Global Voices, Tari-dalana Fiteteza-Paritra Hoan'ireo Tsy Mpizaha Tany

travel_shelf

“Aleoko miafina ao an-trano, mijanona miaraka amin'ny ao an-toerana, ary mitsidika ireo toerana hihaonana ao amin'ny faritra mba hijanona ao amin'ny hotely, na mitsangatsangana, sy mitsidika mozea. Mba tsy hividianana boky taridalana, aleoko mamaky bilaogy avy ao an-toerana na avy amin'ireo mpila ravinahitra—ary Global Voices mazava ho azy —mba ahafantarana bebe kokoa momba ny toerana iray alohan'ny hitsidihana azy.”

Herintaona lasa izay, tany Italia niaraka tamin'ny namana iray aho, nitaraina noho ny fisafidianana kiraro aho. Kiraro fitondra mihazakazaka sy baoty hoditra ihany no noentiko, ary samy lena izy roa taorian'ny andro maromaro nilatsahan'ny orana tsy an-kiato. Nampiposaka hevitra iray ny resaka nataonay: Ahoana raha misy habaka na fampiharana ahafahako “mitsidika” firenena eny ifotony ary mahita izay karazana kiraro sahaza? Ny olona ao an-toerana no tokony mandrindra ilay habaka, mety hisy vokany amin'ny fanampiana ahy hanaraka ny lamaody ao an-toerana izany, ary manamaivana ny tokony ho maha mpizahatany ahy.

Hevitra adala, angamba, saingy tsy izany indrindra ny ambadik'ilay hevitra: Maro ireo taranaka tsy te hahatsiaro na hitovy amin'ny mpizahatany rehefa mitsidika firenena. Manazava ny fitomboan'ireo orinasa tahaka ny Airbnb, izay manampy anao tsy hiditra hotely fizahan-tany fa mba “hiaina toy ny eo an-toerana”.

Niteraka izany faniriana izany tato amiko ny fipetrahana tany ivelany nandritra ny taona vitsivitsy tamin'izaho mbola ankizy. Aleoko mijanona ao an-trano, miresadresaka amin'ny olona ao an-toerana, mitsidika ireo toerana hihaonana ao amin'ny faritra mba hijanonana ao amin'ny hotely, na mitsangatsangana, sy mitsidika mozea. Ary mba tsy hividianana boky taridalana, aleoko mamaky bilaogy avy ao an-toerana na avy amin'ireo mpila ravinahitra—ary Global Voices mazava ho azy —mba ahafantarana bebe kokoa momba ny toerana iray alohan'ny hitsidihana azy.”l.

Nahatonga ahy hihevitra izany hoe: Misy olon-kafa mampiasa ny Global Voices ho fitarihan-dalana amin'ny fitsidihana firenena iray ve any ho any? Afaka nametraka izany fanontaniana izany tamin'ireo mpiara-miasa amiko maromaro ato amin'ny GV aho nandritra ny fihaonam-ben'ny GV farany teo. Ireto avy no nolazainy:

Marianna Breytman, iray amin'ireo mpandika teny amin'ny teny Espaniola niteny tamiko hoe:

“I always use GV when traveling because I think it's a really great way to see what issues are currently concerning any given region. Most recently I've done it when I visited Panama, Mexico, and Colombia, and I'm planning to do it again before my trip to Turkey in a few weeks.” 

Mampiasa ny GV hatrany aho rehefa hitsidika firenena iray satria mihevitra aho fa fomba lehibe tokoa hahitana izay olana misy ankehitriny ao amin'izay faritra hotsidihana izany. Nanao izany aho vao haingana raha nitsidika an'i Panama, Meksika sy Kolombia, ary mbola mihevitra ny hanao izany indray aho alohan'ny handehanako hitsidika an'i Tiorkia afaka herinandro vitsivitsy.

Anna Schetnikova mpanoratra ato amin'ny GV amin'ny teny Rosiana sy Anglisy niteny hoe:

“I was travelling in Turkey at the time of the recent general elections last summer. And GV was great to use to know about political culture of the country, about different parties and activists and the society, so when I saw posters in the street, I knew what they were about.”

“Nitsidika an'i Torkia aho tamin'ny fotoana nisian'ny fifidianana ankapobeny vao haingana tamin'ny fotoam-pahavaratra. Ary tena nilaina ny GV mba ahafantarana mikasika ny kolontsaina ara-politika ao amin'ny firenena, sy mikasika ireo antoko sy mpikatroka isan-karazany ary koa ny fiarahamonina, ka rehefa nahita afisy teny an-dalana aho, dia fantatro ny dikany. “

Nanambady vao haingana i Mohamed ElGohary, Mpandrindra ny Fandikan-teny ao amin'ny Lingua GV sady solontenan'ny ekipa ao amin'ny Filankevi-Pitantanana (Board of Directors)  ary nampiasa ny GV izy mba hikaroka izay firenena hanaovany volatantely ao Maldives. Nilaza  izy fa nanampy tamin'ny fanapaha-keviny mikasika izay nosy hotsidihana ity lahatsoratra ato ity.

