Nividy Rindrambaiko Fanaraha-maso Ny Mpitandro Filaminana Sinoa — Ary Navoakany Tamin'Ny Aterineto Ny Taratasy Manaporofo Izany

Screen capture of Wenzhou police's purchase order of Trojan spyware that targets at Android moble phone and jailbreak iphone.

Sarin'ny efijery ahitana ny porofon'ny nividianana ny rindrambaiko ampiasain'ny mpitandro filaminana ao Wenzhou entina hanaraha-maso ny finday.

Tsy misy miafina amin'ny rehetra hoe mitsikilo ny zavatra rehetra ataon'ny vahoaka ao amin'ny aterineto sy ny resaka ifanaovany amin'ny findainy ny manampahefana Sinoa. Eny, tena mbola mampivandravandra ny mahita porofo mivaingana amin'ny fanaovan'izy ireo an'izany.

Tamin'ny 7 Janoary, namoaka porofon'ny nividianana rindrambaiko fitsikilovana ny Beijing Times, mpamoaka vaovaon'i Beijing, lazaina fa tatitra nataon'ny departemantan'ny polisy ao an-toerana, tamin'ny alalan'ny Weibo. Hitan'ireo mponin'ny aterineto mazava tsara izany izao ny rindrambaiko fanaraha-maso ampiasain'ny mpitandro filaminana, ary fantatr'izy ireo hatramin'ny tena vidin'izy ireny.

Tao amin'ny vohikalan'ny departemantan'ny polisin'ny distrikan'i Wenzhou no nahitan'i Beijing Times ny porofon'ny nividianana izany, nakàny sary ny efijery misy izany, ary nalefany tamin'ny haino aman-jery sosialy niaraka tamin'ny fanazavana fohifohy mikasika ny niaviany. Mikasika entam-barotra roa no hita tao amin'io taratasy manaporofo ny fividianana entana nataon'izy ireo io: dia ny rindrambaiko fampidirana trojans (cheval de Troie: karazana virus) any anatin'ny finday, ary trojan fitsikilovana ny resaka ifanaovan'ny olona amin'ny findainy, ny hafatra soratany, ary sary alefa anatin'ny hafatra alefa amin'ny finday misy Android ary iPhone. Ny vidin'ny entam-barotra voalohany dia RMB 100,000 yuan (16,000 dolara Amerikana eo ho eo) ary ny vidin'ny entam-barotra faharoa kosa dia RMB 4,900 yuan ( 800 dolara Amerikana eo ho eo).

Raha niparitaka be io vaovao io, dia notsoahana tao amin'ny vohikalan'ny departemantan'ny polisy ilay taratasy manaporofo ny fividianana entana. Saingy nanomboka nikaroka tany anatin'ireo pejy hafan'ny vohikala fividianana entan'ny governemanta teo an-toerana ireo mpisera amin'ny aterineto. Nahita porofo momba ny fandaniam-bola amin'ny fanaraha-maso ny media sosialy sy famefena ny fomba fijerin'ny olona ataon'ny governemanta roa teo an-toerana amin'ny alàlan'ny volan'ny mpandoa hetra i @bedaijin, mpampiasa Twitter:

Ny sary voalohany dia ny porofo nandoavam-bola tamin'ny fananganana biraon'ny zana-tsampan'ny filaminam-bahoaka ao amin'ny Faritra Fampiroboroboana ny Ara-toekarena sy Teknolojika ao Wenzhou. Ny sary faharoa dia mampiseho ny porofo fividianana entana nataon'ny governemanta Tianjin. Ny sary fahatelo dia ny porofo nividianana entana nataon'ny governemanta tao amin'ny tanàn-dehiben'i Taian.

Ny fitaovana novidian'ny governemanta Tianjin dia rindrambaiko ahafahana manangona ireo hafatra avy amin'ireo haino aman-jery sosialy avy any ampitan-dranomasina, tafiditra ao anatin'izany ny Twitter, Facebook ary Google plus. Ny manampahefana tao an-tànanan'i Taian dia nividy rindambaiko fanangonana rakitahiry sy rindrambaiko mamoaka ny votoatin-dresaka natao hanampy amin'ny “fanoherana ny fomba fijerin'ny olona” eo amin'ireo sehatry ny haino aman-jery sosialy miisa sivy, na ao Sina izany , na avy any ampitan-dranomasina.

Amin'ny alàlàn'ny fanaovana karoka tsotra kely iray eo amin'ny karazana failo sy amin'ny fampiasàna karoka ahitana ny teny hoe “Twitter”, “fanampim-panazavana”, ary “fividianana entana”, dia hitan'i @beidaijin fa raha kely indrindra dia misy ampolony ihany koa ireo governemanta hafa ao an-toerana no nividy rindrambaiko fanaraha-maso ny haino aman-jery sosialy:

Teny nanaovana fikarohana “endriky ny failo:doc tranonkala:.gov.cn fanampim-panazavana  fividianana twitter”. Toy ny hita ao amin'ny fangalàna sary ny efijery, dia namoaka ny porofo maro nividianana rindrambaiko fanaraha-maso natao hikendrena ny haino aman-jery sosialy lehibe any ampitan-dranomasina ny governemantan'i Taian, Qidong, Shandong, Hulunbuir, tanàn-dehiben'i Ordos, Nanjing, Nanning, Hefei, Changzhou, Qingyuan, Yancheng, Tianjin sy ny sns.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.