Herinandrom-Piainan'Ilay Lehilahy Mpikarama Isam-Bolana Ao Tokyo

Nalaza tao amin'ny aterineto ny lahatsary vao haingana nampiakarin'ilay vlogger YouTube mavitrika Stu in Tokyo, nahatratra atsasaky ny tapitrisa hatramin'izao ireo nijery izany.

Ny lohahevitry ny lahatsary? Herinandrom-piainan'ilay lehilahy mikarama isam-bolana ao Tokyo, anarana iombonana ao Japana ilazana ireo mpiasa birao :

Miasa amina orinasam-pitantanambola Britanika ao Tokyo i Stu, araka ny fanazavany ao amin'ny lahatsary. Matetika ny volana Janoary, Febroary sy Martsa no “fotoanan'ny krizy”, ka mitaky ora lava iasana.

Noho izany, nanapa-kevitra hitahiry lahatsary amin'ny diary i Stu izay miompana amin'ny faharetan'ny fotoana iasany isan'andro, sy ny zavatra ataony tokoa rehefa tsy miasa izy. Toa hita fa tsy dia betsaka loatra anefa izany.

Saingy ekena izany, hoy Stu. “Misy tokoa ireo olona ao Tokyo no manao izany mandritra ny taona mba hanohanana ny fianakaviana. Tsy haiko saintsainina ny hanao izany raha nanana ireo karazana adidy ireo aho.”

Misy ireo famantarana fa eo an-dalam-piovana ity zava-malaza amin'ny asa Japoney ity.

Na dia namoaka ny hevitra hanaisotra tanteraka ireo fitsipika mametra ny ora fiasana isan'andro aza ny Praiminisitra ankehitriny Shinzo Abe, nampahafantatra drafitra ny governemanta izay mitaky amin'ireo mpiasa mpikarama Japoney fa tsy maintsy maka dimy andro fialan-tsasatra handraisam-bola isan-taona.

Hatramin'izao, raha maro ireo mpiasa mpikarama Japoney no mahazo karama fialan-tsasatra izay anisan'ny onitra azon'izy ireo,  vitsy dia vitsy ireo mpiasa tsotra tena mampiasa izany izany.

Noho ny kolontsaina ao anatin'ny toeram-piasana, misalasala ireo mpiasa tsotra Japoney hisafidy fialan-tsasatra manokana ho azy ireo, mahatonga ireo mpiara-miasa hisolo toerana vonjimaika.

Fa ny ataony raha maka andro iray tsy iasana ireo Japoney mpiasa, dia matetika misafidy iray ao amin'ireo andro tsy fiasana ofisialy ao Japana.

Manana andro tsy fiasana ofisialy 16 mihatra manerana ny firenena i Japana amin'izao fotoana izao, manana ny betsaka indrindra amin'ireo firenena anatin'ny G20 (manana andro tsy fiasana ofisialy 8 fotsiny ny Anglisy, ary 10 i Etazonia).

Mety manonitra ireo ora fiasana lavabe sy ny fisalasan'ireo namana mpiara-miasa haka andro tsy fiasana noho ny antony manokana ny fahabetsahan'ny andro tsy fiasana ofisialy ao Japàna.

Na dia izany aza, raha mandeha fialan-tsasatra ao anatin'ny fotoana mitovy ao anatin'ny andro ofisialy tsy iasana avokoa ny tsirairay ao amin'ny firenena manana mponina 126 tapitrisa, mety hiteraka fahatsentsenan'ny lalamby ny vokatr'izany, na fitohanan'ny fifamoivozana, na koa filaharam-be eny amin'ny seranam-piaramanidina.

Andrana amin'ny famahana ity olana ity ireo fitsipika vaovao momba fialan-tsasatra amin'ny asa. Misy ihany koa ny fanantenana fa hampiroborobo ny fizahan-tany sy hampiakatra ny tinadin'ny mpanjifa ireo andro angatahan'ny tsirairay tsy iasana nefa handraisam-bola miaraka amin'ny isan'ireo andro tsy fiasana ofisialy ao amin'ny firenena, ka hanaitaitra ny toe-karena tsy mitokozihitr'i Japana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.