Nametraka ny fanontaniana tao amin'ny Twitter ihany koa aho: Efa nampiasa Global Voices mba hanao fikarohana toerana iray alohan'ny hitsidihana azy ve ianao? Nilaza tamiko tamin'ny alalan'ny mailaka i Emer Beamer, mpanabe sady mpamorona ara-tsosialy monina any Holandy (sady mpamaky mazoto ny GV) fa rehefa mitady “olona ilaina” amina toerana iray izy, dia “Global Voices no antsoina voalohany.” Raha nitsidika tany Kambodza izy, nihaona tamin'ireo olona telo izay hitany tamin'ny alalan'ny GV izy, ary miara-miasa amin'ny mpanoratra iray ato amin'ny GV ho amina tetikasa izy amin'izao fotoana izao.

Nilaza tamiko i Beamer fa tiany mba hanangana takelaka manokana momba ny Fitetezantany (Voyage) ny GV, te-hampiasa izany izy hahafantarana momba ‘ny etikan'ny asa amina toerana iray, aiza no ahitana Wifi [ary] aiza ao an-tanàna no misy ny hevitra zaraina sy ny kolontsaina hafa”. “araka ny nolazainy tamiko, matetika izy manentana ireo mpikaroka miara-miasa aminy mba hiditra ao amin'ny GV alohan'ny hitsidihana toerana iray.

Nilaza koa i Katie Mulloy, miasa ao amin'ny UNICEF ao Ogandà fa “toerana lojika hitadiavam-baovao” momba ny toerana vaovao ny GV, indrindra mikasika ireo “olana izay mandalo ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.” Mpitsidika firenena efa za-draharaha i Mulloy ary nilaza fa nampiasa ny habaka izy tamin'ny fikarohana momba an'i Kambodza, Oganda ary Malaizia.

Nanontaniako i Mulloy hoe mety ho tahaka ny ahoana ny takelaka manokana momba ny Fitsidihana Firenena ato amin'ny Global Voices”. Avy amin'ireo Tandrefana efa mpitsidika firenena, hoan'ireo Tandrefana efa mpitsidika firenena ny ankamaroan'ny 48 ora amin'ny lahatsoratra momba ny toerana iray,” hoy izy. “Saingy liana te-ahafantatra aho hoe ahoana no hanasongadinan'ireo mpianatra zavakanto Koreana Tatsimo izay zavatra tsara indrindra azo hatao ao Seoul.”

Mpanoratra mahaleotena monina ao Kambodza i Ben Valentine. “Amin'ny maha-mpanao gazety sy mpankafy siansa mpitoka-monina “nerd” azy,” hoy izy,” dia “te-hahazo torohay ivelan'ny Lonely Planet tahaka ny hoe inona no sarisary mampihomehy vaovao? Inona ireo tolona ara-politika vao haingana hoan'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ireo firenena ireo? Inona no hiadian'ireo bilaogera hevitra amin'izao fotoana izao? “

Lohahevitra miverimberina eo amin'ny olona noresahako ny fahafantarana ny fomba fijerin”ireo bilaogera sy mpisera haino aman-jery sosialy. Nilaza tamiko ilay bilaogera Maraokana El Mahdi fa ny famakiana ny GV alohan'ny handehanana hitsidika firenena iray dia manome “hevitra azy mikasika ny fomba fanehoan-kevitra antserasera ataon'ny olona ao amin'ny firenena, adika amin'ny teny mazava amiko…” Sambany nampiasa GV izy mba hiomana tamin'ny diany hoany Thailand, satria nitady “zavatra azo novakiana ahafantarana momba ny firenena sy ny kolontsainy ankoatra ny Wikipedia sy ireo sary rentsika rehetra momba  fizahan-tany [ao] izy.”

Tamin'ny mailaka nalefany ho ahy. Nahavita namorona voambolana vaovao i El Mahdi:

“Since [that first trip], GlobalVoicing a country [has become] among the usual things I did before a travel, in addition of course to Googling and Wikipedi-ying the country, especially when I do not speak the country's language.”

 «Hatramin’ [iny dia iny], Nanjary zavatra mahazatra fanaoko alohan'ny hitsidihana firenena iray ny Mi-GlobalVoice firenena iray, fanampin'izany mazava ho azy ny Mi-Google sy Mi-Wikipedia firenena, indrindra rehefa tsy mahay ny tenin'ilay firenena aho.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.