Diaben'Olona an'Aliny Mitaky Fiovana Manavatsava ny Lalamben'i Madrid

“Ny Diaben'ny Fiovana”, ao Madrid, Espaina. Saripika Olmo Calvo, gazety Diagonal. Navoaka indray amin'ny lisansa CC.

Mihoatra ny 100.000 ny olona nameno an'i Puerta del Sol, kianja iray ao an-drenivohitra Espaniola ary toera-panaovana fihetsiketsehana tao anatin'ny taona vitsivitsy izao, nitaky fiovana tamin'ny Asabotsy31 Janoary . Mpanao fihetsiketsehana avy amin'ny vondrona politika samihafa, sokajin-taona isan-karazany, avy amin'ny tanàndehibe maro no nivory tao Madrid ao anatin'ilay efa fantatra amin'izao fa “Diaben'ny Fiovana”.

Ny Podemos, vondrona politika niorina vao herintaona monja izao ary nahazo toerana dimy ao amin'ny Parlemanta Eoropeana, ary efa nametraka ny tenany ho mety hahazo ny fandresena amin'ny fifidianana ankapobeny hotontosaina amin'ny 2016, no niantso ny fivoriana. Manana fanolorantena matanjaka hoan'ny olom-pirenena ny antoko ary nanangona ny hevitra nipoitra nandritra ny taonan'ny fanafintohinana sy ny hetsi-panoherana nanaraka ny krizy ara-bola izay nanozongozona an'i Espaina. Tamin'ny famaliana ny antson'ny Podemos hanao ny diabe, dia olona an'aliny no nipoitra, ka nametraka fanohanana matanjaka azy teny an-dalambe.

La Marcha convocada por Podemos sigue su curso. Foto de Wassim Zabad. Usada con permiso

 Saripikan'i Wassim Zabad. Nahazoana alalana.

Ny diabe tamin'ny 31 Janoary dia natao ho toy ny fivoriambe ara-politika ahafahan'ny mpanatrika manaraka ny kabarin'ireo mpikamban'ny Podemos. Nalain'ny mpanatrika ho azy ireo ny teny filamatra malaza indrindra tamin'ny Indignado Movement (15M) – hetsi-panoherana goavana tamin'ny 2011-12 taorian'ny krizy ara-toekarena. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa, tsy tahaka ny fihetsiketsehana teo aloha ka tsy ny fahatezerana ihany no anton'ny famoriam-bahoaka – fa ivon'ny hetsika ihany koa ny faniriana hanambatra ny hery hanova ny rafitra. “Eny, azontsika atao” ‘no antso tena fandre indrindra, sady hiaka tany amin'ny fihaonana hafa tao anatin'ny taona vitsivitsy izao, hanehoana fa mahatsapa mahazo hery hamarana ny kolikoly sy ny fitondran'ny sangany ara-politika izay tsy mitady ny tombontsoany [vahoaka].

“Manonofy isika, fa raisintsika matotra tokoa ny nofintsika,” no teny miverimberina indrindra nataon'i Pablo Iglesias, mpitarika ny antoko Podemos izay nikarakara ny diabe tamin'ny alalan'ny fanentanana an-tserasera niparitaka be. Nanomboka ny lahateniny, tamin'ny firesahany an'i  Gresy izy, izay efa nifidy ny antoko Syriza, izay manohitra ny Eoropeana sangany, mba hanangana fitondram-panjakana.

Gresy no firenena voalohany nitsipaka ny fepetram-pitsitsiana, araka ny lazain'ny Podemos, ary ny antoko dia mikasa hametraka an'i Espaina ho firenena faharoa rehefa izy no mitarika ny governemanta. Miatrika olana maro amin'ny tsy fitoviana, ny fahantrana, ary ny fanilikilihana i Espaina, hoy i Iglesias, niampanga ireo governemantan'ny firenena faramparany teo. Natolony ihany koa ny volavolam-panovana ho lalana anoritana ny filàna hiviliana miankavia: “taona 2015 taom-piovana ho an'i Espaina sy i Eoropa.”

Varias generaciones escuchan al líder de Podemos. Foto de David Fernández. Periódico Diagonal

Sokajin-taona isan-karazany mihaino ny mpitarika ny Podemos. Saripikan'i David Fernández. gazety Diagonal. Navoaka indray noho ny lisansa CC.

Nomen'ny mpitarika voninahitra ireo vondrona mpikatroka niady ho amin'ny fiarovana ny zon'ny vahoaka na taloha na ankehitriny: ny mpampianatra sy ny mpianatra nanangana ny onja maitso ho fiarovana ny fanabeazana, ny aron'akanjo fotsy nanidy ny tenany tao amin'ny hopitaly ho fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka, ireo vehivavy niady hahazo ny zon'ny fanalan-jaza, “ireo zokiolona tsy mety sasatra” , izay efa niady ho an'ny rariny ara-tsosialy ho an'ny taranaka ho avy, ny “vahoaka voafitaka”, izay niady hanohitra ny banky, ary ireo mpifindra monina mpiasa, izay efa niady mafy mba hampitsaharana fandroahana. “Misaotra nahatonga ny hetsi-bahoaka hanome lalana ny fiovana. Tsy hisy intsony ny firenena tsy misy ny olony” hoy ny fehin-teniny.

Nampiasa ny tambajotra sosialy hizara ny sary sy ny lahatsarin'ny hetsika ny mpisera Twitter, ny antony nahatonga azy ireo handray anjara amin'ny diabe, ary eny fa ny nofinofiny tamin'io andro io aza:

Leon'ny mpisoloky, mpanao kolikoly ary ireo tia tanindrazana sandoka ny vahoaka … ampelantanatsika ny fiovana! #EsAhora31E pic.twitter.com/rwadufhEj2

Hanenika an'i Madrid amin'ity asabotsy ity ny nofy sy ny fanantenana hisian'ny fiovana :> 31E Cibeles-Sol 12H < #LaMarchaDelCambio pic.twitter.com/WHQi0uOs3L

Madrid, 31E. Azonao tsapaina ny nofinofin'ny vahoaka izay manangana ny hoaviny amin'ny fifaliana sy ny fanantenana pic.twitter.com/IIxfIjNtSU #SonreirEsVencer

href = “http://t.co/IIxfIjNtSU”> pic.twitter.com/IIxfIjNtSU#SonreirEsVencer

Tik, tak. Tik, tak. Ny feon'ny fiovana. #EsAhora31E

Cartel por el cambio. Foto de Wassim Zabad. Usada con permiso.

Afisy fanohanana ny fiovana. Saripikan'i Wassim Zabad. Nahazoana alalana.

Anio ny androm-panorenana. Ora hoan'ny vahoaka. Tsy hohadinoinay ny #31e @ierrejon petandola #EsAhora31E pic.twitter.com/SRcXdLECLZ

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.