Pejy Facebook Rangoon Revealed “Hilaza ny Tantaran'i Burma, Olona Iray Amin'ny Fotoana Iray”

rangoon seamstress

“Manjaitra tapatapa-damba aho mba hivelomana raha mpitondra posy-bisikileta ny asa fiveloman'ny vadiko. Mahazo vola eo amin'ny 2000 kyatts isan'andro eo aho, amin'ny fanangonana fitafiana efa ela naanaovana, manitsy azy ireny ary mivarotra izany eny an-tsena. Manan-janaka telo izahay ary miezaka mafy hanohanana azy ireo. Fantatrareo fa tsy ampy hamelomana fiainana andavanandron'olona iray isan'andro ny 2000 kyats, tsy tahaka ny voalazan'ireo mpanao politika tsy te-hahalala ny zava-misy.” Sary avy amin'ny pejy Facebook “Rangoon Revealed”.

Nisy andian-tanora avy ao Myanmar nanangana pejy Facebook antsoina hoe “Rangoon Revealed“, izay mpampiseho ny jery avy ao anatin'ny fiainana andavanandron'olon-tsotra ao Yangon, renivohitr'i Myanmar teo aloha.

Myanmar no nahafantarana an'i Burma taloha raha Yangon kosa no niantsoana an'i Rangoon tamin'izany. Tsiri-kevitra avy amin'i Thaw Htet sy i Zwe Paing Htet, “Rangoon Revealed” dia natao “hilaza ny tantaran'i Burma, olona iray amin'ny fotoana iray” amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'ny mponin'i Yangon sy ny fampahafantarana fohy ny fiainan'izy ireo.

Raha nanontanian'ny Global Voices tamin'izay aingam-panahy nanetsika azy ireo hamoaka ity tetikasa an-tserasera ity, dia nilaza ireo tanora roa mponin'i Yangon fa tian'izy ireo ny mpamaky hahatakatra tsara kokoa ny fiainana andavanandron'ny Birmana tsotra. Nampian'izy ireo :

We want to capture the voices of the poor people and those who are struggling in their life.

There may be some foreigners who think that the situation in Myanmar has greatly improved. But what they don’t realize is that sometimes life has become even more difficult now.

Tianay ho azo ny feon'ireo olona mahantra sy ireo miady mafy ao amin'ny fiainany.

Mety hisy ny vahiny sasantsasany mihevitra fa nihatsara tokoa ny toe-draharaha eto Myanmar. Saingy tsy tsapan'izy ireny fa indraindray ny fiainana dia sarotsarotra kokoa amin'izao fotoana izao.

Nalaza vetivety ny sary sasantsasany ao Myanmar tahaka ity iray eto ambany ity izay manasongadina mpitondra posy-bisikileta (kodiaran-telo) :

rangoon brothers

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

Misy tsongan-teny avy amin'ilay nalaina sary miaraka amin'ny sary:

I have a twin brother who looks like me but is very smart. I failed 9th Grade 3 times you see so I decided to support my siblings by working as a trishaw driver. While I was working hard, my brother was studying as best as he could too. He got 4 distinctions in the 11th grade exam.

Manana kambana amiko izay mitovy amiko aho fa kinga saina be izy. In-telo nanala fanadinana kilasy fahasivy aho fa tsy afaka ka izany no nanapahako hevitra hanohana ny mpiray tampoho amiko amin'ny maha-mpitondra kodiaran-telo ahy. Raha niasa mafy aho dia nianatra m afy araka izay tratrany ny rahalahiko. Nahazo mari-boninahitra efatra izy tamin'ny fanadinana kilasy faha-11.

Tamin'ny alalan'ny “Rangoon Revealed” no nanantenan'i Thaw Htet hanitsiana ny hevi-diso any amin'ny olona fa kamo ny mpitondra kodiaran-telo nefa ny marina dia miasa mafy izy ireny mba hamelomana ny fianakaviany.

Indreto manaraka indreto ny sasany amin'ny sarin'ny mponin'i Yangon izay zaraina ao amin'ny pejy Facebook ny tantaram-piainan'izy ireo:

rangoon woman

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

I am divorced and that seems to be a bad thing in this country. Even though I can earn enough money to live by myself, people still criticize me, some times calling me ‘mote-soe-ma’, a derogatory term that means huntress. It is as if people expect a women to not have choices.

Nisara-bady aho ary heverina ho zava-dratsy izany eto amin'ity firenena ity. Na izany aza dia mahatady vola hamelomako ny tenako aho, mbola mitsikera ahy ihany ny olona ary miantso ahy ho ‘mote-soe-ma’, teny fanivaivana izay midika hoe [vehivavy] mpihaza. Tahaka ireny hoe tsy manan-tsafidy ireny ny vehivavy.

rangoon father and son

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

What is your happiest moment with your son? I don't have a happiest moment. Every moment I get with him is a blessing.

Inona ny fotoana mahafinaritra indrindra miaraka amin'ny zanakao lahy? Tsy manana fotoana mahafaly ahy indrindra aho. Ny fotoana rehetra iarahako aminy dia fitahiana avokoa.

rangoon street vendor

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

I'm happy when I get many customers because my boss scolds me if I do not sell much. I came from a small town in Magwe division to come to Yangon to work. I'm now away from my parents who i support with the money I got from selling these snacks.

Faly aho rehefa mahazo mpanjifa betsaka satria mibedy ahy ny mpampiasa raha tsy mahalafo betsaka aho. Avy any amin'ny tanàna kely any Magwe aho no tonga tao Yangon hiasa. Ankehitriny aho lavitra ny ray aman-dreniko izay tohanako ara-bola avy amin'ny fivarotako ireto haninkanina ireto

rangoon rope vendor

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

I've been lifting these ropes for 30 years. I've seen Myanmar change and this is what I have found out. Education is vital. You kids have a chance to learn. Make sure u try hard now so you won't have to suffer in the future. Don't make that fatal mistake.

Nibata ireto tady ireny nandritra ny 30 taona aho. Nahita ny fiovan'i Myanmaro aho ary izao ny zavatra tsikaritro. Tena iankinan'ny ain-dehibe ny fampianarana. Manam-bintana hianatra ianareo ry zatovo. Ataovy izay iasana [ianarana] mafy ankehitriny mba tsy ho fadiranovana ianareo rahatrizay. Aza manao izao fahadisoana mahafaty izao.

rangoon washer

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

I wash linen and tablecloths from restaurants. I guess the only jobs I can have are the ones that nobody else wants to do.

Manasa ny lamba famafana sy lamban-databatry ny efitrano fisakafoanana aho. Mieritreritra aho fa ny asa azoko atao dia ireo asa tsy tian'ny hafa atao.

rangoon trishaw driver

Sary nampindramin'ny pejy Facebook Rangoon Revealed.

What was the happiest moment in your life?
When my wife first conceived a child.
When was your saddest moment?
When the same child passed away.

Inona ny fotoana tsara indrindra teo amin'ny fiainanao?
Raha nanan'anaka voalohany ny vadiko.
Inona ny fotoana nampalahelo indrindra?
Raha lasa tany amin'ny varo-tsy-mifody izany zaza izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.