Manamafy Ny Fifehezany Ny Aterineto Amin'ny Alalan'ny Didy Hitsivolana Vaovao i Belarosia

Images mixed by Tetyana Lokot.

Filoha Belarosiana Alyaksandr Lukashenka sy ny governemantany miroso amin'ny famoretan'izy ireo ny fahalalahan'ny aterineto. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Ao anatin'ny ezaky ny governemanta hiady amin'ny trafikan-drongony, hotakiana amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto ao Belarosia ihany koa ny hitehirizana ireo rakitsoratra feno misy ny tantaran'ny fiseraseran'ny mpisera aterineto .

Hanan-kery manomboka amin'ny 1 Janoary 2016 ny politika vaovao navoakan'ny Minisiteran'ny Serasera ho didy hitsivolana . Na dia aharihary fa iadiana amin'ny trafikan-drongony sy ny fitsinjarana izany aza ilay fepetra “miady amin'ny zava-mahadomelina (anti-drug)”, dia matahotra ireo mpiaro ny zon'olombelona sasany fa mety ampiasaina noho ny antony ara-politika izany. Mihevitra i Pavel Sapelka, manam-pahaizana momba ny lalàna ao amin'ny Foiben'ny Zon'olombelona Viasna fa tsy hisalasala hanampatra ny fahefan'izy ireo hametra ny fahalalaham-pitenena antserasera ireo manampahefana.

К сожалению, власти были более обеспокоены ограничением доступа к сайтам, который распространяют нежелательную для властей информацию. Понятно, что если эта норма будет работать прозрачно, так, как и должно, безусловно, это хорошо, поскольку мы все понимаем, что не стоит на месте ни преступность, ни средства, которые помогают преступникам осуществлять свою деятельность. Если же под видом борьбы с противоправными действиями будут чиниться препятствия в работе тех сайтов, которые пропагандируют политические взгляды, то это будет расценено как очередное нарушение.

Indrisy, manahirana kokoa ny manampahefana ny famerana amin'ny fidirana amin'ny habaka mampiely vaovao tsy mety amin'izy ireo. Mazava ho azy, raha miasa  ao anatin'ny mangarahara ity fenitra ity, izay tokony ho izay no izy, dia ho tsara, satria fantatsika fa mihamanahiran-tsaina ny fikambanan-jiolahy sy ny fitaovana ampiasainy. Na izany aza, raha ampiasain'ny manampahefana amin-javatra tsy ara-dalàna toy ny fanelingelenana ny asan'ny habaka mampiroborobo fijery ara-politika sasany izany, dia horaisina toy ny fanitsakitsahana [ny fahalalaham-pitenenanana] hafa koa izany.

Amin'ny didy hitsivolana vaovao, voatery hitahiry torohay manondro ny fotoana nidirana aterineto sy ny nivoahana tamin'izany, ary ny isan'ny tahirin-kevitra nalefa sy voaray ny mpamatsy tolotra aterineto. Tsy maintsy manangona ny anarana, ny tahiry ara-pasipaoro (raisin'ny mpamatsy aterineto rehefa manasonia fifanekena tolotra ny mpiserasera), adiresy IP anatiny sy ivelany, sy ny adiresy MAC ny fitaovana ampiasain'ny mpiserasera ny orinasa mpamatsy tolotra aterineto. Hotakiana amin'ireo mpamatsy tolotra isam-birao ihany koa ny hitazonana izany tahiry izany herintaona farafahakeliny. Na dia tsy vahiny amin'ny fenitra manerantany aza izany fe-potoana izany, dia mijanona ho manjavozavo ny fizotra ara-teknika sy araka ny lalàna manodidina ny fanangonana ireo tahirin-kevitra ireo. Ankoatra izany, toa hita fa ambangovangony loatra ity fomba fiasa ity, raha jerena ny fifanakaikezan'ny fomba fanenjehana ireo mpanao trafikan-drongony sy mpiserasera.

Niharatsy ny toe-draharaha araka ny lalàna amin'ny famerana ny trafikan-drongony ao Belarosia, indrindra noho ny “sakay” rongony vaovao fantatra ara-barotra ho ravin-drongony saintetika. Mora kokoa ny mahita sakafo avy amin'ny fahandroana sakay ao amin'ny aterineto, ary nampalaza ny zava-mahadomelina ao Belarosia, Rosia, sy ny firenena hafa manodidina izany. Hatramin'ny Janoary 2014, nandrakotra ny 70%n'ny tsenan-drongony tsy ara-dalàna ao Belarosia ny sakay. Na dia tena misy aza ny olana, dia mihevitra ny manampahaizana fa hadisoana goavana ahafahan'ny manampahefana manaramaso ny fitondratenan'ireo mpiserasera rehetra amin'ny aterineto izany, na inona na inona fifandraisan'izy ireo amin'ny habaka mifandraika amin'ny rongony.

Ity didy hitsivolana ity no andiany farany indrindra amin'ireo andiana lalàna vaovao mametra ny zo antserasera, tsy azo isalasalana, fa miha-matanjaka hatrany ny sivana ao Belarosia satria miha-akaiky ny fifidianana filoham-pirenena.

Tamin'ny Desambra farany teo, nanatontosa fanitsiana ny lalàna mifehy ny media ny governemanta, izay toa mitaky fa ny habaka Belarosiana rehetra amin'ny aterineto dia azo heverina ho fikambanan'ny haino aman-jery. Mahatonga ny habaka amin'ny endriny rehetra ho fehezin'ny Minisiteran'ny Fifandraisana izany, izay manana fahefana hanakatona tsy mila mandalo fitsarana ireo habaka.

Tamin'ny faran'ny volana Febroary, namoaka didy hitsivolana mitaky amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto hanakatona izay aterineto ahafahana tsy mampiseho anarana toy ny Tor sy ny servisy VPN ny Minisiteran'ny Fifandraisana. Nilaza ny manampahefana fa atsofoka ao anatin'ny lisitra maintin'ny fanjakana efa misy ao Belarosia ihany koa ny tolotra rehetra mirona amin'ny tsy fametrahana anarana amin'ireo fitaovana ampiasaina hidirana amin'ny habaka

Fotoana fohy taorian'ny fandaniana ireo fanitsiana momba ny haino aman-jery, dia sehatra an-tserasera lehibe maromaro, anisan'izany ny tranokalam-baovao tsy miankina no voasakana tanatin'ny fotoana fohy. Niantso izany fanakatonana izany ho “fanazaran-tena alohan'ny fifidianana” ireo mpikatroka sy mpanao gazety ao an-toerana. Raha Izany no mitranga dia tsy hampisy zavatra miova any amin'ny farany ny famerana ny fidirana amin'ireo servisy manafina anaram-panondroana mpiserasera sy ny fitehirizana ny tantaran'ny fidirana aterineton'ny mpiserasera sy ny tahiry manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.