Miresaka Momba Ny Herisetra sy ny Tsy Fitovian-jo Mihatra Amin'ny Vehivavy ao Kyrgyzstan

gender equality

Milaza ny olona fa any ivelany, eny amin'ny lalana mangina no itrangan'ny herisetra, saingy eny amin'ny toerana tokony ahatsapantsika fahatokisan-tena sy hafaliana, miaraka amin'ny olona fantatsika no tena mitranga matetika ny herisetra. Miseho ao an-trano ny tranga mahery setra indrindra, ary mihamaro izany isan-taona.

Niresaka izany olan'ny herisetra izany ireo Tovovavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014, ary nahita fomba vaovao hanehoana ny tena zava-misy eo amin'ny fiarahamonina.

Lasin'ny Tanora Mpikatroka

Tamin'ny faran'ny volana Novambra, nikarakara ny Lasin'ny Tanora Mpikatroka izahay izay mifantoka amin'ny fampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy vavy, ny fahasalamana ara-pananahana, ny firaisankina eo amin'ireo vondrom-piarahamonina rehetra, ary ny zon'olombelona mba hanomana ny tanora handray anjara amin'izany sy hanintona ny fiarahamonina

Ireo Tovovavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan no tompon-kevitra tamin'ity Lasy ity izay notontosaina tamin'ny 28 Novambra hatramin'ny 1 Desambra 2014 tao Bichkek. Mpandray anjara telo ambinifolo avy amin'ireo faritra roa ao Kyrgyzstan (ahitana faritra fito ao Kyrgyzstan) no nandray anjara tamin'ny atrikasa.

Tamin'ny voalohan'ny volana Desambra, nikarakara hetsika tamin'ny “Andro Iraisampirenena momba ny SIDA” izahay, izay lohahevitra lehibe hoan'ny olona ihany koa ary anisany tokony ho fantatr'izy ireo.

World AIDs day

Zava-dehibe izany satria anisan'ny antony mahatonga ny fanavakavahana eo amin'ny lahy sy ny vavy ny VIH/SIDA, ary tokony hahazaka ny fisian'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina VIH ny olona.

World AIDs day

Nandritra ny lasy, nanapa-kevitra hampiroborobo ny hetsika HeForShe izahay ary nanao fampiratiana ireo asa mikasika ny lohahevitra momba ny herisetra sy ny tsy fitovian-jo mihatra amin'ny vehivavy mba hanehoana fa misy ny herisetra ary tokony hatsahatra izany ankehitriny fa tsy hoe amin'ny manaraka.

gender equality

gender eguality

gender equality

gender equality Nanasongadina ny lohahevitra momba ny fiarovana sy ny filaminana izahay tany am-boalohany, satria lohahevitra lehibe amin'ny fikatrohana rehetra izany. Ary satria miainga amin'ny sehatra nomerika mampiroborobo ny tantaran'ireo tovovavy ao Kyrgyzstan ny fikatrohanay, tena zava-dehibe aminay ity lohahevitra ity.

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanatontosa atrikasa taminay ny manampahaizana momba ny fiarovam-baovao, izay nahazoanay soso-kevitra tianay hozaraina aminao amin'ny lohahevitra manaraka.

Sary nalain'i Dariya Kasmamytova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.