Takian'ny Mpikatroka Ny Famotsorana Ilay Palestiniana Mpikatroka Abdallah Abu Rahme

Abdullah Abu Rahmah's sentencing, Ofer Military Prison, West Bank, 15.9.2010 Photo by Oren Ziv via ActiveStills.org

Famoahana ny didy hoan'i Abdullah Abu Rahmah, Fonja Ara-Miaramilan'i Ofer, Ampita Andrefan'i Jordana, 15.9.2010 Saripikan'i Oren Ziv via ActiveStills.org

Mpikatroka avy any Palestina ao amin'ny Komity Mpandrindra ny Tolom-Bahoaka no mampiasa ny tranonkalam-panangona-tsonia an-tserasera Avaaz hitakiana ny famotsorana ny gadra politika Abdallah Abu Rahme, izay nahazo didy fanasaziana ara-miaramila Israeliana nivoaka tamin'ny 8 Febroary. Ny fanangonan-tsonia dia navantana tamin'i Nitzan Alon, komandin'ny Hery Fiarovana Israeliana (IDF) ao amin'ny faritra voabodo andrefan'i Jordana.

Mpampianatra i Abu Rahme ary mpandrindra ny Komitim-Bahoakan'ny Bil'in, izay nandritra ny taona maro izao no nikarakara hetsika am-pilaminana isan-kerinandro ao Bil’in hanoherana ny Rindrin'ny Fampisarahana nataon'i Israely, izay anovanan'ilay fanorenana ny atsasany mihoatra ny tanin'ny tanànakely iray ao Ampita andrefan'i Jordana homena ireo voanjo Israeliana manori-ponenana eo akaiky eo.

Nosamborina izy, araka ny nolazain'ny Amnesty International, tamin'ny May 2012  nandritra ny fihetsiketsehana ho fanohanana ny Palestiniana voatazona sy voafonja natao teo akaikin'ny fonja miaramila Israeliana ao Ofer noho ny fijoroany manoloana ny bulldozers mitondra simenitra hampiasaina hanaovana sakan-dalana sy fiarovana vato. Nahazo fahafahana vonjimaka izy ora vitsy taty aoriana rehefa nandoa haban-keloka, saingy nobedibedesina tamin'ny Febroary 2013 noho ny fiampangana ho nanakantsakana miaramila teo ampanaovana ny adidiny. Miatrika famonjana hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina i Abu Rahme.

Ny didy ara-miaramila nampiasaina hanamelohana an'i Abu Rahme dia ilay “Didy Miaramila 101: Momba ny Fandrarana Hetsika Fanentanana Fandrisihana miharo Fankahalana” manana ny laza ratsiny, ary nofariparitana ho tsy ara-dalàna na eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena na eo amin'ny lalàna Israeliana araka ny fijerin'ny ONG Israeliana iray Mpandala ny Zon'Olombelona B'TSelem. Ankoatra izany, Frank La Rue, mpitondrateny manokan'ny Firenena Mikambana amin'ny Fahalalahana Hanan-Kevitra sy Haneho Hevitra, rehefa avy namangy an'i Israely sy ireo tany bodoina, tamin'ny 2012, dia niteny fa nampiasain'ny manampahefana Israeliana hamerana ny fahalalahana maneho hevitra any amin'ireo faritra bodoiny hatramin'ny taona 1967, taona namoahana azy voalohany, io didy io.

Rehefa voaheloka tamin'ny 2010 , amin'ny didy iray noho ny raharaha hafa, i Abu Rahme dia nantsoin'ny Human Rights Watch ho “didy tsy rariny noho ny fitsarana tsy ara-drariny” izany. Ny Amnesty International aza nanondro azy ho “Gadran'ny Feon'ny Fieritreretana” tamin'ny Desambra 2014.

Tamin'ny 2010, nofidiana  ho “Olona ny Taona” avy amin'ny tranonkalan'ny elatra havia Israeliana / Palestiniana fanta-daza +972Mag i Abu Rahme. Nanazava ny fanapahan-keviny ho toy izao izy ireo :

Because he has become the face of the grassroots, unarmed resistance movement to Israel’s security barrier; because he is the person who has raised international awareness not only of the devastation caused by the barrier, but also the existence of a well-organized, non-violent grassroots opposition movement – one that brings together Palestinians, Israelis and international supporters in a joint struggle. Because he is the answer to the question, “Where is the Palestinian Gandhi?” (answer: there are many; and they are languishing in Israel’s jails). Because he has never wavered in his commitment to non-violence – not even after his cousin Bassam Abu Rahmah was killed by a high-velocity tear gas canister shot by Israeli soldiers directly at his chest; nor after his cousin Adeeb Abu Rahmah was arrested and imprisoned for participating in weekly demonstrations against the barrier that separates the people of Bil’in from their own farmland.

Satria lasa endriky ny eny ifotony izy, endriky ny hetsika mijoro tsy mitam-piadiana manohitra ny barazim-piarovan'i Israely; satria izy no nanaitra ny fahafantarana iraisam-pirenena tsy noho ny faharavana nateraky ny barazy ihany, fa noho ny fisian'ny hetsi-panoherana iray avy eny ifotony voalamina tsara, tsy manao herisetra – ny iray izay mampivondrona ireo Palestiniana, Israeliana ary ny Mpanohana Iraisam-pirenena hampiray hina ny tolona. Satria izy no valin ‘ny fanontaniana hoe: “Aiza ny Gandhi Palestiniana?” (Valiny: misy maro, fa mitorevaka ao amin'ny fonjan'i Israely). Satria tsy nihozongozona mihitsy tamin'ny ny fanoloran-tena tsy hanao  herisetra izy – eny fa na dia matin'ny kapoakan'ny baomba mandatsa-dranomaso natifitry ny miaramila Israeliana mivantana amin'ny amin'ny tratrany aza ny rahalahiny Bassam Abu Rahmah ; eny fa na dia nosamborina sy nampidirina am-ponja noho ny fandraisana anjara amin'ny fihetsiketsehana isan-kerinandro hanoherana ny barazy manasaraka ny mponin'i Bil'in amin'ny toeram-pambolen-dry zareo aza ny rahalahiny Adeeb Abu Rahmah .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.