Nametra-pialàna Ny Filoha Lefitr'i Goatemalà, Mitohy Ny Fihetsiketsehana

baldetti_renuncia

Roxana Baldetti, Filoha-lefitr'i Goatemala nametra-pialàna. Sary avy amin'ny Nomada.gt, fizakamanana Creative Commons

Nametra-pialàna ny Filoha-lefitr'i Goatemala Roxana Baldetti tamin'ny Zoma 8 May. Noho ny fanadihadiana maha-voarohirohy ny mpiara-miasa aminy akaiky indrindra - izay nandositra ankehitriny – noho ny tranga kolikoly goavan'ny governemanta fantatra amin'ny hoe La Linea no anton'ny fialàny.

Maneho ny fandresen'ny tolona amin'ny tsimatimanota ao Goatemala ny raharaha hanenjehana an'i La Linea & hetsika sosialy naterak'izany.

Notarihan'ny Vaomiera Iraisampirenena Miady amin'ny tsimatimanota (ICAI) ny fanadihadiana momba ny La Linea - nantsoina toy izany noho ny toa fisian’isa manokan'ireo olona mifankafantatra tsara afaka maiala amin'ny adidy fandoavana fadin-tseranana amin'ny fanafarana entana. Rafitra miady amin'ny kolikoly ao Goatemala ny ICAI izay tohanan'ny Firenena Mikambana, ary miezaka manavotra ny andrim-panjakan'ny firenena sy mandrava ilay antsoina hoe rafi-pahefana “mirazotra”.

Nanao diabe ny olom-pirenena Goatemalteka vao haingana mba hitaky ny fialàn'ny mpitondra ambony ao amin'ny firenena, ary niteraka saina te hifety sy be fanantenana tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanambaram-pialan'i Baldetti. Naharitra 23 andro ny hetsika nanery ny fialany, araka ny voalazan'ny fizotran-tantara novokarin’ny tranonkalam-baovao nomada.gt.

Namarana ny tatitra momba ny fametra-pialàna tamin'ny fanamarihana toy izao ny Nomada.gt

Iray amin'ireo teny faneva eny an-dalamben'i Goatemala ny “Tonga ny Lohataonan'ny Goatemalteka”. Mitaky ny fialàn'ny Filoha Otto Perez ny vahoaka.

Mazava loatra, ho an’ny ankamaroan'ny Goatemalteka, tsy ampy ny fialàn'i Baldetti. Mitaky izy ireo mba henjehina sy melohina izy sy ireo olon'ny governemanta voarohirohy tamin'ny raharaha La Linea sy amin'ny raharaha hafa.

Ary satria an-jatony ireo hanao fihetsiketsehana eny an-dalambe androany, ho mafampàna ny amin'ny herinandro ambony manoloana ny fifampiraharahana henjana ara-politika mikasika izay hisolo ny Filoha lefitra.

Mitranga izany rehetra izany satria eo am-panomanana ny fifidianana amin'ny Novambra ao anatin'ny fotoana mahatandindonin-doza ara-politika sy ara-toekarena ny Kongresin'i Goatemala - tena hoe Kongresy ao anatin'ny Fampielezan-kevitra”.

Aoka ny fialàn'i Baldetti ho fanombohan'ny fanovana rafitra

Ankoatra ny ICAI, ny hery tao ambadiky ny fandroahana an'i Baldetti dia ny taranaka tanora Goatemalteka eo ampisandratana mavitrika sy mitsikera, maro amin'izy ireo no teraka tamin'ny fotoanan'ny filaminana sy ny demokrasia, izay vonona hanampy fototra sy dika amin'ny dikan'ny teny.

Raha manao fandresen-dahatra miafina ao anaty efi-trano mikatona ny fampahalalam-baovao mahazatra voakolikoly sy ireo vato nasondrotry ny tany maintimolaly, dia vonona hidina an-dalambe sy hitaky ny mangarahara, fandraisana andraikitra ary fiovana marina hoan'ny rafitra ara-politika tsy mivoatra ity taranaka tanora ity
.
Noho izany, satria mieritreritra hifantina Filoha Lefitra telo avy amin'ny natolotry ny mpanatanteraka ny kongresy, dia sarotra tanteraka ny toe-draharaha ara-politika ao Goatemala.

Mampanontany zavatra maromaro n
y fialàn'i Baldetti manokana : Hahavita hifaninana amin'ny fifidianana hoavy ve izay vaovao voatendry? Inona no hitranga raha miala ny filoha ankehitriny, noho ny fitakiam-bahoaka? Mety hisy fifidianana filoham-pirenena mialoha ve ao anatin'izao toe-javatra ara-politika vaovao izao? Hahavita handositra ny firenena miaraka amin'ireo fananany ve i Baldetti, handositra sazy ihany koa
?

Ao anatin'ny fiovana tanteraka ny politika ao Goatemala; ary mety ho maodely vaovao raha miakatra fitsarana i Baldetti

Ny fangatahana fotsiny ny fialàn'i Baldetti dia toy ny mangataka ny hanadino sy hamela ireo sangany katsentsitra vato nasondrotry ny tany nangoro-karena tamin'ny alalan'ny fandosiran-ketra

Hisafidy Filoha Lefitra vaovao avy amin'ny lisitra 3 ho atolotry ny Prez ny Kongresy

Raha mankatò ny fialàn'ny Filoha Lefitra ny Kongresy ao Goatemala; dia tafala ny tsy fahazoana misambotra azy ka hotsaraina izy

Namoaka vaovao ny tambajotra fa efa voafafa ny kaonty Twitter-n'i Roxana Baldetti:

Niala tao amin'ny Twitter i Baldetti, tsy avelantsika handositra ny firenena izy

Ho mafampàna ny amin'ny volana ambony mikasika ny hoavin'ny firenena Amerikana Afovoany madinika sy ao anatin'ny korontana. Manantena ny Goatemalteka fa ny fiovana rehetra dia fiovana ho amin'ny tsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.