Mitsidika An'i Gaza I Banksy, Miantso an'Izao Tontolo Izao Hanao Zavatra

A scene from Banksy's mini-documentary from his visit to Gaza

Sehatra avy amin'ny fanadihadiana ampahany notontosain'i Banksy tamin'ny fitsidihany tao Gaza

Nitsidika miafina an'i Gaza ilay Britanika mpanakanto an-dalambe malaza, Banksy ary namoaka andiana soratsoratra sy kisarisary amin'ny rindrina (graffiti) mampiasaintsaina sy fanadihadiana fohy .

Namoaka fanadihadiana fohy maharitra roa minitra ao amin'ny habakany sy ny pejiny YouTube mitondra ny lohateny hoe “Ataovy taona hahitanao toeram-baovao ity taona ity”i Banksy. Ahitantsika an'i Banksy miditra ao Gaza amin'ny alalan'ireo tonelina tsy tambo isaina nolavahan'ny Gazaita manerana ireo sisintaniny miaraka amin'ny Ejypta sy Israely izany.

Tahaka ny endrika manesoeso amin'ny dokambarotra fizahan-tany ny fanadihadiana satria miarahaba antsika tongasoa amin'izany tanàna izany izay ‘lavitra dia lavita amin'ny zotra arahin'ny mpizaha tany” i Banksy. Mamariparitra ny mponin'i Gaza ho miraiki-pitia fatratra (amin'ny taniny) izy ka tsy handao azy na oviana na oviana, alohan'ny nanampiany ao anaty farango sosona hoe “satria tsy avelan'izy ireo hanao izany izahay”.

Screenshot from Banksy's ""

Pikantsary avy amin'ny “Ataovy taona hahitanao toeram-baovao ity taona ity” an'i Banksy

Notohizan'i Banksy tamin'ny famaritana ireo mpifanolo vodirindrina amin'i Gaza ho tia namana izany avy eo, ary nampiany hoe trano maherin'ny 18.000 no rava tao Gaza nandritra ny fanafihana Israelina antsoina hoe ‘Hetsika Fiarovana ny Sisintany (Operation Protective Edge)’ izay efa notantarainay tato amin'ny Global Voices. ‘Eny rehetra eny ny fahafaha-manararaotra mankany amin'ny Fampandrosoana”, hoy izy alohan'ny nilazany hoe ” tsy mahazo ampidirina ao Gaza intsony ny simenitra hatramin'ny nisian'ny daroka baomba.”

Taoriana kelin'izany, mahita ny “graffiti” voalohany isika, izay mitondra ny lohateny hoe “Fandravàn'ny Baomba (Bomb Damage)” ary angamba aingam-panahy avy amin'ny “The Thinker (ilay mpihevitra)” an'i Rodin izy io. Nalefa tao amin'ny kaonty Instagram-ny izany ary nahazo tiako maherin'ny 12.000 tamin'ny fotoana nanoratana. Tsy dia maneho filozofia loatra tahaka ny “Ilay Mpieritreritra” ity graffiti ity fa toa miaro tena kokoa amin'ny fandravana manodidina azy .

"Bomb Damage" by Banksy. Photo from www.banksy.co.uk

“Bomb Damage” avy amin'i Banksy. Sary tao amin'ny www.banksy.co.uk

Manova ny mariky ny fibodoan'i Israely, toeram-piambenana goavana ho toeram-pialana voly hoan'ny ankizy kosa ny sangan'asany faharoa, navoaka voalohany tao amin'ny streetartnews (vaovaon'ny kaonty an-dalambe). Napetraka manerana ny “Rindrin'ny Fisarahana (Apartheid Wall)’, iray amin'ireo voambolana ampiasaina amin'ny sakana manasaraka an'i Isiraely, izay tokony ho 700km eo ho eo (434 kilaometatra) andalam-pamitàna, ireo tilikambo fiambenana.

Photo from www.banksy.co.uk

Sary tao amin'ny www.banksy.co.uk

Ny “graffiti” fahatelo indray dia mikendry ny fitiavana saka ao amin'ny aterineto. Ahitantsika saka kely milalao baolina vy mihorongorona fa tsy baolina landihazo mahazatra. Voatsonga tao amin'ny (fampitan-kafatra iray) i Banksy hoe: “Tonga ny lehilahy iray ao an-toerana ary nilaza hoe “Azafady- inona no dikan'io?’ Nohazavaiko fa te-hanasongadina ny fandravana an'i Gaza amin'ny alalan'ny fandefasana sary ao amin'ny habakako aho – saingy ny sarin'ireo sakakely milalao fotsiny no hitan'ny olona ao amin'ny aterineto”.

Cat

Saka milalao baolina vy miorongorona. Sary tao amin'ny www.banksy.co.uk

Mahita ireo ankizy ao Gaza milalao eo akaikin'ny sakakely isika, ary raim-pianakaviana iray nataon'i Banksy fanadihadiana milaza amintsika hoe :

This cat tells the whole world that she is missing joy in her life. The cat found something to play with. What about our children? What about our children?

Milaza amin'izao tontolo izao ity saka ity fa tsy ampy fifaliana izy eo amin'ny fiainany. Nahita zavatra nolalaovina  ilay saka. Manao ahoana ny zanakay? Ahoana ny zanakay?

Farany, azo fintinina amin'ny alalan'ny fomba fitenenana nosoratany tamin'ny rindrina tao Gaza ny hafatr'i Banksy mivaky hoe:

If we wash our hands of the conflict between the powerful and the powerless, we side with the powerful – we don't remain neutral.

Raha manasa ny tanantsika amin'ny ady eo amin'ny matanjaka sy ny malemy isika, dia miandany amin'ny matanjaka – miangatra isika.

Palestinian kid climbs the wall featuring Banksy's message

Ankizy Palestiniana mihanika rindrindra mampiseho ny hafatr'i Banksy. Sary tao amin'ny Banksy.co.uk

Tsy vao sambany i Banksy no nitsidika an'i Palestina. Anisan'ireo malaza amin'ny sangan'asany ireo graffiti nataony ao amin'ny faritra Palestiniana ao amin'ny morondrano andrefan'i Jordana. Indreto ny sasantsasany amin'izany.

Banksy in the West Bank. Photo from www.banksy.co.uk

Banksy ao Morondrano Andrefana. Sary avy amin'ny www.banksy.co.uk

Banksy in the West Bank. Photo from www.banksy.co.uk

Banksy ao Morondrano Andrefana. Sary tao amin'ny www.banksy.co.uk

Banksy in the West Bank. Photo from www.banksy.co.uk

Banksy tao Morondrano Andrefana. Sary avy amin'ny www.banksy.co.uk

Banksy in the West Bank. Photo from www.banksy.co.uk

Banksy tao Morondrano Andrefana. Photo from www.banksy.co.uk

Banksy in the West Bank. Photo from www.banksy.co.uk

Banksy tao Morondrano Andrefana. Sary avy amin'ny www.banksy.co.uk

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.