Jereo ny Lahatsary ‘100 Taona’ Fahatsiarovana ny Fahazato Taona ny Nandripahana ny Armeniana Notontosain'i Serj Tankian

Serj Tankian performing in "100 years". Source: Screenshot of the music video.

Serj Tankian mihira ao amin'ny “100 taona”. Loharanon-tsary: Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny mozika.

Serj Tankian no malaza indrindra amin'ny tarika mpihira metal/hard rock antsoina hoe System of a Down izay nihirany hatramin'ny 1994. Misy fifandraisana mivantana ihany eo amin'ny tarika sy ny fandripahana ny Armeniana: izy rehetra ireo dia Armeniana-Amerikana avokoa ary taranaky ny sisa niangana tamin'ny fandripaham-bahoaka. I Tankian tenany aza dia efa niavaka amin'ny maha-mpikatroka mafana fo azy amin'ny hetsika isan-karazany, hatramin'ny fitsikerana ny tontolon'ny fonja ao Etazonia ka hatramin'ny resaka tontolo iainana.

Tsy ilaina ny miteny fa zava-dehibe ho azy manokana ny tolona hampanekena ny iraisampirenena ny nisian'ny fandripahana ny Armeniana. Hoy ny nolazainy vao haingana tao amin'ny gazety-boky Rolling Stones, raha niresaka momba ny rariny:

I think for us it's important for Turkey to know its own history in a truthful manner. It's not just about the genocide of the Armenians, Greeks and Assyrians, but what's going on now. There are no executable international agreements that have to do with stopping the genocide. Irrespective of a number of great U.N. bodies and even U.S.-based bodies in terms of genocide prevention, there's no binding resolution on any genocide or holocaust occurring. We still see them happening. I read in today's press that they discovered a mass grave in Deir Ezzor in Syria of ISIS massacres of this one tribe there, and it reminded me of all the bones that are under those sands in Deir Ezzor from the first genocide of the 20th century in the exact same place. If that's not symbolism, I don't know what is.

Mieritreritra aho fa zava-dehibe ho an'i Torkia ny mahalala ny tantaram-pireneny amin'ny fomba marina indrindra. Tsy momba ny fandripahana ny Armeniana, ny Grika ary ny Asyriana ihany fa amin'izay misy amin'izao fotoana izao ihany koa. Tsy misy ny fifanarahana iraisampirenena ahafahana manakana fandripaham-bahoaka. Tsy araka ny habetsaky ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana lehibe na ny habetsaky ny rantsa-mangaikan'i Etazonia amin'ny fisorohana ny fandripaham-bahoaka, fa tsy misy ny vahaolana tapaka amin'izay fisian'ny fandripaham-bahoaka na famonoana faobe. Mbola mila azy ireny hitranga hatrany isika. Namaky tamin'ny fampahalalam-baovao aho androany fa nahita fasana itambarambe tao Deir Ezzor ao Syria avy amin'ny famonoana faobe foko iray nataon'ny ISIS ry zareo, ary mampahatsiahy ahy ny taolambalo rehetra milevina eo ambanin'ny fasik'i Deir Ezzor avy amin'ny fandripaham-bahoaka voalohan'ny taonjato faharoapolo eo emin'io toerana io indrindra izany. Raha tsy saimbolisma izany dia tsy haiko hoe inona.

Nanatrika ny fampisehoan'ny System of a Down farany indrindra, ao anatin'ny fitetezatany ataon'ny tarika “Wake Up The Souls” ho fahatsiarovana ny Fandripahana ny Armeniana ny Global Voices. Nanolotra fampisehoana maimaimpoana ny tarika tamin'ny 23 Avrily (ny alina alohan'ny Fahatsiarovana Ofisialy) tao amin'ny Kianjan'ny Repoblika tao Yerevan izay natrehin'ny Armeniana, sy Georgiana, Iraniana, Okrainiana, ankoatra ny hafa.

Serj Tankian playing in Yerevan's Republic Square on the 23rd of April 2015. Photo by Joey Ayoub.

Serj Tankian nihira teo amin'ny Kianjan'ny Repoblika tao Yerevan tamin'ny 23 Avrily 2015. Saripika Joey Ayoub. More Photos.

Fa aza kivy raha tsy mahaliana anao ny metal. Artista mahavokatra be i Tankian. Ny lahatsariny ‘100 taona’ dia manasongadina ny mpitendry Duduk (sodina Armeniana), Daouli (amponga maroanaky ny faritra), Lyra (lokanga ao amin'ny faritra) ary Kanun (valiha telozoron'ny faritra) mbamin'ny gitara, piano ary lokanga miaraka amin'ny feo. Ity hita mahafinaritra ity no manome ako ny tantara mavesatra niaretan'ny Armeniana, ny Grika ary ny Asyriana.

Araka ny hita eo amin'ny fanavazavana: “ny lahatsary dia fahatsiarovana maloka hanomezam-boninahitra ireo Armeniana, Grika ary Asyriana lasibatry ny fandripaham-bahoaka voalohany tamin'ny taonjato faharoapolo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.