Nahavotra Tovovavy Chechen Tsy Hanambady Kapiteny 57 Taona Ve Ilay Mpanoratra Gazety? Tsia.

Image edited by Kevin Rothrock.

Ramzan Kadyrov, filohan'i Chechnya manajanona “ampakarina nandositra” iray. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nitatitra ny RuNet Echo tamin'ny herinandro lasa fa nahavita nanakana tovovavy Chechen 17 taona tsy hanambady kapitenin'ny polisy 57 taona tsy vokatry ny fony ny mpanoratra gazety tsy miankina Rosiana iray. Fantatra ankehitriny fa tontosa ihany ilay fanambadiana, na teo aza izany.

Nifandray tamin'i Elena Milashinampanao gazety ao amin'ny Novaya Gazeta monina ao Moskoa ilay tovovavy, Heda Goilabieva sy ny fianakaviany mba hanampy azy ireo hanohitra ny fangatahan'i Nazhud Guchigov, kapitenin'ny polisy ao an-tanànan'i Baitarki ao amin'ny distrikan'i Nozhai-Yurt, Chechnya.

Afaka nisarika ny saina  mikasika ny raharaha i Milashina tamin'ny alalan'ny fanoratana izany tamin'ny gazety sy tamin'ny aterineto. Tamin'ny 30 Aprily, raha niantso an'i Guchigov mba hiatrika azy mikasika ny fitantarana izy dia nandà i Guchigov ka nilaza fa tsy misy ny fanomanana mariazy.

Tamin'ny 6 May anefa, nitatitra tao amin'ny Facebook i Elena Milashina fa tsy nahomby ny ezaka nataony hanakana an'i Guchigov.

Вчера в новостях по грозненскому телеканалу “Вайнах” Рамзан Кадыров заявил: “Я лично послал людей, узнайте согласна она или нет?! Ничего не оставалось делать, люди … И эта девочка, ее мать сказала , что девочка согласна ! И дедушка по отцу дал слово и согласие ! И все завершено по этому вопросу ! Так говорят они!

Nanambara i Ramzan Kadyrov omaly tao amin'ny fantsona fahitalavitra ao Grozny Vainakh fa: “Nandefa olona [ho any Baitarki] aho mba hijery raha manaiky i [Goilabieva] na tsia. Tsy nisy na inona na inona natao, fa ny olona no betsaka Ary nilaza ny renin'ity tovovavy ity fa manaiky ilay tovovavy! Ary nanome alalana sy fankatoavana ny raibeny avy amin'ny rainy! Ary nilamina izany raharaha izany avy eo! Izany no nolazain'izy ireo!


Nanipika ny zava-misy i Milashina fa niantso azy ny havan'ilay tovovavy mba hisarika ny sain'i Kadyrov mikasika ny olana. Niezaka nifandray tamin'i Kadyrov tamin'ny alalan'ny fitaovam-pifandraisana ankafiziny, Instagram ihany koa ireo naman'i Goilabieva saingy tsy nahazo azy.

Nilaza i Milashina fa mety niasa ny vola tamin'ny fiovam-pon'ireo ray aman-dreny.

Жених – начальник Ножай-Юртовского РОВД… потратил большие деньги на подарки (покупку?) юной второй жены

Lehiben'ny Minisiteran'ny Atitany ao Nozhai-Yurt ny mpampakatra [ary angamba] nandany vola be tamin'ny fanomezana hoan'ny (na nividy?) vady faharoa.


Mbola nilaza i Milashina fa tsapany ny rain'ilay tovovavy ho tena tompon'andraikitra indrindra; fa raha tapa-kevitra tamin'ny fitsipahany ny fangatahan'i Guchigov izy, dia mety ho voaaro ny zanany vavy. Misy anefa ny tranga efa nisy tamin'ny fihantsiana tahaka izany, hoy i
Milashina:

Кстати, этот жених раньше сватался к другой юной девушке в этом же районе. Но ее родственники оказались более смелыми и увезли девочку.

Na izany aza, nitady tovovavy hafa tao amin'ilay distrika ihany ity lehilahy ity. Saingy lasa sahy kokoa ny ray aman-drenin'ilay tovovavy ka nitondra azy nandositra.

Naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratr'i Milashina ireo mpisera Facebook- anisan'izany ireo mpanao gazety monina ao Kaokazy Avaratra, manome tsiny ny fianakavian'i Goilabiev ho tsy nahavita nitsipaka ny fangatahan'i Guchigov ny ankamaroan'izy ireo.

Zarema Gasanova, mpanao gazety fanta-daza avy ao Dagestan nanoratra hoe: “Rehefa dinihina tokoa, dia tena misy ny olona nitsipaka tsy manan-tahotra [na dia] hoan'i Kadyrov aza.” Nampiany hoe, na izany aza, “raha amin'izany hevitra izany, Kadyrov no mety tsara tsara kokoa noho ilay polisy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.