Ongandey Iray Mandefa Sioka Manohitra Ny Filoha Museveni Sy Ny Hetsi-Pirenena Fijoroana

Uganda's president Yoweri Museveni. Photo released under Creative Commons by Russell Watkins/Department for International Development UK).

Filoha Ogandey Yoweri Museveni. Sary avy amin'ny  Russell Watkins/Departemanta hoan'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena UK). Zon'ny mpamorona

Tsy ny maro no sahy mitsikera ilay olom-pirenena voalohany mitondra ao Oganda, Yoweri Musveni.

Nandefa sioka mihantsy ny Filoha Museveni sy ny Hetsika Fijoroana Nasionaly (NRM) tao amin'ny pejy Twitter-ny i Qatahar Raymond mpanao gazety, bilaogera sady mpisera Twitter.

Mpanoratra gazety mpanao fanadihadiana miara-miasa ankehitriny ao amin'ny Tambajotra Radio Oganda sy Buzzfeed i Qatahar.

Malaza amin'ny famoretana ataony amin'ireo feo manohitra azy i Museveni izay teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1986.

Vao nahazo fampitandremana vao haingana ny mpikatroka tamin'ny volavolan-dalàna vaovao ao amin'ny parlemanta Ogandey izay mikendry hampangina ireo mpitsikera, mpikatroka sy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana mitsikera ny fitondrany. Voalaza fa mitady fe-potoam-piasana faha-enina manaraka indray izy amin'ny herintaona hoavy, ary nampanantena tsy hanome hery mandrakizay hoan’ny mpanohitra, izay antsoiny hoe amboadia”.

Nanomboka tamin'ity sioka iray ity ireo andiana sioka Raymond-Museveni:

inona no mitranga eo amin'izao tontolo izao?; afaka mahazo zavatra mahaliana kokoa atao avy aminao ve izahay fa tsy izay mitondra anay any am-pasana amin'ny maha-firenena?

Vao herinandro vitsy lasa izay isika no nitomany momba ny fitsaboana ny homamiadana. Fitaovana “radiotherapie” mandeha 700mn. Nahita ny filohantsika fa fahendrena ny mividy landcruisers.

Mikasika ny Land cruiser, afaka manangana sampan-draharaha misahana ny homamiadana ianao amin'ny maha-filoha anao? Azonao lokoina mavo izany mba ho lafatra kokoa

Amin'inona? 3bn landcruisers? 33% n'ny trosa amin’ny harin-karena faobe? Toekarena mitotongana? Lwaki otuzunza yye?

Nividy maodely raitra Toyota Land Cruiser avy any Angletera hoan'ireo lehibeny ny antokon'ny fitondrana NRM. Mandeha ny tombatombana rehetra mikasika ny loharanom-bola nividianana ireo fiara.

Nanohy ny tsikerany izy, mampahatsiahy ny filoha mikasika ny fanapahan-keviny hampanofa ny Orinasam-panjakana Dairy hoan'ny orinasa vahiny amin'ny hofany $1 Amerikana mandritra ny telo taona:

Satria namidinao $1 ny orinasantsika Dairy. Nahoana ianao no tena mitondra anay amin'ny boribory [vetaveta]?

Nanohy nametraka fanontaniana hoan'i Museveni izy:

Eny, aiza ireo fikambanan'asa raha nivarotra ireo vokatra ireo isika. Lwaki otuzunza?

Kaoperativa maro ao Oganda no nirodana teo ambanin'ny fitondrana Museveni taorian'ny fanavaozana ny tsenan'ny toe-karena namporisihan'ny Banky Iraisam-pirenena.

Ary tamin'ny filazana ny fifandraisan'ny firenena amin'i Shina, izay nireharehan'i Museveni tao amin'ny Twitter vao haingana, nanamarika izy fa tsy nahazo vola maimaim-poana avy amin'i Shina i Ouganda :

Mino aho fa adinonao ny ampahany raha nilaza “famindramam-bola” ianao ary manangona trosa ho azy ireo!

Mikasika ny fampiasana ny teny “fahafahana” tsy an-kiato”

mbola mampiasa indray ny teny “afaho” somary mivahavaha kely ianao eto…..

Naka ny fahefana i Museveni sy ny NRM taorian'ny tolona mitam-piadiana naharitra dimy taona nandritra ny fiafaran'ny Ady Mangatsiaka.

Namoaka ireo tsiambaratelo sasany ao anatin'ny fitondrana i Raymond:

Mbola tsy mahalala izay namono an'i Kayiira, Kazini, Kagezi – eo ambanin'ny fitondranao izahay -, manam-potoana ve ianao fa hotononiko ny lisitra?

Dr Andrew Lutakome Kayiira no filohan'ny vondrona mpikomy iray, Hetsi-panafahana an'i Oganda. Maty nisy namono izy tamin'ny taona 1987 andro vitsy taorian'ny nanesoran'ny governemanta ny fiampangana azy ho mpamadika. Namoy ny ainy tamin'ny taona 2008 tao anatin'ny toe-javatra hafahafa kosa ny kaomadin'ny tafika teo aloha Maj. Gen. James Kazini. Joan Kagezi no lehiben'ny mpampanoa lalàna tamin'ny raharaha 2010 fanapoahana baomba mifandraika amin'i Al-Shabaab tao andrenivohitra Ogandey, Kampala. Namoy ny ainy tamin'ny 30 Martsa 2015 izy.

Satria efa ho telopolo taona i Museveni no teo amin'ny fitondrana, hoy i Raymond nanontany:

Andeha ampitahaina amin'ireo firenena hafa ao anatin'ny fotoanan'ny 28 taona ity, azontsika atao ve Andriamatoa Filoha?

Niantso ny kaonty Twittern'i Museveni ho “vokatry ny fihatsarambelatsihy” izy ‘:

Raha karamaina hivarotra “fihatsarambelatsihy manafintohina” ho vokatra aho, ity kaonty @KagutaMuseveni ity no fampiasam-bola kendrena.

Nitombo ny ahiahin'ireo namana mpisera Ogandey manoloana ny tsikerany. Nisy ny nampitandrina azy:

Aok'izay Raymond! Tsy misy olona vonona ho amin'ny diezy #FreeRaymond raha samborin'izy ireo ianao.

Nanoratra, angamba tamin'ny fomba manesoeso i Kemigisa jacky:

Raymond; fomba ratsy eo amin'ny Fomba Amam-panao Afrikanina ny manome tsiny ny tsy fahombiazan'izay zokinao! hiverina hanao ny asako aho

Na dia izany aza, nanamarika i J.P.K Makumbi hoe:

Tiako hohanina izay sakafo maraina an'i Raymond. Mirehidrehitra izy androany

* ‘Twitter beef’

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.