Ankizy ao Ejipta Milalao ny Lahatsarim-Pamonoana Ataon'ny ISIS

Children in Mahalla, Cairo, role-playing the ISIS and "slaughter" other children ISIS-style. Photograph from a video shared by @Shokair on Twitter

Ankizy ao Mahalla, Kairo, manao kilalao ISIS ary “manapa-doha” ireo ankizy hafa amin'ny fomban'ny ISIS. Sary avy amin'ny lahatsary nozarain'i @Shokeir tao amin'ny Twitter

Noraketina an-dahatsary ireo ankizy avy ao El Mahalla El Kubra ao Egypta “manapa-doha” ireo ankizy hafa amin'ny fomban'ny ISIS no sady milalao amin'ny kibay hazo. Mampanontany zavatra marobe ny lahatsary mihoatra noho ny famaliana ny hoe “mendrika” haparitaka ve ireo lahatsary mampihoro-koditra mampiseho amin'ny antsipirihany ny heloka bevavan'ny vondrona mpampihorohoro, indrindra fa amin'ny ankizy .

Nirehareha tanteraka amin'ny famokarana lahatsary raitra mampiseho ny fomba fanapahan-doha ataon'izy ireo amin'ireo azo babony ny taranaky ny Al Qaeda ao amin'ny ISIS, izay mifehy ireo rambon-tany midadasika ao Iraka sy Syria. Na dia teo aza ny fifanenjehana mba hanesorana ireo sary fampielezan-kevitra antseraseran'izy ireo, mbola maro ny olona mizara ireo lahatsary, tsy mahafantatra ny fahavoazana mety hahazo ny mpijery.
Mety notontosaina taorian'ny fanapahan-doha nataon'ny vondrona mpikomy ISIS ao Libya tamin'ireo mpiasa Kristianina Ejypsiana 21 izay nalaina an-keriny tao Libya iray volana mahery lasa ity lahatsary tao El Mahalla El Kubra ity. Tamin'ny 15 Febroary, namoaka lahatsary mampivarahontsana sy mihosi-drà tao amin'ny Youtube ireo mpampihorohoro izay nampiseho ny fanapahan-doha natao tamin'ireo takalon'aina, ka niteraka savorovoro tao Ejipta, anisan'izany koa ny daroka baomba tamin'ireo toeran'ny ISIS any Libya.

Tanànan'ny indostria sy ny fambolena ao Ejypta i El Mahalla Al Kubra, miorina ao afovoan'i Vinanin'i Neily ao amin'ny morondrano andrefan'ny sakelidrano Damietta, ary mampiantrano olona eo amin'ny antsasaky ny iray tapitrisa eo.

Bilaogera Ejypsiana, Shokeir nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 44.1K, miaraka amin'ny fanamarihana kely mikasika ny sary avy amin'ny lahatsary mampiseho ireo ankizy “manao ny fomban'ny ISIS” ;

Ankizy ao Mahalla milalao ….(ISIS)

Nisy nampita (nanao retweet) in-150 ity sioka ity ary mbola mitohy izany.

Nampiakatra ny lahatsary i Tamer Abdo Amin, izay nisy nijery in- 86K tao amin'ny Facebook miaraka amin'ny fanehoan-kevitra hoe:

قابل يا عم .. آدى تأثير فيديوهات داعش على مجموعة أطفال من المحلة الكبرى .. ذات مومنت لما العيال ف مصر تلعب داعش :))

Jereo ity! izao ny fiantraikan'ny lahatsarin'ny ISIS amin'ireo ankizin'i Al Mahalla Al Kubra. Tamin'ny fotoana nilalaovan'ireo ankizy ao Ejypta ny fomban'ny ISIS

Mamaritra ny ISIS ho mpiady tsy misy fanoavana amim-pivavahana na amin'ny firenena ilay ankizy ao amin'ny lahatsary, alohan'ny hanomezana baiko ireo “lehilahiny” hamono ireo ankizy hafa. Hoy izy:

We have no religion or nation. We slaughter children, women and the elderly. We have decided the following: to kill all the youth of the town of (inaudible). Slaughter then Oh men!

Tsy manana fivavahana na firenena izahay. Manapa-doha ankizy, vehivavy sy ny antitra izahay. Nanapa-kevitra izao manaraka izao izahay: ny hamono ny tanora rehetra ao an-tanàna (tsy fandre). Tapaho ny lohany ry zalahy!

Tao amin'ny Facebook ihany, Ejypsiana mpanoratra gazety El Dahshan nilaza ny vaovao, mampahatsiahy,ny fotoana, rehefa ankizy ihany…..ny ankizy:

There was a time when kids in Egypt, like kids everywhere, played cops and robbers. And the cops would win. And it made me smile. Natural order of things, I'd think.
Then after 2011 I've seen kids play cops and protesters. And one cop would ‘kill’ (well, you know, pew pew pew) one of the protesters, who would then revolt, and chase after the cop-kids. And it made me smile – because it was funny, but it was no less sad, because kids shouldn't have to contemplate the mere thought of police brutality.
Tonight I saw this video, of kids playing Daesh, where first kid gives a little speech (incidentally in better Arabic that the minister of foreign affairs, but i digress) and then gives the order to his acolytes to slaughter the two ‘hostages’.
And that's not a game that has a happy ending in any possible way. Nobody wins.
This is the saddest thing I've seen in a long, long time.

Nisy ny fotoana izay nilalaovan'ireo ankizy ao Ejypta, tahaka ny ankizy rehetra ny polisy sy mpangalatra. Ary ny polisy no handresy. Ary nahatonga ahy nihomehy izany. Zava-misy eo amin'ny fiainana, hoy ny eritreritro.
Ary taorian'ny taona 2011, nahita ankizy nilalao polisy sy mpanao fihetsiketsehana aho. Ary polisy iray no ‘mamono’ (eny, fantatrareo, pa pa pa) ny iray amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay te hikomy sy manenjika ireo ankizy-polisy. Ary nahatonga ahy nihomehy izany – satria nahafinaritra, saingy somary mampalahelo kely ihany satria tsy tokony hiisaintsaina hevi-tokana momba ny herisetran'ny polisy ny ankizy.
Nahita ity lahatsary ity aho androany alina, lahatsarin'ireo ankizy milalao Daesh, manao kabary fohy ny ankizy voalohany (amin'ny teny Arabo tsara kokoa noho ny an'ny minisitry ny Raharaham-bahiny, saingy mihoa-pefy aho) ary avy eo manome baiko ireo namany hamono ireo ‘takalon'aina’ roa.
Ary tsy kilalao ahitana fiafarana tsara amin'ny fomba rehetra azo atao izany. Tsy misy ny mpandresy.
Ity no zavatra mampalahelo indrindra tsy mbola hitako nandritra ny fotoana ela.

Manomboka amin'ny “manelingelina” sy ny “mivoatra mivadika ho ratsy” ireo fanehoan-kevitra momba ity lahatsary ity

Azo antoka fa mandona mafy ireo olon-dehibe ny fijerena lahatsary mampihoro-koditra mampiseho ny heloka bevavan'ny ISIS, saingy inona no tena ataon'izy ireo amin'ny zanatsika? Tokony hijery ireo heloka bevavan'ny ISIS zaraina ao amin'ny lahatsary ve ny ankizy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.