще старается этого не делать, чтобы его мнение и дальнейшие решения не попадали в зависимость от мнений журналистов и редакторов. Лидер государства, по мнению ВВ, должен самостоятельно принимать решения, и не ориентироваться (оглядываться) на СМИ.

Nanontany Atoa Berlusconi raha mamaky vaovao Atoa Putin alohan'ny hatoriana. Ny valiny, raha ny fahitana azy dia tsia. Anisan'ny antony mahatonga an'i Berlusconi matory tara ny famakiana vaovao, satria tsy fantatra raha tsy amin'ny 1:30 maraina ireo lohatenim-baovao sy votoatim-baovao lehiben'ireo haino aman-jery lehibe. Nilaza Atoa Putin fa tsy vitany ny tsy mamaky vaovao fotsiny izy alohan'ny hatory fa miezaka miala amin'izany tanteraka, amin'izay tsy miankina amin'ny hevitry ny mpanao gazety sy ny tonian-dahatsoratra ny heviny sy ny fanapahan-keviny any aoriana. Ny filoham-panjakana, raha ny hevitr'i Putin dia tokony handray fanapahan-kevitra mahaleon-tena, tsy mitodika (na mijery miverina) ny haino aman-jery.

Ankoatra ny fanaposahana momba ireo fotoam-pisakafoanan'i Putin, nilaza ankolaka mikasika ny fomba nahitany ireo tahiry mailaka ireo ihany koa ny Anonymous International. Maro no naminavina mialoha fa tafiditra amin'ireo vaovao amin'ny alalan'ny fanaovana piratin'ny kaontin'ny mpiserasera ao amin'ny Cloudn'ny Apple ny vondrona, toy ny nitranga tamin'ny sarin'olo-malazan'i Hollywood izay nanafintohina tamin'ny taon-dasa. Iray amin'ireo mailaka farany tao amin'ny angom-baovaon'ny Anonymous International ny sarina hafatra iray voaray tamin'ny Apple, mampitandrina ireo fikasana maromaro hiditra amin'ny Famantarana Manokana [toy ny kara-panondro] (ID) an'olona iray ao amin'ny Apple. Manoro hevitra mba hanova ny tenimiafin'ny mpiserasera ilay hafatra.

Toa efa tara loatra anefa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.