Mpihiran'i Turkmenistan Iray Mampiakatra ny Varotry ny Apple

Kakajan in full flow. Shared on Vkontakte.

Kakajan ao anatin'ny fampisehoana tanteraka. Nozaraina tao amin'ny Vkontakte.

Vao avy nahazo dokambarotra avy amin'ny loharano tsy nampoizina ny iPhone an'ny Apple: dia kintan'ny mozika pop iray ao Turkmenistan mitoka-monina.

Vao haingana ny Global Voices no nitatitra ny fomba fanenjehan'ny governemanta ny fampiasana finday raitra tamin'ilay lahatsary notontosain'ireo ankizivavy mpianatra mandihy ny “Turn Up the Love” an'ny Far East Movement izay mbola mahazo mpijery an'arivony ao amin'ny Youtube.

Saingy tsy afaka manala azy ireo tanteraka izy ireo.

Nandrakitra lahatsary mozika orizinaly antsoina hoe “iPhone”, , natokana hoan'ny maodely finday malaza indrindra ao amin'ny firenena, mba halaza ao Turkmenistan i Kakajan Rejepov.

Araka ny filazan'ny mpaneho hevitra ao amin'ny tambajotra sosialy Rosiana Vkontakte, mahatonga anao maika hividy iPhone ilay hira.
я срочно должен купить I Phone 6 Белый, обязательно белый=)

Tsy maintsy mividy I Phone 6 Fotsy, fotsy tsy isalasalana avy hatrany aho =)

Tsy dia be pitsony ny tononkiran'ilay hira satria mampaharevo ny fidobony, fandrindrana manintona:

Ай фон белый подключаю

Рингтон клевый – не скучаю

3G ловит, я онлайн

Любовь моя, тебя скачаю

Держу крепче, не роняю

На вес легкий мой мобайл

Ай фон белый выручает

Снимает селфи абонент

 

Комент оставляй

Обновляй профайл

Ставь под фото лайк

Это каре стайл

Твой ай ди забит

Из пустых страниц

На моей кипит жизнь, будто в час пик

Ты меня в сети не ищи, я их тех, кто вечно у пути

Такси, самолеты, такси

И так протекают все дни

Куда бы меня не вели,

Ай фон это мой проводник

Давай достань мобайл,

Нажми на плей

И С-Е-Л-Ф-И

Velomy ny iPhone fotsy
Tsy hankaleo ahy ny korintsan-kira mahafinaritra
Mahazo 3G izany ary manao aterineto aho izao
Hotrohako ianao, ry malalako
Tazomy mafy tsara izy ary aza avela hianjera
Tsy dia be lanja ny findaiko
Manome tombony ahy ny iPhone fotsiko
Manao sefie ny mpampiasa azy
Manehò hevitra
Havaozy ny mombamomba anao
Asio “tiako” eo ambanin'ny sary
Kara-style ity
Voaloto ny famantarana anao manokana (ID)
Voaloton'ny pejy babangoana
Feno “tiako” ny ahy ao anatin'ny fotoana maha-be olona
Aza mitady ahy ao amin'ny tambajotra, fa mivezivezy foana aho
Fiarakaretsaka, fiaramanidina, fiarakaretsaka
Tahaka izany ny fizotran'ny androko
Na aiza na aiza alehako
iPhone no mpitari-dalana ahy
Koa avoahy ny findainao
Tsindrio ny “play”
Ary S-E-L-F-I-E.

Manana pejy VKontakte azy manokana i Kakajan izay ahitana adihevitra mafana momba ny lahatsary vaovao mandeha min'izao fotoana izao.

Gundogar Turkmen nanoratra hoe:

Bratan [bro] keep doing it like this

Tohizo Bratan [rahalahy] ny fanaovana tahaka izao

Deuxième Façon:
Какаджан молодец! Супер! Такого еще никто не делал! Клип бэт! А музыка и текст как всегда шикарные!

Mahafinaritra ianao Kakajan! Mbola tsy nisy olona nanao zavatra tahaka izao! Mahafinaritra ny lahatsary! Mahafinaritra toy ny mahazatra ihany koa ny mozika sy ny tononkira

Asadbek Ibragimov:

Luchshiy iz luchshih

 Ianao no tsara amin'ny tsara indrindra

Be fitiavana i Kakajan amin'ny valinteniny hoan'ireo mpankafy azy:

Всем очень благодарен ваши комментарии вдохновляют друзья

Misaotra ny rehetra. Ry namana, manome aingam-panahy ahy ny fanehoan-kevitrareo

Photo from official VK page of Kakajan Rejepow http://vk.com/kako6?z=photo184680950_363815178%2Falbum184680950_00%2Frev

Sary avy amin'ny pejy VK ofisialin'i Kakajan Rejepov.

Tahaka ireo mpanakanto Turkmen hafa, izay efa nosoratan’ny GV teo aloha, mifantoka amin'ireo lohahevitra tsy miresaka politika tahaka ny fitiavana sy fiainan'ny tanora ao amin'ny renivohitra Ashgabat ireo hiran'i Kakajan.

Na dia tsy ao anatin'ireo mpanakanto “ethno-pop” (mpihira ara-poko) mahazatra asandratry ny governemanta aza izy noho ny lahatsary tahaka ity iray ity, mbola iray amin'ireo mpanakanto malaza indrindra ao amin'ny firenena izy.

Nisy lahatsary iray hafa ao amin'ny YouTube mampiseho an'i Kakajan nanao fampisehoana tamin'ny fisokafan'ny tsenambarotra iray ao Berkarar vao haingana, faritra fialam-boly iray malaza ho an'ny tanora Turkmen na dia mendrika hahazo mpijery betsaka sy velombolo kokoa aza ny fampisehoana ataony.

Raha babon'i Kakajan amin'ireo hira pop Turkmen ianao, jereo ireo lahatsariny hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.