Tratry Ny Taombaovao Shinoa… Avy Ao Però!

Lima Chinatown. Image on Flickr by user patrikalex (CC BY-NC-SA 2.0).

Chinatown ao Lima. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr patrikalex (CC BY-NC-SA 2.0).

Toerana maro kolontsaina i Però ary amin'izany, mibahan-toerana ao amin'ny alimanakany ireo fankalazana mikasika ny toerana sy ny kolontsaina izay raha vao jerena toa mihataka amin'ny repoblikan'i Amerika Atsimo.

Anisan'ny ohatra amin'izany ny fankalazana am-piheretampo ny Taombaovao Shinoa ao amin'ny firenena.

Hoan'ireo mpitsidika an'i Però, mora hita ny fiarahamonina Shinoa, vokatry ny fifindra-monina izay nitranga teo anelanelan'ny fiafaran'ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan'ny taonjato faha-20. Mamintina ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta toy izao ny habaky ny fikambanana Peroviana-Shinoa:: 

Los primeros inmigrantes chinos llegaron al Perú colmados de esperanzas e ilusiones, en busca de una mejor vida y un futuro prometedor. Gracias a su gran tenacidad, esfuerzo y laboriosidad hicieron realidad sus sueños.

Hoy en día, apreciamos su influencia y su presencia, en los diferentes ámbitos de la realidad peruana y sobre todo, su contribución en la fusión de dos culturas milenarias.

Feno fanantenana sy hadisoam-piheverana ireo mpifindra-monina Shinoa voalohany tonga tao Però, mitady fiainana tsara kokoa sy hoavy mahabe fanantenana. Noho ny fikirizana mafy sy ny ezaka ary asa goavana eo amin'izy ireo, tanteraka ny nofin'izy ireo.

 Ankasitrahanay ankehitriny ny lanjany sy ny fanatrehan'izy ireo, ao anatin'ny tontolo isan-karazany hita amin'ny zavamisy Peroviana, indrindra amin'ny fiarahan'ireo kolontsaina an'arivo taona roa.

Nipetraka voalohany tamin'ny lohasaha amorontsiraka Peroviana ireo Shinoa mpifindra monina voalohany alohan'ny nielezany manerana ny firenena. Rehefa nandeha ny fotoana, nanjary izy ireo no maro indrindra tao amin'ny vondrom-piarahamonina Aziatika monina ao Però, manana tara-kevitra matanjaka ao amin'ny kolontsain'ny faritra peroviana maro. Fantatra amin'ny hoe tusán, teny nalaina tamin'ny teny Shinoa 土生 pinyin: tǔ shēng, jyutping: tou2 saang1, ary midika hoe ‘teraka tao an-toerana’ ny vahoaka taranaka Shinoa “.

Ny nahandro angamba no fandraisana anjara mivaingana avy amin'ireo voanjo avy ao amin'ny Fanjakana Afovoany. Ao Però — ny sakafo Shinoa – nalaina betsaka avy amin'ny sakafon'ny faritr'i Canton saingy nasiana fanamboarana kely natao hoan'ny nahandro Peroviana – no nanjary fantatra ao an-toerana amin'ny hoe chifa. Hita an-drenivohitra, Lima sy ireo tanàna maro hafa Peroviana ny trano fisakafoanana mampandroso io sakafo io.

Mankalaza ny Taombaovao Shinoa isan-taona ihany koa i Però eny an-dalamben'i Chinatown ao Lima, Efajoron-toerana vitsivitsy miala ao amin'ny Kianjaben'i Lima no misy azy. Tamin'ity taona ity – tsy nanivaka ny Taonan'ny Osy – araka ny fanambarana mazava tsara tao amin'ny habaka Publimetro:

Los festejos para recibir el Año Nuevo Lunar de la oveja aún continuará (sic) hasta el 19 de febrero. Esta festividad se celebra en la segunda luna nueva después del solsticio de invierno (entre el 21 de enero y el 19 de febrero).

Hitohy hatramin'ny 19 Febroary ny fankalazana ny Taombaovao manara-bolan'ny taonan'ny osy hoavy izao. Ankalazaina amin'ny tsinambolana faharoa aorian'ny fahatraran'ny masoandro ny atsimo indrindra(eo anelanelan'ny 21 Janoary sy 19 Febroary) io daty io.

Naneho ny firariantsoan'izy ireo tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Fikambanan'ny Shinoa-Peroviana 

Hoy la Asociación Peruano China les desea a todos un !Feliz #AñoNuevoChino 2015! 新年好 ! 羊年大吉! 喜氣羊洋 ! xin nian hao!

Mirary Taombaovao Shinoa 2015 ho anao androany ny Fikambanana Peroviana-Shinoa! 新年好 ! 羊年大吉! 喜氣羊洋 ! xin nian hao!

Nisioka sary sy ny fiarahana ireo mpisera tao amin'ny Twitter:

Mankalaza ny Taombaovao Shinoa izahay androany, ary ankalazaina miaraka amin'ny fanomanana sakafo isan-karazany izany.

Nandrohy lahatsoratra iray miresaka ny dikan'ny Taonan'ny Osy ny Fikambanana Peroviana-Shinoa;

Fantatrao ve ny herintsain'ny Osy? Manao ahoana ny lehilahy, ny vehivavy na ny ankizy teraka amin'ny Taonan'ny Osy? Inona no anjara natokan'ity taona ity ho anao?

Nitondra ny firariantsoany ihany koa ireo solontenan'ny masoivoho vahiny:

Mirary Taombaovao Shinoa hoan'ny rehetra ny Masoivoho Britanika Lima

Nifantoka tamin'ireo fepetra vao haingana hampihenana ny fandotoana vokatry ny fankalazana ny fety ao Shina ireo sioka hafa.

Taombaovao Shinoa, nahena ny afomanga noho ny fandotoana.

Ny sasany kosa nanjary nahay fanandroana amin'ny fananganana ny lanonana goavana:

Amin'ny Adalo ny volana vaovao amin'ny Alarobia 18 amin'ny 6:45 hariva, ora ao Però, hiditra Trondro (Alohotsy) izany afaka minitra vitsivitsy. Rahampitso hariva ny Taombaovao shinoa.

Hoan'ireo rehetra mpamaky ny Global Voices; na aiza na aiza misy anao eo amin'izao tontolo izao, tratry ny Taonan'ny Osy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.