Mijoro ny Fiaraha-Mientan'Olo-tsotra Taorian'ny Tondra-drano Teto Madagasikara

Inondation à Madgascar via @MiranaPriscilla sur twitter

Tondra-drano teto Madagasikara via @MiranaPriscilla tao amin'ny twitter

Taorian'ny andro ratsy sy ny tondra-drano izay nahazo an'i Madagasikara,  dia maro ireo fandraisana an-tanana mahafinaritra ataon'ny olom-pirenena miray hina ho fanampiana ireo tra-boina.  Ny vokatra farany tamin'ny 28 febroary dia nahitana fahafatesan'olona 14, tra-boina 41 581 ary tsy manan-kialofana 20 000.  Na dia eo aza ny fahasarotana goavana ho fandrindrana ny fanampiana noho ny mety ho fahavakisan'ny fefiloha hafa sy ny rotsak'orana tsindraindray, dia maro ireo hetsika tafapetraka ho fanentsenana ireo filàna maika dia maika.

Indreto ny fandraisana an-tanana mendrika ny avoitra :

-Wake Up Madagascar, hetsik'olom-pirenena ao amin'ny tambajotra sosialy (izay manana mpankasitraka mihoatra ny 9400 ao amin'ny Facebook), dia nahangona fehezan'entana 489 ahitana akanjo, kiraro, lambam-pandriana, ondana, lay, kojakoja fahandroan-tsakafo, zavatra ilaina an-davanandro (vary, menaka, katsaka, sira, paty, biskoy, mofo dipaina…), labozia, savony, afokasoka, kilalao… taorian'ny antso hanangonana fanampiana tamin'ny voalohany volana marsa 2015. Rehefa tonga ny hariva dia nanaolotra ireo fanomezana ireo tamin'ny tra-boina sy ny tsy manan-kialofana ny mpikarakara.

Crédit Photo: Wake Up Madagascar

Sary avy amin'ny Wake Up Madagascar

Indro ny lahatsary izay mandravaka ny filozofiany sy ny hetsika ataony ho fanohanana ireo tra-boina:

Capture d'écran de la video de Wake Up Madagascar

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Wake Up Madagascar

-Weselfie2015 hoan'ny fikambanana Akamasoa

Tetikasa natomboky ny mpianatra vavy roa ao la Réunion: isaky ny misy selfie #weselfie2015 (ao amin'ny Facebook, Twitter, Instagram) mivoaka dia misy 50 centimes euros arotsaka ao amin'ny fikambanana Akamasoa tarihin'ny mompera Pedro – izay miasa hoan'ny fianakaviana izay miaina ao anatin'ny fanatobiana ny fakon'ny tanànan'Antananarivo renivohitra. Efa maro ireo olom-pirenena efa nandray anjara. Hoan'ireo te-handray anjara dia manana hatramin'ny alakamisy 6 marsa izy ireo hanaovana izany.

Indreto ny sasantsasany amin'ny selfie ataon'olom-pirenena mandray anjara amin'ny fandraisana an-tanana:

Fanja Aina ao amin'ny Instagram:

Fanja Aina sur Instagram #Weselfie2015

Fanja Aina ao amin'ny Instagram #Weselfie2015

 Andry ao amin'ny Facebook:

Andry sur Facebook: Weselfie20015

Andry ao amin'ny Facebook: #Weselfie2015

- Ny L’Élan du Cœur dia fandraisana an-tanana ataon'olo-tsotra ao amin'ny tambajotra sosialy. Ny tanjon'ny vondrona dia ny hanentana ny tanora malagasy hihetsika sy ho liana amin'ny hoavin'ny firenena sy hampifantoka ny hetsika ataony amin'ny alalan'ny fanabeazana ireo tena sahirana. Manoloana ny tondra-drano izay nahazo ny renivohitry ny Nosy, dia nikarakara fandraisana fanampiana hatramin'ny alakamisy 5 marsa hoan'ireo tra-boina ny Élan du Cœur.

Photo de couverture de la page Facebook de l'Elan du coeur sur Facebook

Sary firakotry ny pejy Facebook an'ny l'Elan du coeur

Ohatra vitsivitsy ihany amin'ny fandraisana an-tanana ataon'olo-tsotra ireo ary mbola misy hafa any. Fa ireo fandraisana an-tanana telo ireo no maneho fa mijoro hifampivondrona ny olo-tsotra hanohana ireo olo-tsotra hafa tahaka azy izay mitady fanampiana. Fotoana izao hampitovian'ny governemanta sy ireo rafitra efa za-draharaha tadin-dokanga amin'ireo ohatra mahafinaritra maneho fahafoizan-tena ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.