Nanakatona Tranokalam-baovao Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Fahalalahan-gazety i Singapore

Screenshot of the website of The Real Singapore

Pikantsarin'ny habaky ny The Real Singapore

Nanome baiko hanakatonana ny habaka sosialy sy politika iray ny governemantan'i Singapore noho ny famoahana “votoaty manafintohina” izay voalaza fa manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny firindram-pirenena. Nambara ary nampiharina tamin'ny 3 May 2015 ny baiko, izay nifanindry tamin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahan-gazety.

Sambany ny governemanta no nanakatona habaka tamin'ny alalan'ny lalàna fahazoan-dalana ao amin'ny Fehezan-dalàna Fampiharana ny Aterineto nolaniana tamin'ny taona 2013.

Habaka malaza amin'ny fampiasana ny zavatra manaitaitra hisarihana mpamaky ny The Real Singapore (ny tena Singapore). Maro no niampanga azy ho mamoaka lahatsoratra mampiroborobo fankahalana vahiny. Saingy tamin'ny 3 May, nitsahatra niasa izy rehefa nahazo fandrahonana avy amin'ny governemanta mandidy azy hanaisotra ny votoaty ao amin'ny habakany sy ireo lahatsoratra nalefa tao amin'ny haino aman-jery sosialy tao anatin'ny adiny enina. Voampanga ho mitarika fikomiana ireo tonian-dahatsoratra ao aminy, dia ilay Singaporeana Yang Kaiheng sy ilay Aostraliana sipany Ai Takagi.

Nilaza ny Manampahefana Misahana ny Fivelaran'ny Media (MDA) fa noraisina ny baiko satria namoaka lahatsoratra maromaro nikasa “hitarika fihetseham-po mamely vahiny” ao Singapore ny The Real Singapore:

The MDA believes this editorial strategy of deceiving readers and doctoring articles was an attempt to increase traffic to TRS, and thus boost advertising revenue. In so doing, TRS, including its two foreign editors, were seeking to make profit at the expense of Singapore’s public interest and national harmony.

Mihevitra ny MDA fa ezaka hampitombo ny mpamakin'ny TRS (The Real Sigapore) izany hoe mampitombo ny vola miditra amin'ny dokambarotra ity tetikady famoahan-dahatsoratra amin'ny famitahana mpamaky sy lahatsoratra mpandrobo ity. Amin'ny fanaovana izany ny TRS misy ireo  tonian-dahatsoratra vahiny roa ao aminy dia mikendry hanangona tombontsoa mampikoro ny tombotsoam-bahoaka sy ny firindram-pirenena ao Singapore.

Efa nampahatezitra ireo mpamaky ny The Real Singapore teo aloha , saingy nampanahy ireo bilaogera, mpikatroka sy mpiaro ny fahalalahan'ny haino aman-jery ny fanakatonana azy tampoka.

FreeMyInternet, vondrona bilaogera nanohitra ny lalàna fahazoan-dalana 2013 ao Singapore namintina ny fanoherana ao anatin'ny teboka roa:

Disproportionate power vested in a statutory board, and unclear guidelines on actions to be taken against objectionable content.

Fahefana tsy mifandanja nomena ny birao ofisialy, sy tari-dalana tsy mazava mikasika ireo fepetra noraisina manoloana ny votoaty manafintohina.

Nanontany ny antony mahatonga ny governemanta nanavaka ny The Real Singapore ny vondrona kanefa misy habaka mahazatra hafa ihany koa meloka amin'ny famoahana “votoaty manafintohina” (azo saziana):

Objectionable, fabricated and plagiarised content is a regular practice in both mainstream and online media, and most certainly undesirable. But what gives MDA the right to stop the operation of a website on this basis? Websites managed by traditional news outlets have also been known to have fabricated content. Does MDA intend to take action against any website that plagiarises or fabricates content?

Votoaty manafintohina, namboarina sy nalaina tahaka no fanao tsy tapaka eo amin'ireo haino aman-jery antserasera sy haino aman-jery mahazatra, ary tena tsy ilaina ny ankamaroany. Saingy iza no manome zo ny MDA hampitsahatra ny asan'ny habaka iray noho izany antony izany? Malaza amin'ny votoaty namboarina ihany koa ireo habaka tantanin'ny fampahalalam-baovao nentim-paharazana. Mikasa handray fepetra hoan'izay habaka maka tahaka na manamboamboatra votoaty ve ny MDA?

Braema Mathi avy ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona MARUAH namariparitra ny hetsiky ny MDA ho toy ny famelezana ny fahalalahana miteny:

The Media Development Authority’s draconian measures are not the best way to do so, as they legitimise excessive intervention by the state and set a precedent for the diminution of our online space.

Tsy fomba tsara hanaovana izany ny fepetra henjana noraisin'ny MDA, satria manome rariny ny fitsabahana tafahoatra ataon'ny fanjakana izy ireo ary mitarika ho amin'ny fampihenana ny sehatra antseraserantsika.

Mitaratra ny fihetsiky ny maro manana hevitra mirefarefa momba ny The Real Singapore ny fihetseham-pon'ilay mpanoratra Ng Yi Shu:

I hate The Real Singapore. I rarely hate things, let alone express my hate for it.

It was a relief to see it go – but the MDA’s move will not resolve the underlying problems that led to the site’s proliferation.

It would not resolve the close-mindedness of Singaporeans; it would not resolve the latent irrational anger and lack of proper discourse; it would not resolve our cravings for sensationalism.

These are problems only we can solve.


Halako ny The Real Singapore. Tsy mba mpankahala zavatra loatra aho, saingy avelao hilaza ny fankahalako azy.

Mahatsiaro maivamaivana ny fahitana azy tsy eo intsony - saingy tsy hamaha ireo olana miafina mahatonga ny fahamaroan'ny tranonkala ny fihetsiky ny MDA.

Tsy hamaha ny fahateren-tsain'ny Singaporeana izany; tsy hamaha ny fahatezerana tsy ampisainana sy ny tsy fisian'ny fomba fiteny sahaza an'izany; tsy hamaha ny filan-dratsintsika hitady zavatra manaitaitra izany.
Ireo no olana hany azontsika vahana.

Mpanoratra iray hafa, Banalysis manontany ny fihetsika tafahoatra ataon'ny fitondram-panjakana amin'ny “habaka noharatsiana“:

If a discredited website run by three amateurs could undermine the social fabric of our nation, then our supposedly robust and resilient racial-religious harmony is but a happy delusion. Surely fifty years of nation building can’t be threatened by some second-rate news site.

Raha afaka manohintohina ny fijoroana ara-tsosialin'ny firenentsika ny tranonkala iray noharatsiana tantanin'olona telo tsy matihanina, dia tsy inona fa alonalom-pifaliana ilay heverina fa firindrantsika ara-poko sy ara-pivavahana matanjaka sy tsy voahozongozona. Azo antoka fa tsy ho voarahon'ny tranokalam-baovao sasany tsy mankaiza ny dimampolo taona nananganana ny firenena.

Nanamarika ilay mpanoratra gazety Kirsten fa tsy voahaja ny dingana tokony arahina satria mbola tsy tapitra ny raharaham-pitsarana fikomiana niampangana an'ireo tonian-dahatsarotra roa :

It’s not freedom if the state has the power to order a shutdown even before due process at the courts has been concluded, and we’re meant to feel relieved and grateful that they’ve only done it once (so far).


Tsy azo lazaina fa fahalalahana raha manana fahefana hanome baiko fanakatonana ny fanjakana kanefa mbola tsy tapitra akory ny dingana tokony arahina any amin'ny fitsarana, ary natao mba hahatsiaro maivamaivana sy velom-pankasitrahana isika fa indray mandeha ihany izy ireo no nanao izany (hatreto).

Tamin'ny fanoratana ho an'ny Asian Correspondent dia mampatsiahy ireo mpanoratra momba ny loza ateraky ny lalànan'ny fikomiana ao Singapore i Carlton Tan. “Efa niseho ny maha-zava-poana ireo tsirin-kevitra manjavozavo momba ny fikomiana,” hoy izy nanoratra.

Nampitandrina i Yawning Bread, bilaogera manana raharaham-pitsarana ankehitriny noho ny fanakianana ny fitsarana fa raha kely indrindra dia fandrahonana no azon'ny The Real Singapore raha oharina amin'ny hagoavan'ny fahefana nomena ny MDA

That MDA is the greater and more insidious threat to us all can be seen from this very action. Shrouded in a non-transparent process, it goes out to ban a website. It flings accusations without offering proof. More dangerously, it plants the idea that it has the right to adjudicate truth and falsehood.


Ity MDA ity no fandrahonana lehibe sy mamitaka tanteraka antsika izay vao hitan'ny rehetra indrindra ny nataony. Miafina ao anatin'ny fomba tsy mangaraharamivoaka handrara tranonkala. Manao fiampangana tsy manome porofo. Ny tena loza, dia voleny ny hevitra fa manan-jo izy hanapaka ny [zavatra iray ho] marina na/sy ny lainga
.

Mampiseho ity tranga ity fa tokony hodinihina indray ny politika ‘tendry maivana’ ao Singapore raha ny fitsipiky ny aterineto no resahana, indrindra raha misy sampan-draharaha omena fahefana mihoa-pampana hanivana sy hanaisotra tranonkala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.